Ny nagnasitranan’i Petera an’ilay iraikalahy nalemy tongotra
3
Nisy andro, niakatra ho aigny an-Tempoly ery Petera sy i Jaona handeha hamonjy lera fivavahana amin’ny telo hariva. 2 Tagnoloagnan’ny vavahadin’ny Tempoly, ilay antsovina hoe Itsaraendrika, dia nisy iraika lahy nalemy tongotra hatraigny an-kibon-dreniny. Isan’andro, dia indesin’ny ôlona izy ary hampentorinjareo akeo, mbô hangataka amin’izay ôlona hiditra tan-Tempoly. 3 Rehefa nahita an’i Petera sy Jaona handeha hiditra ny Tempoly izy dia nangatahany vola zareo roa lahy. 4 Nojeren’i Petera sy Jaona tsara izy dia hozy Petera taminanjy: Jerevo tsara izahay! 5 Dia nojerevany tsara ilay roa lahy satria nitavandra hahazo raha izy. 6 Fa hozy Petera: Izaho tsy managna volamena na volafotsy, fa izay raha anagnako no ameko anao: Amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy avy aigny Nazareta, mitsangàna dia mandehàna! 7 Dia nofangôhany ny tagnan’ilay iraikalahy ankavagnana ary nampitsanganiny izy. Dia nihanatanjaka ny tongony. 8 Takeo no ho akeo, nitsamboamboatra izy ka nijangaridigna dia nandeha. Ary niaraka niditra taminjareo tan-Tempoly izy ka nandeha sy nitsamboamboatra ary nidera an’Andriamagnitra. 9 Dia hitan’ny ôlona dahôlo izy nandeha sy nidera an’Andriamagnitra. 10 Nahafantatra ananjy tsara dahôlo ny ôlona fa izy ilay mpangataka nentòtra tam-bavahadin’Itsaraendrika. Dia gaga sady ambory ny ôlona nahita ny raha nitranga taminanjy.Ny toriteny nataon’i Petera takao amin’ny tempoly
11 Tsy nisaraka tamin’i Petera sy Jaona mihitsy izy. Gaga dahôlo ny ôlona ka niara-nirodogna nandeha taminjareo telolahy, takeo amin’ny fialokalofana ilay antsovina hoe fialokalofan’i Solomona. 12 Rehefa hitan’i Petera izany dia hozy tamin’ny vahoaka: Ô ianareo vahoakan’Isiraely ireo! Ino ma no mahagaga anareo amin’izao raha mitranga izao? Magnino ma no ataonareo tsara jery izahay? Naman-draha dia herinay na fahamasinanay iregny no nampatonga an’ity lehilahy ity nandeha? 13 Kanefa tsy izahay avy no nagnano an’izany fa Ilay Andriamagnitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamagnitry ny razantsika, no nagname voninahitra an’i Jesoa Mpanompony. Izy dia natolotrareo sy tsy nekenareo tagnatrehan’i Pilato, nefa Pilato àry efa nanapa-kevitra ny hamotsotra Ananjy. 14 Naleonareo nangataka famotsorana ho an’ny mpamono ôlona toy izay hagnaiky an’Ilay Masina sy Marina. 15 Dia navelanareo novonoina ilay Tômpon’ny aigna kanefa natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty Izy. Izahay ireto no vavolombelon’izany. 16 Ary ny finoana ny agnaran’i Jesoa no nampatanjaka an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io. Iény, ny finoana dia ny finoana an’i Jesoa no nahasitragna ananjy tanteraka, io izy hitanareo akeo io.
17 Ary amin’izao, raôlona, fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nampatonga anareo nagnano an’izany, sahala amin’ny mpitondra anareo koa. 18 Fa izany raha izany no nitranga mbô hahatanteraka ny raha nampilazain’Andriamagnitra ny mpagnazary dahôlo, fa hiaritra an’izany ny Kristiny. 19 Dia ovao ny toe-tsaignanareo ary ialao ny toetra ratsy ka miveregna amin’Andriamagnitra mbô ho voasarogna ny fahotanareo. 20 Araka izany, ny Tômpo dia hagname fotoana hamelombelona aigna sy hagniraka ny Mesia hotendrena ho anareo dia Jesoa. 21 Mandra-pahatongavan’ny fotoana hameregnana ny raha dahôlo amin’ny laoniny, dia tsy maintsy noraisin’ny lagnitra Jesoa, araka izay nampilazain’Andriamagnitra ny mpagnazary masina letry tam-boalôhany. 22 Fa hozy Mosesy: “Mpagnazary avy amin’ny rahalahinareo sahala aminahy no hatsangan’NY TÔMPO Andriamagnitrareo ho anareo. Hotainoanareo ny raha dahôlo izay hotaraviny aminareo. 23 Na iza na iza tsy hitaino an’izany mpagnazary izany dia haripaka ka halàna tsy ho agnisan’ny vahoakan’Andriamagnitra” (Deo 18.15-19). 24 Ny mpagnazary dahôlo nanomboka tamin’i Samoela sy ny tafarany, dia nagnambara ny raha mitranga amin’izao fotoana izao. 25 Ianareo mihitsy mbôka no zanaky ny mpagnazary sy ny fagnekena nataon’Andriamagnitra tamin’ny razagnareo, tamin’Izy nitarea tamin’i Abrahama hoe: “Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena dahôlo ambonin’ny tany” (Gen 22.18). 26 Ho anareo alôha no nananganan’Andriamagnitra ny Mpanompony. Nasaina ho anareo Izy mbô hitahy anareo sy hampiala anareo tsiraikaraika amin’ny faharatsiana.