Tonga ny fagnahy masina tamin’ny Pantekôty
2
Tamin’ny andron’ny Pantekôty dia tafavory tamin’ny toerana iraika zareo dahôlo. 2 Tampotampoka takeo dia nisy feon-draha sahala amin’ny rivotra nidalavòka avy tan-dagnitra ka nagnenika ny trano nivorianjareo. 3 Dia nisy lela betsaka sahala amin’ny lelan’afo niseho taminjareo ka nizarazara nipetraka tsiraikairaika tan-tampon-dôhanjareo. 4 Dia samby feno Fagnahy Masina zareo dahôlo, ka nitarea tamin’ny fiteny maro isan-karazagny, arakaraka izay nampitenenan’ny Fagnahy Masina anjareo.5 Ary nisy Jiosy tia fivavahana avy amin’ny firenena dahôlo magneran-tany tonga nandalo ta-Jerosalema. 6 Rehefa naharegny an’izany feon-draha izany koa ny vahoaka dia nitangorogna ka sanganehana satria samby naharegny anjareo nitarea tamin’ny fiteniny avy. 7 Dia taitra sy gaga zareo dahôlo ka nifagnontany hoe: Tsy Galiliana ma ireo miteny ireo? 8 Ka magnino ma atsika no samby maharegny anjareo mitarea amin’ny fiteny nahageda antsika? 9 Misy amintsika Partiana, Mediana, Elamita, mipetraka a-Mezopotamia, avy a-Jodia, avy a-Kapadokia, avy a-Ponto, avy Azia, 10 avy a-Frigia, avy a-Pamfilia, avy a-Ejipta, avy aigny amin’ny faritr’i Libia izay manodidina an’i Kirena, ary Jiosy managna zom-pirenena romana, 11 teratany Jiosy na Jentilisa nagnaraka ny fivavahana Jiosy, Kretana ary Arabo. Dia magnino ma izany atsika maharegny anjareo mitarea ny asa goavana be ataon’Andriamagnitra amin’ny fiteny nahageda antsika? 12 Dia nidagnaka sady sanganehana zareo dahôlo ka nifagnontany hoe: Ino ma izy ity? 13 Fa ny ôlona hafa nagneso anjareo hoe: Ôlona mamona divay ireo!
Niteny tamin’ny vahoaka i Petera
14 Niara-nitsangana tamin’ny Apostoly iraika ambin’ny folo lahy i Petera ka nilelalela taminjareo hoe: Ô ianareo Jiosy sy ianareo vahiny aketo a-Jerosalema ireo! Alao ognona, ka tainoa tsara ny raha taraviko. 15 Tsy mamo araka ny fiheveranareo ananjy avy ireo ôlona ireo; andro mbôla vao amin’ny sivy io! 16 Izao mbôka no teny nambaran’i Joela mpagnazary:
17 “Hozy Andriamagnitra: Amin’ny andro farany,
hatopako amin’ny ôlona dahôlo ny Fagnahiko;
haminagny ny zanakareo lehilahy sy ny zanakareo vehivavy,
hahita fahitana ny gaon-dahinareo,
hahazo tsindrimandry ny antilahinareo;
18 hatopako amin’ny gaognako, na lehilahy na vehivavy ny Fagnahiko, amin’izany andro izany.
ka haminagny zareo.
19 Hagnano raha mahagaga aigny amin’ny lagnitra
sy asa goavana be amin’ny tany Izaho,
dia ra sy afo ary setroka manjavona;
20 ny masoandro dia hanjary haizigna,
ny volana dia hanjary ra,
alôhan’ny hahatongavan’ny andron’NY TÔMPO, dia ilay sady andro be no andro magnetriketrika;
21 ka izay ôlona dahôlo hagnantso ny agnaran’NY TÔMPO dia hovonjena” (Joe 2.28-35).
22 Ianareo vahoakan’Israely ireo! Tainoa izao raha taraviko izao: Jesoa avy a-Nazareta dia lehilahy nampagnanaovin’Andriamagnitra asa matomboka be, raha mahagaga ary marika hamantarana Ananjy tagnivonareo takeo. Fantatrareo izany raha izany. 23 Izy dia natolotra anareo araka ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamagnitra mialôha. Dia navelanareo nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana sy novonoin’ny ôlona tsy vantagna Izy. 24 Rehefa nahafaka ny fangirifirian’ny fahafatesana Izy dia natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty satria tsy nanagna hery hamangoka Ananjy ny fahafatesana. 25 Davida mbôka milaza Ananjy hoe:
“Nahita izaho fa NY TÔMPO dia miaraka aminahy foagna;
tsy hihozongozogna izaho satria an-kavagnako Izy.
26 Izany no nahafaly ny foko;
ka hiantsa fiderana ny lelako;
ary hipetraka amin’ny fagnantegnana ny nofoko.
27 Fa tsy ho foinao avela aigny amin’ny fipetrahan’ny maty aigny ny aignako;
tsy avelanao hiraraka aigny am-pasagna ny nofon’Ilay Masinao.
28 Nampahafantatra anahy ny làlan’ny fiaignana Ianao;
Ampoka hafaliana izaho satria Ianao no miaraka aminahy” (Sal 16.8-11).
29 Ô raôlona! Avilay izaho mbô hiteny am-pahatsorana aminareo ny momba an’i Davida raibentsika: Efa maty izy dia nalevigna, ary ny fasagny dia mbôla aketo amintsika mandrak’ity gniany ity. 30 Mpagnazary mbôka izy ka nahafantatra fa Andriamagnitra efa nifanta taminanjy fa hisy iraika amin’ny taranagny ho mpanjaka handimby ananjy. 31 Efa tsinjotsinjon’i Davida ny momba ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty satria tsy nafoy ho aigny amin’ny fipetrahan’ny maty aigny ny aignany ary tsy niraraka tam-pasagna ny nofony. 32 Izany Jesoa izany dia efa natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty ary vavolombelon’izany izahay dahôlo ireto. 33 Ary nasondrotr’Andriamagnitra amin’ny toeram-pahefana ambony aigny an-dagnitra Izy, dia nandray ny Fagnahy Masina Izay nampagnantegnain’ny Ray, ka natopany taminay ny Fagnahy Masina araka izao hitanareo sy regninareo izao. 34 Fa tsy Davida no niakatra tan-dagnitra; satria hozy
“NY TÔMPO nilaza tamin’ny Tômpoko hoe:
Mentora an-kavanako akeo
35 mandra-pagnanaovako ny fahavalonao
ho akalagna fipetrahan’ny tongotrao” (Sal 110.1).
36 Araka izany, avilay ho fantatry ny taranak’Israely dahôlo fa igny Jesoa izay nofantsihanareo tamin’ny kakazo fijaliana igny dia efa nataon’Andriamagnitra ho Tômpo sy Kristy.
Ireo ôlona telo arivo voalôhany niova fo
37 Nahavaky fo ny ôlona ny toritenin’i Petera ka nampatonga anjareo nagnontany ananjy sy ny Apostoly namany hoe: Ino ma no tokony hataonay, raôlona?
38 Dia hozy Petera namaly: Ovao ny toe-tsaignanareo dia ialao ny toetra ratsy ary alay samby hatao batisa amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy ianareo mbô ho voasarogna ny fahotanareo. Ary handray ny fagnamezana ianareo dia ny Fagnahy Masina izany. 39 Ny teny fampagnantegnana mbôka dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ny ôlona dahôlo avy alavitra, na iza na iza antsovin’NY TÔMPO Andriamagnitsika hagnatogna Ananjy. 40 Betsaka ny teny nagnanarany sy nampaherezany anjareo nagnano hoe: Avoty ho afaka amin’ity taranaka mibirioka amin’ny làlana diso ity ny vatantegnanareo. 41 Izay nagnaiky nandray ny teniny dia natao batisa. Tamin’io andro io, nisy ôlona tokotokony ho telo arivo takeo no nagnampy isa anjareo mpino.
Ny fiangonana kristiana voalôhany
42 Ary zareo dia nahatôzo nagnaraka ny fampianaran’ny Apostoly sy ny firaisam-po sy ny ramarama ary ny vavaka. 43 Nagnano raha mahagaga sy asa goavana be ny Apostoly ka ambory dahôlo ny ôlona takeo. 44 Dia niray saigna dahôlo zareo mpino ka nitambaranjareo ny fanagnanjareo dahôlo. 45 Namidinjareo ny taninjareo sy ny fanagnanjareo ka norasainy taminjareo dahôlo araka izay nilain’ny ôlona tsirairaika. 46 Ary dia niray saigna foagna zareo isan’andro isan’andro ka nahatôzo nankaigny amin’ny Tempoly ary niara-niramarama tan-dragno ka niara-nihinan-kanina tamin-kafaliana sy ny fahatsoram-po. 47 Nidera an’Andriamagnitra sady mamy hoditra tamin’ny vahoaka zareo dahôlo. Ary isanandro, ny Tômpo dia nampitombo ny ôlona novonjena nagnampy isa ny Fiangonana.