Ny fahitan’i Kornelio
10
Nisy lehilahy iraika antsovina hoe Kornelio, ôlona nipetraka taigny Kaisaria. Kapiteny takao amin’ny andian-tafika romana avy aigny Italia izy. 2 Zareo mianakavy dia ôlona tia fivavahana sady matahotra an’Andriamagnitra. Magnano asa soa isan-karazagny sy magnampy ny ôlona sahirana ary nivavaka amin’Andriamagnitra foagnany izy. 3 Indray andro, tokotokony tamin’ny telo atoandro takeo, dia nahita fahitana mibaribary izy. Ary nisy anjelin’Andriamagnitra niditra tan-dragnony izay nitarea taminanjy hoe: Ô Kornelio! 4 Nibanjina an’ilay anjely i Kornelio sady natahotra ka hozy: Ô Tômpo! Misy ino angaha? Dia hozy ilay anjely taminanjy: Tsy magnadino anao Andriamagnitra satria efa tafiakatra akeo agnatrehany ny vavaka nataonao sy ny fagnampianao ny ôlona sahirana. 5 Amin’izao dia magniraha ôlona hankaigny Jopa hialaka an’i Simona, izay antsovina koa hoe Petera. 6 Mipetraka amin’i Simona, ilay mpikirakira hoditra biby izy; aigny amoron-dranomasina ny tragnony. 7 Rehefa lasana ilay anjely nitarea tamin’i Kornelio, dia nagnantso roalahy tamin’ny gaognany sy miaramila iraika tia fivavahana mpagnaraka ananjy izy. 8 Dia notantarainy taminjareo ny raha dahôlo nitranga takeo ary dia nasainy nankaigny Jopa izy.Ny fahitan’i Petera
9 Kiakan’igny, zareo mbôla tan-dalana ary efa nagnakaiky an’i Jopa, dia niakatra tan-tafon-tragno i Petera mbô hivavaka. Tokotokony ho tamin’ny roambin’ny folo atoandro tamin’izany. 10 Refogna izy ka te hihinankanina. Nandritra ny fikarakarana ny ahaniny, dia nahita raha hafahafa indray izy: 11 Hitany ny lagnitra nisokatra ary nisy raha sahala amin’ny lamba mivelatra gedabe nifangôhana tamin’ny zorony efatra, nampidignina avy aigny an-danitra ary napetraka tambonin’ny tany. 12 Ary takao agnatiny dia nisy karazagna vorogna sy biby isan-karazagny: Biby mandeha tongotra efatra, biby mandady sy mikisaka. 13 Dia nisy feo nitarea taminanjy hoe: Ô Petera! Mitsangàna! Vonoy dia hohano! 14 Hozy Petera: Ô Tômpo! Sagnatria! Mbôla tsy ary nihinana raha fady na raha maloto izany izaho! 15 Dia nitarea fagnindroany taminanjy indray ilay feo: Aza ataonao ho raha fady izay raha efa nodiovin’ Andriamagnitra. 16 Izany raha izany dia niboagna taminanjy intelo nisesy ary avy takeo dia nakarina tan-dagnitra.
17 Sanganehana i Petera ny amin’ny dikan’ilay raha hitany. Tamin’izay dia tonga tam-bavahadin’ny tragnon’i Simona ireo ôlona nasain’i Kornelio. 18 Dia nagnantso zareo sady nagnontany hoe: Akao angaha i Simona no mipetraka, ilay antsovina koa hoe Petera? 19 Raha mbôla tam-pieritreretana ny dikan’ilay raha hitany i Petera, dia nitarea taminanjy ny Fagnahy hoe: Misy ôlona telo mikaraka anao akao. 20 Midigna malady dia mandehàna. Aza mihagnahagna, tonga dia mandehana miaraka aminjareo fa Izaho no nagniraka anjareo hialaka anao. 21 Dia nidigna i Petera ka nagnatona anjareo, dia hozy: Izaho ilay ôlona tadiavinareo. Agnino atỳ ma ianareo? 22 Dia hozy zareo: Kapiteny Kornelio no nagnasa anay. Izy dia lehilahy tia ny marina sady matahotra an’Andriamagnitra, mamy hoditra amin’ny Jiosy dahôlo. Nisy anjely masina no nitarea taminanjy hialaka anao hakaigny an-tragnony ary hitaino izay raha taravinao izy. 23 Dia nampandrosoan’i Petera tan-dragno zareo ka nandry takao.
Kiakan’igny, dia lasana nandeha niaraka taminjareo Petera, dia nisy rahalahy vitsivitsy takao Jopa tafaraka taminjareo. 24 Afaka amaraignan’igny dia tonga taigny Kaisaria izy. Efa nandigny anjareo takao i Kornelio, ary nagnantso an’ireo havany sy namany akaiky andeha an-dragnony akao izy. 25 Rehefa niditra tan-dragno i Petera, dia nitseza ananjy i Kornelio ary niankohotra tan-tongony ho mariky ny fagnajana ananjy. 26 Ary nampitsanganin’i Petera izy sady hozy: Mitsangàna! Fa ôlombelona mitovy aminao foagna izaho! 27 Dia niresadresaka taminanjy i Petera sady niditra tan-dragno ka nahita ny ôlona betsaka be nivory takao izy. 28 Dia hozy taminjareo: Fantatrareo fa fady amin’ny Jiosy ny mifandray amin’ny Jentilisa, na ny mitsofoka an-dragnonjareo. Nefa naboagnan’Andriamagnitra taminahy fa tsisy ôlona atao hoe fady izany na maloto. 29 Araka izany, tsy nandà izaho raha nampagnantsovinareo fa tonga avy hatraigny. Mbô tiako ho fantatra edy: Ino ma no antony nagnantsovanareo anahy? 30 Dia hozy Kornelio: Telo andro lasana izay, tokotokony tamin’ny telo atoandro takeo dia nivavaka tan-dragnoko izaho, tampoka takeo dia nisy lehilahy nitsangana nagnano akanjo mamirapiratra tagnoloanako, 31 ka nitarea taminanjy hoe: Ô Kornelio! Regnin’Andriamagnitra ny vavakao ary tsarovany ny asa soa isan-karazany sy ny fagnampianao ny ôlona sahirana nataonao. 32 Mandefasà àry ôlona ho aigny Jopa hialaka an’i Simona, izay antsovina koa hoe Petera. Mipetraka amin’i Simona, ilay mpikirakira hoditra biby izy; aigny amoron-dranomasina ny tragnony. 33 Tonga dia nagnasa ôlona iraika izaho ho aigny aminao, ka tegna nanjary ny nahatongavanao atỳ aminay. Amin’izao, izahay dahôlo dia efa aketo agnatrehan’Andriamagnitra, mbô hitaino ny hafatra nampairan’ny Tômpo anao.
Ny toritenin’i Petera
34 Dia nandray fitenenana i Petera: Azoko tsara izao, fa tsy mbô magnavakavaka Andriamagnitra, 35 fa ankasitrahany dahôlo ny ôlona izay matahotra Ananjy sy magnano ny marina na avy aiza na avy aiza ny fiaviany. 36 Fantatrareo ny hafatra nampairan’Andriamagnitra ho an’ny vahoakan’ny Israely, dia ny Tarea Maharavo milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izy no Tômpon’ny raha dahôlo. 37 Ianareo mahafantatra tsara izay raha niseho tamin’ny faritr’i Jodia, niantena ta-Galilia, tafaran’ny batisa izay nitorin’i Jaona: 38 Andriamagnitra nagnosotra an’i Jesoa avy aigny Nazareta tamin’ny Fagnahy Masina sy ny heriny. I Jesoa io dia nitety tany nagnano soa sy nagnasitrana ôlona dahôlo nigodagnin’ny devoly, satria nomba Ananjy Andriamagnitra. 39 Izahay dia vavolombelona tamin’ny raha dahôlo nataony taigny amin’ny firenena Jiosy sy ta-Jerosalema. Nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana no fomba namononjareo Ananjy, 40 kanefa natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo Izy, ka nasehon’Andriamagnitra mibaribary, 41 tsy tamin’ny ôlona dahôlo anefa fa tamina vavolombelona efa notendren’Andriamagnitra, fa taminay izay niaraka nihinana sy nisotro taminanjy tafaran’ny nitsanganany tamin’ny maty. 42 Izy dia nibaiko anay mbô hitory amin’ny ôlona sy ho vavolombelona fa Izy no voatendrin’Andriamagnitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Ny mpagnazary dahôlo dia samby nagnambara ny momba Ananjy fa izay ôlona dahôlo mino Ananjy dia mahazo famelan-keloka avy amin’ny Agnarany.
Mandray ny Fagnahy Masina ny Jentilisa
44 Raha mbôla nitarea an’izany teny izany i Petera, dia nilatsaka ny Fagnahy Masina tamin’ny ôlona dahôlo izay naharegny an’izany. 45 Gaga be ireo Jiosy mpino an’i Jesoa tafiaraka tamin’i Petera satria narotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny Fagnahy Masina izay namen’Andriamagnitra. 46 Fa regninjareo nitarea tamin’ny fiteny maro isan-karazagny sady nankalaza an’Andriamagnitra ireo Jentilisa nanjary mpino. Dia hozy Petera taminjareo: 47 Ô raôlona! Azo sakanana tsy hatao batisa amin’ny rano ma ireto ôlona ireto? Kanefa zareo ireo efa nandray ny Fagnahy Masina sahala amintsika koa. 48 Ary nobaikony mbô hatao batisa amin’ny Agnaran’i Jesoa Kristy zareo dahôlo. Dia nangatahinjareo mbô hanangana andro vitsivitsy akeo aminjareo.