Manamarina ny tegnany aigny Jerosalema i Petera
11
Regnin’ny Apostoly sy ny rahalahy taigny Jodia fa nandray ny tenin’Andriamagnitra ihany koa ny Jentilisa. 2 Rehefa tafaverigna ta-Jerosalema i Petera, dia nila vaniny taminanjy ireo Jiosy mpino an’i Jesoa, 3 ka hozy zareo: Nitsofoka tan-dragnon’ny Jentilisa ianao sady niaraka nihinan-kanina taminjareo!4 Dia notantarain’i Petera taminjareo hatraigny am-boalôhany ny raha nitranga, ka hozy:
5 Tamin’ny izaho taigny Jopa, raha mbôla nivavaka igny dia nahita raha hafahafa. Nisy raha nidigna avy tan-dagnitra sahala amin’ny lamba mivelatra geda nifangôhana tamin’ny zorony efatra, nampidignina avy tan-dagnitra ka napetraka takaikiko takeo. 6 Rehefa nodinihako tsara izany, dia hitako ireo biby isan-karazany mandeha tongotra efatra, bibidia, biby mikisaka amin’ny tany ary vorogna magnembana. 7 Dia regniko koa ny feo nitarea taminahy hoe: Ô Petera! Mitsangàna! Vonoy ka hohano! 8 Ary hozy izaho: Ô Tômpo! Sagnatria! Mbôla tsy ary nihinana raha fady na raha maloto izany izaho! 9 Dia mbôla nitarea fagnindroany indray ilay feo avy tan-danitra nagnano hoe: Aza ataonao ho raha fady izay raha efa nodiovin’ Andriamagnitra.
10 Niboagna taminanjy intelo nisesy izany ary avy takeo dia nakarina tan-dagnitra ilay raha. 11 Tamin’izany fotoana izany dia nisy ôlona telo voairaka avy a-Kaisaria tonga takao amin’ilay tragno nipetrahanay. 12 Ny Fagnahy nitarea taminahy mbô tsy hisalasala ny handeha hiaraka aminjareo. Nisy rahalahy enina koa niaraka taminay ka niditra tan-dragnon’i Kornelio izahay. 13 Dia notantarainy taminay ny nahitany anjely nitsangana tan-dragnony sady nitarea hoe: Mandefasà àry ôlona ho aigny Jopa hialaka an’i Simona, izay antsovina koa hoe Petera; 14 izy no hitondra ny hafatra izay hamonjena anao sy ny fianakavianao. 15 Izaho mbôla nitarea igny, dia nilatsaka taminjareo dahôlo ny Fagnahy Masina sahala ny tamin’ilay nilatsahany voalôhany tamintsika koa. 16 Dia tsarôvako ny tenin’ny Tômpo hoe: I Jaona dia nagnano batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fagnahy Masina. 17 Andriamagnitra àry nagname anjareo ny fagnamezana sahala amin’ny nagnamezana antsika izay nino an’i Jesoa Kristy Tômpo koa, dia iza ma izaho no hanakana an’Andriamagnitra amin’ny raha ataony?
18 Rehefa naharegny an’izany zareo, dia nitogny ary nagname voninahitra an’Andriamagnitra ka nitarea hoe: Efa namen’Andriamagnitra ny Jentilisa koa ny fiovan’ny toe-tsaigna sy ny fialàna amin’ny toetra ratsy mbô hahazoanjareo fiaignana.
Ny fiangonana taigny Antiokia
19 Ireo mpino izay niparitaka noho ny fagnenjehana tafaran’ny fahafatesan’i Stefana dia tonga hatraigny Foinika sy Sipra ary Antiokia, nefa tsy nitory ny tenin’Andriamagnitra zareo afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. 20 Kanefa nisy lehilahy tonga avy a-Sipra sy avy a-Sirena izay tonga taigny Antiokia, niresaka tamin’ny Jiosy miteny grika, ary nagnambara ny Tarea Maharavo mikasika an’i Jesoa Tômpo taminjareo. 21 Nampiseho ny heriny ny Tômpo tamin’ny fombàny anjareo ka betsaka ny ôlona no nino sy niverigna Taminanjy.
22 Tonga tam-pototsofign’ny Fiangonana ta-Jerosalema izany vaovao izany, ka nasainjareo nankaigny Antiokia i Barnabasy. 23 Rehefa tonga taigny izy dia hitany ny fahasoavan’Andriamagnitra ka faly be izy, ary nampahereziny zareo mbô hahatôzo amin’ny fagnarahana ny Tômpo amin’ny fo iray manontolo. 24 Tegna ôlombelona raha i Barnabasy sady feno ny Fagnahy Masina sy finoana, ka nihabetsaka ny ôlona nagnaraka ny Tômpo.
25 Dia lasana nandeha nikaraka an’i Saoly taigny Tarsosy i Barnabasy. 26 Rehefa hitany izy, dia nindesiny nankaigny Antiokia. Nandritry ny herintaona ngarangindigna dia nijanona takao amin’io Fiangonana io zareo roa lahy ary nampianatra ôlona betsaka. Taigny Antiokia no nagnantsovana voalôhany ny mpianatra hoe Kristiana.
Fifagnampian’ny mpino
27 Tamin’izany fotoana izany, dia nisy mpagnazary avy ta-Jerosalema tonga taigny Antiokia. 28 Nisy iraika taminjareo, izay antsovina hoe Agabo, dia nitarihan’ny Fagnahy Masina ka nitsangana ary nagnambara fa hisy silaona be magnerana ny tany dahôlo. Dia nisy tokoatrany io silaona io tamin’ny andro nanjakan’i Klaodio. 29 Ary nanapa-kevitra ny hagname raha araka izay vitany avy ny mpino aigny Antiokia mbô hagnampiana ny mpino aigny Jodia. 30 Nataonjareo izany raha izany ka nampitondrainjareo an’i Barnabasy sy i Saoly ny fagnampiana mbô hamena ny lohôlona aigny Jerosalema.