Ny namonoana an’i Jakoba sy ny nanagadraina an’i Petera
12
Tamin’izany fotoana izany, dia nampijaly mafy ny mpino sasantsasany takao amin’ny fiangonana i Heroda mpanjaka. 2 Novonoiny tamin’ny boriziny i Jakoba rahalahin’i Jaona; 3 rehefa fantany fa faly tamin’izany ny Jiosy, dia nosamboriny koa Petera. Nandritry ny fetin’ny mofo tsisy lalivaina mbôka izany. 4 Rehefa voasambotra izy, dia nogadrainy. Ary nambesana miaramila toko efatra izay misy miaramila efatra isan-tokony avy. Naminavina mbôka i Heroda fa indesina amin’ny fitsaram-bahoaka izy afaran’ny Paska. 5 Voatana tam-pigadrana i Petera, fa ny Fiangonana kosa dia nivavaka tsy an-kijanona tamin’Andriamagnitra ho ananjy.Nafahana i Petera
6 Ny alina talohan’ny hitondran’i Heroda ananjy aigny amin’ny fitsarana, i Petera dia natory tagnelagnelana miaramila roay. Norohizana tamin’ny rojo vy roay izy, ary nisy mpiambina tam-baravaran’ny tragno figadrana. 7 Dia nisy anjelin’ny Tômpo niboagna takeo, ary namirapiratry ny hazavana tan-dragno figadrana takao. Nokitihin’ilay anjely takeo amin’ny andilany i Petera, dia nofohaziny ka hozy: Ô Petera! Mitsangàna malady! Avy dia niala hoazy tamin’ny tagnany ny rojo vy. 8 Hozy ilay anjely taminanjy: Asarogny ny akanjonao dia agnaovy ny kapa. Dia nataon’i Petera izany. Ary hozy koa ilay anjely taminanjy: Tafio ny lambanao dia magnaraha anahy. 9 Dia nivoaka ny tragno figadrana i Petera ary nagnaraka an’ilay anjely. Tsy fantatr’i Petera fa tegna misy ny raha nataon’ny anjely fa noheveriny hoe fahitana. 10 Rehefa avy nandalo ny mpiambina voalohany sy faharoa zareo, dia tonga takeo amin’ny vavahady vy mivoaka amin’ny lalana makaigny an-tanàna. Nisokatra hoazy ilay vavahady ka nivoaka namonjy ny làlana zareo. Rehefa nandeha nagnaraka an’ilay làlana zareo, tampotampoka takeo dia nanjavona ilay anjely.
11 Tonga saigna i Petera ka hozy: Fantatro tsara izao fa nagniraka ny anjeliny ny Tômpo, ka nagnafaka anahy takeo an-tanan’i Heroda sy tamin’ny raha dahôlo nandrasan’ny vahoaka jiosy. 12 Rehefa azon’i Petera tsara ny fandehan-draha, dia lasa izy nankaigny an-dragnon’i Maria, regnin’i Jaona nantsovina hoe Marka, ary nisy ôlona betsaka takao nivory sy nivavaka. 13 Rehefa nipopoka varavarana i Petera dia nagnatona hitaino ilay gaombavy nantsovina hoe Roda. 14 Tonga dia fantany ny feon’i Petera, ary tegna faly be izy, tsy nosokafany ny varavarana fa lasana indray izy nihazakazaka nilaza tamin’ny ôlona tan-dragno ka hozy: Akao am-baravarana akao i Petera! 15 Fa hozy zareo taminanjy: Kara adala ianao! Kanefa mbôla nanitrikitrika foagna i Roda fa tegna izy izany. Dia hozy indray zareo: Anjeliny izany! 16 Fa mbôla nipopoka foagna i Petera. Rehefa nosokafanjareo ny varavarana dia tolagaga zareo nahita ananjy. 17 Nagnano baiko tagnana izy mbô hampangina anjareo, dia notantarainy ny fomba namoahan’ny Tômpo ananjy takao am-pigadrana. Dia hozy: Taravo amin’i Jakoba sy amin’ireo rahalahy izany! Dia niala takeo i Petera ka nandeha nankaigny amin’ny toerana hafa.
18 Rehefa keaka ny andro, dia taitra sy tora-kovitra ireo miaramila mpiambina ka nagnano hoe: Nankaiza ary i Petera? 19 Nasain’i Heroda nokarahana mafy izy, kanefa tsy hitanjareo mihitsy. Dia natao fanadihadiana ireo mpiambina ary nagname baiko Heroda mbô hovonoina zareo. Avy akeo dia niala takao Jodia izy ka nankaigny Kesaria ary nipetraka kely takao.
Ny nahafatesan’i Heroda Agripa mpanjaka
20 Nisy fifandirana tamin’i Heroda sy tamin’ny ôlona taigny Tiro sy Sidona. Zareo kosa anefa niray lôha nagnatogna ananjy. Nangataka hagnano raharaham-pihavanana tamin’i Heroda zareo rehefa nandresy lahatra an’i Blasto mpikarakara ny tragno fandrianan’ny mpanjaka hagnampy ananjy amin’izany raha izany. Ny tanin’ny mpanjaka mbôka no mamatsy an’io faritr’i Tiro sy Sidona io. 21 Tamin’ny andro voatondro ho amin’izany, dia nisarogna akanjo maha mpanjaka ananjy i Heroda ary niantotra takeo amin’ny seza fiandrianana dia nikabary tamin’ny vahoaka. 22 Dia hozy ny vahoaka: Tsy mbô feon’ôlombelona izany fa feon’Andriamagnitra! 23 Takeo no akeo, ny anjelin’ny Tômpo nitaroka an’i Heroda, satria tsy nagname voninahitra an’Andriamagnitra izy; dia maty nohanin’ny kankana.