Nalefa ho misionera i Barnabasy sy i Saoly
13
Takao amin’ny Fiangonana ta-Antiokia dia nisy mpagnazary sy mpampianatra maro: i Barnabasy, i Simeona izay antsovina hoe Lemainty, i Losio avy aigny Kirena, i Menahema ilay namana tegna ankaiky an’i Heroda mpanapaka ary i Saoly. 2 Rehefa nagnao fagnompoam-pivavahana ho an’ny Tômpo sady nifady hanina zareo, dia hozy ny Fagnahy Masina: Atokàny ho Anahy i Barnabasy sy i Saoly mbô hagnano ny asa izay nagnantsovako anjareo. 3 Rehefa avy nifady hanina sy nivavaka zareo, dia nitsondrano an’i Barnabasy sy i Saoly ka nandefa anjareo.
I Barnabasy sy i Saoly taigny Sipra
4 Nirahin’ny Fagnahy Masina izy roalahy dia nidigna nankaigny Seleokia ary nitikina sambo ho aigny amin’ny nosy Sipra. 5 Rehefa tonga takao Salamisy zareo, dia nitory ny tenin’Andriamagnitra takao amin’ny sinagôgan’ny Jiosy. Nindesiny hagnampy anjareo koa i Jaona.
6 Rehefa avy nandeha namakivaky ny nosy hatraigny Pafo zareo roalahy, dia nahita Jiosy raika antsovina hoe Barjesoa izay mpimasy sady mpagnazary sandoka. 7 Izy dia ôlona ankaikin’i Sergio Paolo, governeran’i Sipra izay lehilahy marangin-tsaigna. Nampagnantso an’i Barnabasy sy i Saoly ilay governera satria te haregny ny tenin’Andriamagnitra izy. 8 Fa i Elimà mpimasy, agnarany koa izany, dia nanohitra anjareo sy nitady hevitra hanakanana ny governera tsy hino. 9 Fa i Saoly antsovina hoe Paoly, dia feno Fagnahy Masina ka nivandravandrany i Elimà 10 dia nitaraviny hoe: Ianao dia foatin-dainga mihitsy sady mpametsifetsy! Tena zanaky ny devoly mihitsy anao ity! Ianao dia fahavalon’ny fahamarinana dahôlo! Oviana ma ianao ity vao hijanona tsy hampibirioka ny lala-mahitsin’ny Tômpo? 11 Ianao io izao dia ho ataon’ny Tômpo hoazon-draha! Ho jamba ianao anatin’ny fotoana maro ka tsy hahita masoandro. Tonga dia nisy zavona sy aizim-pito nandrakotra ny masony ka niraparapa izy nikaraka ôlona hitantana ananjy. 12 Rehefa hitan’ilay governera izany raha nitranga izany, dia nino izy sady gaga tamin’ny fampianaran’ny Tômpo.
Ny fanambarana nataon’i Paoly taigny Antiokia akaigny Pisidia
13 Nitikina sambo avy ta-Pafo nandeha ta-Perga aigny Pamfilia ery Paoly sy ny iray dia aminanjy. Taigny i Jaona no nisaraka taminjareo dia niverigna ta-Jerosalema. 14 Avy ta-Perga zareo dia nanohy ny lalanjareo ka tonga ta-Antiokia aigny Pisidia. Tamin’ny andro sabata, niditra takao amin’ny sinagôga zareo dia nientotra. 15 Tafaran’ny famakiana ny Lalàna sy ny Mpagnazary, nampilaza taminjareo ny lehiben’ny sinagôga dia nitarea hoe: O raôlona! Raha ohatra ka managna teny fampaherezana ho an’ny vahoaka ianareo dia mitarava.
16 Dia nitsangana i Paoly dia nagnano baiko tagnana hampangina ny ôlona ka hozy: O ianareo lehilahy Israelita sy ianareo izay matahotra an’Andriamagnitra! Tainòa izaho! 17 Ny Andriamagnitr’Israely no nifidy ny razambeantsika. Nampitombo ny isan’ny ôlona Izy nandritran’ny nivahiniananjareo taigny Ejipta, ary tamin’ny fahefana lehibe no nitondrany anjareo niala avy taigny. 18 Efapolo taona no nandeferany taminjareo taigny ankodahoda; 19 ary firenena fito no resiny taigny Kanana ka nameny ho lovan’ny vahoakany izany tany izany. 20 Nandritran’ny dimampolo sy efajato taona no nisehoan’ny izany raha dahôlo izany. Tafaran’izany, dia nomen’Andriamagnitra mpitsara zareo, mandra-pahatongan’ny andron’i Samoela mpagnazary. 21 Tafaran’izany, dia nangataka mpanjaka zareo ka nitendren’Andriamagnitra hanjaka aminjareo nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy, avy amin’ny taranak’i Benjamina. 22 Rehefa naongan’Andriamagnitra tsy ho mpanjaka intsony i Saoly, dia notendreny hisolo ananjy i Davida, ilay nambarany fa: “Hitako i Davida, zanak’i Jese; lehilahy azoko antoka izy ary hagnano ny sitrapoko dahôlo.” 23 Ary avy amin’ny taranany no nampagnantenain’Andriamagnitra ny Mpamonjy ho an’ny Israely, dia Jesoa. 24 Talohan’ny nahatongavan’i Jesoa, dia nitorin’i Jaona tamin’ny vahoakan’ny Israely dahôlo ny batisan’ny fiovan’ny toe-tsaigna sy fialana amin’ny ratsy. 25 Ary rehefa ankaiky ho vita ny asan’ny Jaona, dia hozy: Anareo ma izany mihevitra anahy ho iza? Tsy izaho no Izy. Ilay avy avy afarako akao ny Izy, ary tsy fanaoka anahy na dia ny hamaha ny tadin-kirarony aza.
26 O raôlona! O ianareo taranak’i Abrahama sy ianareo izay matahotra an’Andriamagnitra! Atsika no nandefasana hafatra hamonjena antsika. 27 Tsy nahafantatra an’i Jesoa ny ôlona nipetraka ta-Jerosalema sy ireo mpitondra anjareo. Ary tsy nahazo onogna ny tenin’ny mpagnazary izay vakina isaky ny Sabata zareo, notanterahinjareo anefa ny teny novakinjareo tamin’ny nagnamelohana Ananjy. 28 Ary na dia tsy nahita antony hagnamelohana ho foaty Ananjy aza zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ihany zareo mbô hovonoina Izy. 29 Rehefa avy nahatanteraka ny raha dahôlo voasoratra mikasika Ananjy zareo, dia nampidinina takeo amin’ny kakazo fijaliana Izy ary nalevigna tam-pasana. 30 Kanefa Andriamagnitra nanangana Ananjy tamin’ny maty. 31 Tagnatin’ny andro maromaro dia niseho tamin’ireo niara-niakatra Taminanjy avy ta-Galilia ho aigny Jerosalema Izy, ka ireo amin’izao no vavolombelony akeo amason’ôlona.
32 Ary izahay dia mitory ity Tarea Maharavo ity aminareo: Ny fampanantenana nataony tamin’ireo razantsika 33 dia notanterahin’Andriamagnitra tamintsika taragnany amin’izao, tamin’ny nananganany an’i Jesoa tamin’ny maty. Araka ny voasoratra akao amin’ny Salamo faharoa hoe:
“Zanako lahy Ianao,
Manomboka igniany dia Izaho no niteraka Anao” (Sal 2.7).
34 Nanangana Ananjy tamin’ny maty mbôka Andriamagnitra ary tsy hiverina hiraraka intsony, araka ny voasoratra hoe:
“Hameko anareo ny fitahiana masina sy azo antoka izay
nampanantenako an’i Davida” (Isa 55.3).
35 Hozy koa akao amin’ny Salamo hafa:
“Tsy havelanao ho raraka Ilay Masinao” (Sal 16.10).
36 Rehefa nahatanteraka ny planin’Andriamagnitra tamin’ny ôlona niara niaina taminanjy i Davida, dia maty ka nalevina tam-pasandrazany ka raraka ny nofony. 37 Kanefa Jesoa, natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty ka tsy niraraka.
38 Tokony ho fantatrareo raôlona, fa amin’ny alalan’ny izany lehilahy izany no nitoriana taminareo ny famelan-keloka. 39 Amin’ny alalany koa no agnamarinana ôlona dahôlo mino ho afaka amin’ny fagnamelohana dahôlo izay tsy efan’ny lalanan’i Mosesy. 40 Mitandrema anareo sandray hahavoa anareo ity raha taravin’ny mpagnazary ity:
41 “Mijereva anareo mpanafokafoka,
dia magnanaova gaga ka manjavògna;
Fa Izaho dia hahatanteraka asa amin’ny andronareo,
dia asa izay tsy ho hinoanareo avy na dia hisy hitarea aminareo avy” (Hab 1.5).
42 Rehefa nivoaka ny sinagôga i Paoly sy i Barnabasy, niangavian’ny ôlona zareo mbô hamerigna hitarea an’izany raha izany indray amin’ny Sabata manaraka. 43 Rehefa nirava ny fivoriana, dia betsaka tamin’ny Jiosy sy ny ôlona nanaraka ny fivavahana Jiosy nanompo an’Andriamagnitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy. Ary zareo roalahy dia niresaka taminjareo ka nampirisika anjareo mbô hahatôzo amin’ny fahasoavan’Andriamagnitra.
Paoly sy Barnabasy mitodika aigny amin’ny Jentilisa
44 Ny sabata tafaran’io, dia tafavory ny ankamaroan’ny ôlona tan-tanàna mbô hitaino ny tenin’Andriamagnitra. 45 Rehefa nahita an’ireo ôlona betsaka be ireo ny Jiosy dia velom-pialognana, ka nanohitra ny tarean’i Paoly sady nagnafokafoka.
46 Dia nitarea tamin’ny fahasahiana taminjareo i Paoly sy Barnabasy hoe: Tsy maintsy ianareo malôha no nitoriana ny tenin’Andriamagnitra. Kanefa nolavinareo izany fa ianareo indray mihevitra ny tegnanareo ho tsy mendrika ny fiaignana mandrakizay. Araka izany, dia handeha hitodika aigny amin’ny jentilisa izahay. 47 Izao mbôka ny baiko namen’ny Tômpo anay:
“Notendreko ho fanazavana ny Jentilisa ianao,
mbô hitondra ny famonjena hatraigny amin’ny faran’ny tany!” (Isa 49.6).
48 Rehefa naharegny an’izany ireo Jentilisa dia tegna faly ka nagname voninahitra ny tarean’ny Tômpo; ary izay ôlona dahôlo nosafidin’Andriamagnitra hanagna ny fiaignana mandrakizay dia nino.
49 Dia niparitaka erak’izany faritra izany ny tarean’ny Tômpo. 50 Nodrokidrokin’ireo Jiosy anefa ireo vehivavy tia fivavahana sy ireo ôlona geda takao an-tanàna. Vokatr’izany dia voahenjika i Paoly sy Barnabasy ka noroasinjareo hiala ny faritra. 51 Ary nagnintsagna ny vovoka tamin’ny tongony zareo roalahy mbô hiampangana an’ireo ôlona tan-tanàna ireo, dia lasana zareo nankaigny Ikonioma. 52 Dia tegna faly sady feno ny Fagnahy Masina ny mpianatra.