Paoly sy Barnabasy taigny Ikinioma
14
Sahala ny raha nisy taigny Antiokia ny raha nitranga taigny Ikonioma: Rehefa tonga taigny i Paoly sy Barnabasy, dia niditra nitory ny teny takao amin’ny sinagoga zareo, ary betsaka ny Jiosy sy ny jentilisa nino. 2 Kanefa ireo Jiosy izay tsy nino dia nanaitra ny jentilisa ka nagname lôha ratsy anjareo mbô tsy ho tia an’ireo ôlona nino. 3 Ary nanangana elaela takao zareo, dia nitory tamin’ny fahasahiana avy amin’ny Tômpo. Nagnamarina ny hafatra momba ny fahasoavana Izy ary nampagnano ananjy roalahy marika hamantarana sy raha mahagaga. 4 Dia nizarazara ny ôlona tan-tanàna: Ny sanagny nomba ny Jiosy, fa ny sanagny kosa nomba ny Apostoly. 5 Dia niray lôha hagnano ratsy sy hitora-bato anjareo ny Jentilisa sy ny Jiosy mbaraky ny lehibenjareo, 6 kanefa fantanjareo izany, dia nilefa ta-Listra sy Derbe ary ny tanàna manodidina taigny amin’ny faritra Likaonia zareo, 7 dia mbôla nanohy nitory ny Tarea Maharavo taigny.Taigny Lystra sy Derbe
8 Ta-Listra dia nisy lehilahy iraika nalemy tongotra hatraigny an-kibon-dreniny. Izy io dia tsy ary nandeha mihitsy. 9 Niantotra izy sady nitaino ny toritenin’i Paoly, ary nodinihin’i Paoly tsara izy dia hitany fa nanam-pinoana ho sitragna. 10 Dia hozy Paoly tamin’ny feo mafy: Mitsangàna! Dia nitsambikimbikina ilay lehilahy ary afaka nandeha. 11 Rehefa hitan’ny ôlona izany raha nataon’i Paoly izany, dia nihorakoraka zareo sady nitarea tamin’ny fiteny likaoniana hoe: Ô raoy! Nialaka endrik’ôlona zareo andriamagnitra dia nidigna amintsika atỳ. 12 Dia nantsovinjareo hoe Jopitera i Barnabasy ary Merkory i Paoly satria izy no mpitondra teny. 13 Akeo am-pidirana ny tanàna, ny mpisorogn’i Jopitera, dia nitondra aombilahy nampihaingoina voninkazo. Izy sy ny ôlona mbôka dia nanam-pikasana hagnano sorogna ho anjareo roalahy.
14 Rehefa naharegny an’izany ireo Apostoly, i Barnabasy sy Paoly, dia nandrovitra ny akanjony sady nihazakazaka tagnivon’ôlona sady nilelalela hoe: 15 Ô raôlona! Ino ma ity raha ataonareo ity? Tsy andriamagnitra izahay fa ôlona sahala aminareo foagnany! Mitory ny Tarea Maharavo aminareo izahay mbô hialanareo amin’izao raha tsisy dikany izao ka hagnatonanareo an’Andriamagnitra velona, Izay nahary ny lagnitra sy ny tany ary ny ranomasina mbarak’izay raha dahôlo akao agnatiny. 16 Tamin’ny andro talôha, dia navelany nandeha amin’izay làlana tiany hombana ny firenena dahôlo. 17 Na dia izany aza, tsy navelan’Andriamagnitra tsy hanagna vavolombelona Izy; magnano soa mbôka Izy ka mandatsaka orana avy aigny an-dagnitra ho anareo sady magname taona zina ka mahavoky anareo amin’ny hanina sy mahampoka hafaliana ny fonareo. 18 Na dia nitarea an’izany aza izy, dia tsy nahasakana ny ôlona tsy hagnano fagnatitra ho anjareo.
19 Tamin’izany fotoana izany, dia nisy Jiosy tonga avy taigny Antiokia sy Ikonioma, izay nandrokidroky ny ôlona ary nitora-bato an’i Paoly, ka nitaritaritinjareo ho aigny ambelan’ny tanàna izy satria noheveriny fa maty. 20 Rehefa nitangorona taminanjy ny mpianatra dia nitsangana izy ka niakatra tan-tanàna. Kiakan’igny dia niala ta-Listra izy ka nankaigny Derbe.
Ny fiveregnana taigny Antiokia aigny Pisidia
21 Dia nitory ny Tarea Maharavo tamin’izany tanàna izany zareo ary nahazo mpianatra betsaka. Niverigna nankaigny Listra sy Ikonioma ary Antiokia indray zareo, 22 ary nampahery ny mpianatra ka nananatra anjareo mbô hahatôzo amin’ny finoana, ka nitarea hoe: Tsy maintsy mandalo fijaliana isan-karazany atsika mbô hidirantsika amin’ny fanjakan’Andriamagnitra. 23 Dia nanendry zokiolona isam-piangonana zareo. Rehefa nivavaka sy nifady hanina ny Apostoly dia nagnolotra ny zokiolona tamin’ny Tômpo Izay efa ninoanjareo.
24 Rehefa avy namakivaky an’i Pisidia zareo, dia tonga ta-Pamfilia. 25 Ary rehefa avy nitory ny teny ta-Perga zareo, dia nidigna nankaigny Atalia. 26 Dia nitikina sambo niala takeo zareo nankaigny Antiokia. Taigny mbôka zareo no nandray ny iraka tamin’ny fahasoavan’Andriamagnitra mbô hahavitanjareo an’izao asa izao. 27 Rehefa tonga taigny zareo dia navorinjareo ny fiangonana. Dia nitantarainjareo izay raha dahôlo nataon’Andriamagnitra tamin’ny nitahiany anjareo, sy ny nanokafany ny varavaram-pinoana ho an’ny Jentilisa. 28 Dia nanangana elaela taigny niaraka tamin’ny mpianatra zareo.