Tsy fitovian-kevitra momba ny fagnanaovana hasoavana
15
Raha mbôla taigny Antiokia i Paoly sy Barbanasy dia nisy ôlona avy ta-Jodia nanomboka nampianatra ny mpino hoe: Raha tsy atao hasoavana araka ny raha nampianarin’i Mosesy ianareo, dia tsy voavonjy. 2 Nifandìtra sy niady hevitra be taminjareo Paoly sy Barnabasy. Dia nifagnaraka zareo roalahy sy ny sanagny tamin’ireo mpino fa hankaigny Jerosalema ho aigny amin’ny Apostoly sy ny lohôlona mbô hagnadina an’izany raha nampifanditra anjareo izany. 3 Nampitondra vatsy anjareo ny fiangonana dia lasana namakivaky an’i Foinika sy Samaria zareo ka nitantara fa niova fo ny Jentilisa; dia faly dahôlo ny mpino naharegny an’izany vaovao izany. 4 Rehefa tonga ta-Jerosalema zareo, dia nandray anjareo ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny lohôlona, ka nitantarainjareo izay raha dahôlo nataon’Andriamagnitra tamin’ny alalanjareo. 5 Nisy mpikambagna tamin’ny antokon’ny Fariseo izay nanjary mpino, nitsangana ka nitarea hoe: Tsy maintsy atao hasoavana sy magnaraka ny Lalànan’i Mosesy iregny.
Ny adihevitra taigny Jerosalema
6 Dia nivory ny Apostoly sy ny lohôlona mbô handinika an’izany raha izany. 7 Tafaran’ilay adihevitra, dia nitsangana i Petera ka nitarea taminjareo hoe: Ô raôlona! Efa fantatrareo letry ny ela fa Andriamagnitra efa nifidy anahy takeo aminareo, mbô hitory ny Tarea Maharavo ka handregnesan’ny Jentilisa an’izany Tarea izany sy hinoanjareo ny Tômpo. 8 Ary Andriamagnitra, Izay mahafantatra ny agnatin’ny ôlona, dia magnamarina ny tareany tamin’ny nagnomezany anjareo ny Fagnahy Masina sahala amintsika koa. 9 Tsy nataony samby hafa ny ôlona dahôlo, fa nalàny tamin’ny fonjareo ny fahotana rehefa nino zareo. 10 Magnino ma ianareo no mitsapa fagnahy an’Andriamagnitra ka mametraka zoga amin’ireo mpianatra ireo? Na ny razantsika sy atsika avy aza dia tsy nahazaka an’izany. 11 Kanefa atsika mino fa ny fahasoavan’i Jesoa Tômpo no hamonjena antsika, dia sahala amin’izany koa no hamonjena anjareo.
12 Dia nangina ny ôlona dahôlo ka nitaino an’i Barnabasy sy Paoly, izay nitantara ny marika hamantarana sy ny raha mahagaga nampanaovin’Andriamagnitra anjareo taigny amin’ny Jentilisa. 13 Rehefa tsy nitarea intsony izy roalahy, dia hozy Jakôba: Ô raôlona! Tainoa tsara ma izaho e! 14 Simeona efa nitantara tamintsika ny nitahin’Andriamagnitra letry tam-boalôhany ny Jentilisa, mbô hifidianany ôlona hitondra ny Agnarany. 15 Ny tareanjareo mpagnazary dia mifagnaraka tsara amin’izany, araka ny voasoratra magnano hoe:
16 “Afaran’izany, dia hierigna Izaho,
ka hatsangana indraika ny lasin’i Davida izay efa roba
ary hatsangako ny rava
dia hagnamboatra izay efa nirodagna koa Izaho,
17 ary ny ôlona sisa aketo ambonin’ny tany, dia hikaraka ny Tômpo,
ny Jentilisa dahôlo izay nantsovina tamin’ny agnarako, dia Anahy dahôlo,
hozy NY TÔMPO, Izay nagnano ny raha dahôlo,
18 Izy Izay nampahafantatra an’izany letry tamin’ny fahagolantany” (Amo 9.11-12).
19 Magneky izaho fa tsy tokony hampitondra entana mavesatra ho an’ny Jentilisa, izay mitodika amin’Andriamagnitra atsika. 20 Alay atsika hanoratra taratasy halefa aminjareo mbô hifadiany ny hena natao sorogna tamin’ny sampy, ny fagnanaovana halangana, ny henana biby tsy nalatsaka ra ary ny ra. 21 Letry ny ela no efa nitoriana an’iregny Lalànan’i Mosesy iregny isaky ny Sabata tamin’ny isan-tanàna sy tamin’ny sinagoga.
Fanapahan-kevitra sy taratasy ikambanana
22 Tamin’izany, ny Apostoly sy ny lohôlona mbaraky ny Fiangonana dahôlo dia nanapa-kevitra ka nisafidy solon-tegna handeha hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankaigny Antiokia: I Joda, izay antsovina hoe Barsabasy sy Silasy. Samby hinoan-teny amin’ny mpino zareo roalahy ireo. 23 Sahala amin’izao ny vakin’ilay taratasy nampairana anjareo:
Miarahaba anareo havana Jentilisa mipetraka akao Antiokia sy Siria ary Kilikia amin’ny alalan’ity taratasy ity izahay rahalahinareo sy ny Apostoly ary ny lohôlona. 24 Regninay mbôka fa misy ôlona avy atỳ aminay magnano fampianarana mampikorontan-tsaigna sy mampitebiteby anareo, kanefa tsy fahefana avy aminay no nagnanaovanjareo an’izany. 25 Araka izany, dia hitanay fa nanjary ary teny hierananay dahôlo ny nisafidianana solon-tegna nalefa tatỳ aminareo niaraka tamin’i Barnabasy sy Paoly, izay namana tegna tianay, 26 zareo dia lehilahy nagnano vy very ny aignany ho voninahitr’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 27 Dia nasainay i Joda sy Silasy hagnambara mivantagna aminareo ny raha voasoratra agnatin’ity taratasy ity. 28 Fa tian’ny Fagnahy Masina sy tianay mbôka ny tsy hampitondra entana mavesatra anareo, afa-tsy ireto raha tsy maintsy hotandremana ireto: 29 Fadio ny hena natao sorogna tamin’ny sampy, fadio ny ra, fadio ny henana biby tsy nalatsaka ra ary ny fagnanaovana halangana. Hahatsara anareo ny fitandremanareo tegna tsy hagnano an’izany. Sambia tsara!
30 Dia nalefanjareo ho aigny Antiokia i Paoly, Barnabasy, Joda ary Silasy. Namory ny ôlona mpino dahôlo tan-tanàna zareo ka notoloranjareo an’ilay taratasy. 31 Dia samby ampoky ny hafaliana dahôlo ny mpino, rehefa naharegny ny teny fampaherezana novakina taminjareo. 32 I Joda sy Silasy indray samby mpagnazary, dia nampahery sy namporisika an’ireo mpino ireo tamin’ny hafatra betsaka be notaraviny. 33 Rehefa nanangana elaela takao Antiokia zareo roalahy, dia nalefanjareo niverigna nody soa aman-tsara aigny amin’izay nagniraka anjareo. 34 Kanefa i Silasy mbôla te hanangana takao.
35 I Paoly sy Barnabasy indray dia mbôla nanangana taigny Antiokia. Nampianatra sy nitory ny tenin’ny Tômpo momba ny Tarea Maharavo niaraka tamina mpino betsaka zareo roalahy.
Nisara-dia i Paoly sy i Barnabasy
36 Andro vitsivitsy tafaran’izany, dia hozy Paoly tamin’i Barnabasy: Andao atsika hiverigna hitsidika an’ireo mpino aigny amin’ny tanàna dahôlo izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tômpo mbô hamantarantsika hoe manakôry ma zareo aigny. 37 Te hitondra an’i Jaona, izay antsovina hoe Marka, hiaraka aminjareo i Barnabasy. 38 Nihevitra anefa i Paoly fa tsy tokony hindesina i Marka satria efa niala taminjareo roalahy taigny Pamfilia izy sady tsy nanohy ny fiarahana miasa intsony. 39 Tegna tsy nifagnara-tsaigna zareo roalahy dia samby nanagna ny lalany. Lasana i Barnabasy nitondra an’i Marka ary nitikina sambo nankaigny Sipra. 40 Fa i Paoly indray nisafidy an’i Silasy, ary lasana zareo rehefa nandray ny tsodranon’ny Tômpo avy tamin’ireo mpino. 41 Dia namakivaky an’i Siria sy i Kilikia zareo sady nampahery ny Fiangonana dahôlo.