Niaraka niasa tamin’i Paoly sy Silasy i Timoty
16
Nandeha nankaigny Derbe i Paoly sy Silasy ary rehefa tonga taigny Listra zareo dia nahita mpianatra iraika atao hoe Timoty. Jiosy nino an’i Jesoa ny reniny ary grika ny rainy. 2 Tsara laza tamin’ireo mpiara mivavaka taigny Listra sy taigny Ikonioma izy. 3 Tian’i Paoly hindesina miaraka aminanjy i Timoty ka nalainy ary nataony hasoavana, mbô hagneken’ny Jiosy nipetraka tamin’izany faritra izany ananjy satria fantatry ny olona dahôlo fa grika ny rainy.
4 Tamin’ny tanàna dahôlo izay nandalovanjareo dia nameny mbô harahan’ny mpino ny didy navoakan’ny apostoly sy ny lohôlona takaigny Jerosalema. 5 Dia nihanatanjaka ny finoan’ny Fiangonana ary nihabetsaka isan’andro zareo.
Nantsovin’ilay Makedoniana ho aigny aminanjy Paoly
6 Nosakanan’ny Fagnahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamagnitra takaigny Azia i Paoly sy ny namany ka lasana nandeha eraky ny faritra Frigia sy Galatia. 7 Rehefa kely sisa tsy ho tonga taigny Misia zareo dia nanandrana nankaigny Bitinia, kanefa tsy navelan’ny Fagnahin’i Jesoa. 8 Araka izany, dia nagnaraka ny sisin’i Misia zareo ary nidigna nankaigny Troasy.
9 Tamin’ny alina dia nisy fahitana niboagna tamin’i Paoly. Nahita lehilahy Makedoniana nitsangana tagnoloanany izy, niangavy ananjy hoe: Miampità mankatỳ Makedonia! Vonjeo izahay! 10 Tafaran’izany fahitana izany, tonga dia te handeha ho aigny Makedonia izahay satria azonay antoka fa nantsovin’Andriamagnitra hagnambara ny Tarea Maharavo amin’ny ôlona aigny izahay.
Ny nanagnaovana batisa an’i Lidia
11 Nandray sambo takao Troasy izahay ary nandeha nankaigny amin’ny nosy Samotrakia. Ny ampitson’igny dia nankaigny Neapolisy. 12 Avy takeo izahay, dia nankaigny Filipia, izay tanàna geda sady zanatany romana amin’ny faritra Makedoniana. Nanagnana takao amin’io tanàna io izahay andro vitsivitsy. 13 Tamin’ny Sabata dia nivoaka tambelan’ny tanàna izahay ka nandeha tamoron’ny renirano. Noeritreretinay fa nisy toerana fivavahana takeo. Dia niantotra izahay ka niresadresaka tamin’ireo vehivavy izay nivory takeo. 14 Nisy vehivavy antsovina hoe Lidia taminjareo; avy akaigny Tiatira izy, mpivarotra lamba volomparasy, ary nivavaka tamin’Andriamagnitra. Nitaino tsara izy ary nosokafan’ny Tômpo ny fony mbô hagnaraka izay raha notaravin’i Paoly. 15 Dia natao batisa izy sy ny fianakaviany. Avy takeo dia hozy taminay: Raha hitanareo fa tegna mino ny Tômpo tokoatrany izaho, dia mandrosoa ianareo an-dranoko ka manangàna akao. Dia nataony izay haharesy lahatra anay.
Nogadraina i Paoly sy i Silasy kanefa navoaka
16 Indray andro, tan-dalàna ho aigny amin’ny toerana fivavahana izahay, dia nifanena tamina gaombavy iraika misy fagnahy ratsy mahay milaza ny ho avin’ny ôlona. Nahazoan’ny patirôny volabe ny faminaniana nataony. 17 Nagnaraka anay sy ery Paoly izy sady nagnantsonantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia gaognan’Andriamagnitra farany agnambo! Tonga hanoro anareo ny lalana mitondra mankaigny amin’ny famonjena zareo ireo. 18 Andro maromaro no nanagnaovan’ilay gaombavy an’izany. Sosy i Paoly nony ela ka nitodika taminanjy ary nitarea tamin’ilay fagnahy ratsy hoe: Amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy no handidiko anao, mialà aminanjy! Dia niala taminanjy takeo no akeo ilay fagnahy ratsy.
19 Hitan’ilay patirô fa tsy tamaina hampidi-bola intsony ilay gaombaviny, dia nosamboriny i Paoly sy Silasy ka nindesiny ho aigny an-tsena nankaigny amin’ny manampahefana. 20 Rehefa tonga takeo amin’ny mpitsara romana zareo dia hozy ilay patirô: Tegna mampisavoritaka ny tanànantsika izy roalahy Jiosy ireto. 21 Mampianatra ny ôlona zareo mbô hagnano raha tsy azontsika raisina na arahina, amin’ny maha Romana antsika. 22 Dia niaraka nirohotra namely an’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka; ary nasainjareo mpitsara nalàna akanjo sy nofiritsifana mafy tamin’ny rotsaka kakazo izy roalahy. 23 Rehefa avy nofiritsifana zareo dia nogadraina ka nafaparana mafy ny mpiambina mbô hiambina tsara anjareo. 24 Dia nandray ny baiko ny mpiambina ka nataony taigny amin’ny efitra farak’izay agnatiny izy roa lahy ary nomokony tamin’ny kakazo ny tongony.
25 Rehefa nisasaka ny alina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamagnitra i Paoly sy Silasy; ary nitaino anjareo roalahy ny gadra hafa. 26 Tampoka takeo dia nisy horohorontany mafy be ka nihozongozona ny fototry ny fonja. Niaraka tamin’izay dia nibanaka ny varavarana dahôlo, ary nivaha dahôlo ny fatoran’ny gadra. 27 Taitra ny mpiambina fonja ka nahita fa nibanaka dahôlo ny varavaran’ny fonja; dia norambesiny ny sabany ka saika hamono tegna izy satria noheveriny fa efa nilefa dahôlo ny gadra. 28 Kanefa nagnantsognantso mafy i Paoly hoe: Aza mamono tegna avy fa akato dahôlo izahay! 29 Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra malady; ary torakovitra izy ka niankohotra tagnoloan’i Paoly sy Silasy. 30 Avy takeo dia nindesiny nivoaka izy roalahy, ary hozy: Ino ma raôlona no tokony hataoko mbô hovonjena izaho? 31 Dia hozy zareo roa lahy: Minoa an’i Jesoa Tômpo dia hovonjena ianao sy ny fianakavianao. 32 Dia nagnambara ny tenin’ny Tômpo taminanjy sy izay ôlona dahôlo takao an-dragnony izy roalahy. 33 Tamin’iny alina iny ihany, dia nindesin’ilay mpiambina izy roalahy ka nodioviny ny ferinjareo. Avy takeo, tonga dia natao batisa izy mbaraky ny fianakaviany. 34 Dia nampandrosoany an-dragno zareo ka norosoany ahanina. Ary tegna faly izy sy ny fianakaviany satria nino an’Andriamagnitra.
35 Rehefa kiaka ny andro, dia nagniraka miaramila zareo mpitsara mbô hitarea amin’ny mpiambina hoe: Avotsoro ireo ôlona ireo. 36 Dia nankaigny amin’i Paoly ilay mpiambina ka nampitainy taminanjy ny raha notaravin’ny mpitsara; dia hozy: Nasain’ny mpitsara havotsotra ianareo roalahy. Mahazo mivoaka ianareo. Mandehana soa aman-tsara. 37 Kanefa hozy Paoly: Nofiritsifany tamasom-bahôaka izahay nefa mbôla tsy voatsara na dia romana aza; avy takeo dia nogadrainy. Izao ma izahay dia tianareo hoavoaka tsimoramora? Tsy manjary izany! Alay foagnany hankatỳ zareo hamoaka anay! 38 Dia notaterin’ny miaramila tamin’ny mpitsara romana izany. Ary natahotra zareo rehefa naharegny fa Romana izy roalahy. 39 Dia tonga niala tsiny taminjareo roalahy ny mpitsara ka namoaka anjareo, ary niangavy anjareo hiala akao an-tanàna. 40 Ary nivoaka ny fonja i Paoly sy Silasy, dia nankaigny an-dragnon’i Lidia. Avy takeo dia lasana zareo rehefa avy nihaona sy nampahery ireo mpino takao.