Tany Tesalonika i Paoly sy Silasy
17
Rehefa avy nandalo an’i Amfipolia sy i Apolonia i Paoly sy i Silasy dia tonga takao Tesalonika. Nisy sinagogan’i Jiosy takao amin’io tanàna io. 2 Ohatran’ny fataony dia nankaigny amin’ny sinagoga i Paoly. Niady hevitra momba ny Soratra Masina tamin’ireo ôlona takao izy nandritra ny sabata telo nifanesy. 3 Nohazavainy sy nambarany taminjareo fa tsy maintsy nijaly ary nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Dia hozy: Jesoa, Ilay ambarako aminareo, no Kristy! 4 Nisy tamin’ireo Jiosy no resy lahatra ka lasa niaraka tamin’i Paoly sy Silasy, betsaka koa ireo vehivavy nanan-kaja sy ireo Grika nivavaka tamin’Andriamagnitra.5 Kanefa dia nialona an’i Paoly sy Silasy ireo Jiosy sasagny. Dia nagnangona jiolahim-boto taigny amoron-dalana zareo ka nahazo ôlona betsaka sy nampikorontagna ny tanàna. Avy takeo dia nankaigny amin’ny tranon’i Jasona zareo ka nikaraka anjareo roalahy mbô havoaka akeo agnatrehan’ny vahoaka. 6 Rehefa tsy nahita anjareo roa lahy ireo ôlona ireo dia nitaritinjareo hifanatrika amin’ireo lehiben’ny tanàna i Jasona sy ireo rahalahy vitsivitsy; dia nihorakoraka zareo hoe: Tonga aketo amintsika ery zalahy manakorontana erak’izao tontolo izao, 7 nampandrosoan’i Jasona tan-dragno zareo kanefa zareo ireo magnano raha mifanipaka amin’ny didin’ny amperora. Milaza zareo fa misy mpanjaka hafa antsovina hoe Jesoa. 8 Dia nisahotaka ny vahoaka sy ireo lehiben’ny tanàna rehefa naharegny an’izany. 9 Ary nasaina nandoa vola antoka i Jasona sy ireo namany dia navelanjareo nandeha.
I Paoly sy i Silasy taigny Beria
10 Ny alin’igny andro igny ihany, dia nalefan’ireo mpino hankaigny Beria i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga takaigny zareo roalahy, dia niditra takao amin’ny sinagogan’ny Jiosy. 11 Tsara mandombolombon’ny fandraisan’ireo Jiosy taigny Tesalonika ny raha nataon’ny ôlona takao Beria. Nandray ny tenin’Andriamagnitra tamim-pahazotoana zareo ary nandinika ny Soratra Masina isan’andro mbô hahitanjareo ny fahamarinan’izay raha notaravina taminjareo. 12 Betsaka tamin’ireo ôlona ireo no nino; betsaka koa ny vehivavy grika nanan-kaja sy ny lehilahy grika.
13 Kanefa regnin’ireo Jiosy taigny Tesalonika fa nitory ny tenin’Andriamagnitra takao Beria koa i Paoly, dia nankaigny indray zareo ka nampikorontagna sy nampisahotaka ny vahoaka. 14 Takeo ny akeo dia nalefan’ireo rahalahy nankaigny ampitodiana sambo i Paoly. Mbôla nanangana takao Beria kosa i Silasy sy Timoty. 15 Nindesin’ireo ôlona nagnatitra ananjy hatraigny Atena i Paoly. Talohan’ny hiveregnanjareo dia nampairan’i Paoly hafatra ho an’i Silasy sy Timoty zareo mbô handehananjareo roalahy malady aigny aminanjy.
I Paoly taigny Atena
16 Tam-piandrasana anjareo takao Atena dia tegna nalahelo i Paoly nahita an’ilay tanàna feno sampy. 17 Niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ireo prozelitaa izy isan’andro, na taigny an-tsena na takao amin’ny sinagoga. 18 Niady hevitra taminanjy koa ny sanagny tamin’ny filôzôfa Epikoreana sy Stoika. Nisy taminjareo nagnontany hoe: Ino ma no tian’ilay be resaka ity taravina? Ny sanagny indray nagnano hoe: Karaha mitory andriamagnitra vaovao izany izy. Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty mbôka no nambaran’i Paoly.
19 Dia nalainjareo i Paoly ka nindesinjareo taigny amin’ny Areopago. Dia hozy zareo taminanjy: Azonay fantarina ma izany fampianarana vaovao taravinao izany? 20 Hafahafa ny fandrignesanay ny raha notaravinao, ka tianay ho fantatra ny tegna heviny. 21 Ny Atenianina dahôlo sy ny mpihavy takao Atena mbôka dia tsisy raha natao afa tsy nitantara na nitaino raha vaovao.
22 Dia nitsangana tagnivon’ny Areopago i Paoly ka nitarea hoe: Ô ry vahoakan’i Atena! Hitako amin’ny raha dahôlo fa tegna mpivavaka ianareo. 23 Tamin’ny izaho nandehandeha eraky ny tanànanareo mbôka dia nandinika ny raha ivavahanareo, ka nahita alitara iraika nisy soratra hoe:
Ho an’Ilay Andriamagnitra tsy fantatra.
Io ivavahanareo io kanefa tsy fantatrareo avy, dia izany no ambarako aminareo. 24 Izy Ilay Andriamagnitra namorogna an’izao tontolo izao sy izay raha dahôlo akeo aminanjy; Izy no Tômpon’ny lagnitra sy ny tany. Tsy mbô mipetraka akao amin’ny tempoly namboarin’ny tagnan’ôlombelona Izy. 25 Tsy mila na ino na ino amin’ny ôlombelona Izy satria Izy foagnany no magname aigna sy fofon’aigna ary magname ny raha dahôlo. 26 Avy tamin’ny ôlona iraika foagna no namorognany ny ôlona dahôlo mbô hipetraka manerana ny tany mandritra ny fotoana notendreny sy ny toerana efa nofaritany. 27 Nataon’Andriamagnitra izany mbô hampirisihana ny ôlona hikaraka Ananjy, ary angamba hagnanaovanjareo izay vitany mbô hahitany Ananjy; tsy lavitra antsika tsiraikaraika avy mbôka Andriamagnitra. 28 Fa Izy no magname aigna antsika sy ahafahantsika mihetsika ary ny maha atsika antsika. Izany no nilazan’ny mpanoratra sanagny taminareo hoe: Taragnany koa atsika.
29 Andriamagnitra anefa no niaviantsika. Araka izany dia tsy tokony hieritreritra atsika fa Izy dia mitovy endrika amin’ny sarivongana vita amina volamena na volafotsy na vato, izay notefena avy tamin’ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny saignan’ôlombelona. 30 Nagnano fagnahy iniana Andriamagnitra mbô tsy hijery ny fotoana tsy fahafantaran’ny ôlona. Amin’izao kosa dia asainy mibebaka ny ôlona dahôlo, na aiza na aiza misy ananjy. 31 Efa nanondro andro iraika mbôka Izy mbô hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, ary amin’ny alalan’ny Lehilahy iraika efa notendreny no hagnanaovany an’izany. Naboagnany mazava tsara tamin’ny ôlona dahôlo izany fanendreny izany tamin’ny nananganany Ilay Lehilahy tamin’ny maty.
32 Rehefa naharegny mikasika ny fitsanganan’ny maty ireo Grika ireo dia nisy ny naneso an’i Paoly; ny sanagny kosa nagnano hoe: Mbôla te hitaino anao momba an’izany raha izany indray izahay amin’ny fotoana magnaraka. 33 Dia niala takeo i Paoly. 34 Nisy tamin’ireo ôlona takeo anefa no nagnaraka ananjy ka nanjary mpino. Anisan’ireny i Dionisio Areopagita sy ny vehivavy iraika antsovina hoe Damary ary ôlona hafa koa izay niaraka taminjareo.