Nandeha nankaigny Korinto i Paoly
18
Tafaran’izany, dia niala takao Atena i Paoly ka nankaigny Korinto. 2 Rehefa tonga taigny izy dia nahita Jiosy iraika avy aigny Ponto. Akoila no agnarany ary Prisila no vadiny; vao tonga avy taigny Italia izy mivady satria noroasin’i Klaodio hiala takao Roma ny Jiosy dahôlo. Dia nagnatona anjareo i Paoly 3 ary nipetraka taminjareo sy niaraka niasa taminjareo. Samby mpagnamboatra lay mbôka zareo ireo.
4 Isaky ny Sabata, dia niady hevitra takao amin’ny sinagoga i Paoly ary nagnano izay handresena lahatra an’ireo Jiosy sy Grika. 5 Rehefa tonga avy taigny Makedonia i Silasy sy Timoty, dia nanokana ny fotoanany dahôlo hagnambarana ny tenin’Andriamagnitra i Paoly; nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no Kristy. 6 Rehefa nanohitra sy nagnasaha ananjy ny Jiosy, dia nakopak’i Paoly ny akanjony sady hozy: Avilay akeo ianareo ho very fa afaka adidy izaho. Manomboka izao dia ho aigny amin’ny Jentilisa izaho. 7 Dia nivoaka ny sinagoga i Paoly ka nankaigny an-dragnon’ny lehilahy iraika antsovina hoe Titosy Josto, izay takaiky takeo ihany; hafa firenena io lehilahy io sady nivavaka tamin’Andriamagnitra. 8 Nino ny Tômpo i Krispo lehiben’ny sinagoga sy ny fianakaviany dahôlo; ary betsaka koa ireo Korintiana nitaino an’i Paoly no lasa mpino ka natao batisa.
9 Indray alina, dia nitarea tamin’i Paoly, tamin’ny alalan’ny fahitana, ny Tômpo hoe: Aza matahotra! Mitarava foagna ary aza mangina 10 satria miaraka aminao Izaho, ary tsy hisy ôlona hikasika anao ka hagnano ratsy anao; managna ôlona betsaka amin’ity tanàna ity mbôka Izaho.
11 Dia nanangana herintaona sy tapany takao Korinto i Paoly, ka nampianatra anjareo ny tenin’Andriamagnitra.
Niboagna tagnatrehan’i Galiona i Paoly
12 Tamin’ny fotoana naha governora an’i Galiona taigny Akaia, dia niray lôha hagnambotra an’i Paoly sy hitondra ananjy taigny amin’ny fitsarana ny Jiosy. 13 Dia hozy zareo: Mandresy lahatra ny ôlona hivavaka amin’Andriamagnitra amin’ny fomba mifanipaka amin’ny lalàna io lehilahy io! 14 Vao saika hitarea i Paoly dia hozy Galiona tamin’ny Jiosy: Ô ianareo Jiosy! Raha nisy fandikan-dalàna na heloka bevava nitranga, dia vonogna hitaino anareo izaho. 15 Fa raha ny teny sy ny agnarana ary ny lalànanareo manokana no iadianareo hevitra dia raharahanareo izany fa tsy hitsara an’izany izaho. 16 Dia noroasiny hiala takeo amin’ny fitsarana zareo. 17 Ary nosamborinjareo i Sostena, ilay lehiben’ny sinagoga, ka nokapohiny tagnoloanan’ny fitsarana. Nefa tsy noraharahian’i Galiona avy izany.
Niverina nankaigny Antiokia i Paoly ary nandeha nagnano asa misiona indray
18 Tafaran’izany, dia nanangana elaela takao Korinto i Paoly. Avy takeo dia nagnano veloma ny rahalahiny izy ka nitikina sambo niaraka tamin’i Prisila sy i Akoila nankaigny Siria. Talôhan’ny nandehanany, dia nosolain’i Paoly taigny Kenkrea ny lôhany satria nagnano voady izy. 19 Rehefa tonga takao Efesosy zareo; dia nilaozan’i Paoly i Prisila sy Akoila ka nankaigny amin’ny sinagoga izy ary niady hevitra tamin’ny Jiosy. 20 Nangatahinjareo izy mbô hanangana elaela aminjareo, kanefa tsy nagneky. 21 Ary rehefa nagnano veloma izy dia hozy taminjareo: Raha sitrapon’Andriamagnitra, dia mbôla hiverina atỳ aminareo izaho. Ary dia nitikina sambo indray izy ka niala takao Efesosy. 22 Rehefa tonga takao Kaisaria ny sambo dia niakatra tan-tanety izy mbô hiarahaba ny Fiangonana ta-Jerosalema, avy takeo vao nidigna nankaigny Antiokia.
23 Rehefa avy nanangana fotoana maharitraritra takao izy, dia lasana nitety ny faritanin’ny Galatia sy Frigia, ka nampahery ny mpianatra dahôlo.
Taigny Efesosy sy taigny Korinto i Apolosy
24 Nisy Jiosy iraika avy aigny Aleksandria tonga taigny Efesosy tamin’io fotoana io; Apolosy ny agnarany. Mahay mikabary sy tegna mahay ny Soratra Masina izy. 25 Nampianarina araka ny lalan’ny Tômpo izy ary nafana fo tamin’ny fagnambarana sy fampianarana tegna marina momba an’i Jesoa; kanefa ny batisan’i Jaona foagna no fantany. 26 Dia nagnambara tam-pahasahiana ny tenin’Andriamagnitra takao amin’ny sinagoga izy. Rehefa naharegny ananjy i Prisila sy Akoila, dia nitondra ananjy ho aigny an-dragnony ka nanazava taminanjy ny tegna marina momba ny lalan’Andriamagnitra. 27 Ary nagniry ho aigny Akaia izy ka nampirisika ananjy handeha hankaigny ireo mpino sady nanoratra ho an’ny mpianatra taigny mbô handraisany ananjy tsara. Vao tonga taigny izy dia tegna nanampy betsaka an’ireo mpino taigny avy amin’ny fahasoavan’Andriamagnitra. 28 Nahery nandresy lahatra ny Jiosy tamason’ôlona izy ary noporofoiny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.