Tonga takao Efesosy i Paoly
19
Tamin’i Apolosy mbôla taigny Korinto, dia namakivaky tanàna tan-tampontanety i Paoly ka nidigna nankaigny Efesosy. Nahita ny sanagny tamin’ny mpianatra taigny izy, dia hozy taminjareo: 2 Efa nandray ny Fagnahy Masina ma ianareo taminareo vao nino? Dia novalinjareo hoe: Mbôla tsy ary naharegny an’izany Fagnahy masina izany avy izahay. 3 Dia nagnontany indray i Paoly hoe: Batisa manakôry ma izany no noraisinareo? Ny batisan’i Jaona, hozy zareo. 4 Ary hozy Paoly: Ny batisa nataon’i Jaona dia batisan’ny fibebahana. Nitarea tamin’ny vahoaka izy mbô hino an’Ilay ho avy akao afarany, Jesoa mbôka izany. 5 Rehefa naharegny an’izany tarea izany ireo mpianatra niresaka tamin’i Paoly, dia natao batisa tamin’ny agnaran’i Jesoa Tômpo. 6 Dia nametraka tagnana taminjareo i Paoly, ary tonga taminjareo ny Fagnahy Masina, dia nitarea tamin’ny fitaravana tsy fantatra zareo sady naminany. 7 Ankevitry ny roa ambin’ny folo lahy takeo ny isanjareo.8 Nandritra ny telo volana dia nankaigny amin’ny sinagoga foagna i Paoly, ary nitarea tamin’ny fahasahiana sy niady hevitra ary nandresy lahatra ny ôlona mikasika ny fanjakan’Andriamagnitra izy. 9 Nisy taminjareo anefa nikiribiby tsy nety nagnaiky sady nagnasaha tamasom-bahoaka ny Lalan’ny Tômpo. Dia niala takeo aminjareo i Paoly ary nindesiny nitokana niaraka taminanjy ny mpianatra ka nampianariny isan’andro takao amin’ny tragno fianaran’i Tirano. 10 Nandritra ny roa taona no nagnanaovan’i Paoly an’izany, dia naharegny ny tarean’ny Tômpo dahôlo ny ôlona taigny amin’ny faritanin’i Azia, na Jiosy izy na Grika.
Ireo zanakalahin’i Skeva
11 Nagnano raha mahagaga betsaka Andriamagnitra tamin’ny alalan’i Paoly. 12 Hatramin’ny mosara sy ny akanjo izay nikasika ny vatagny dia nahasitragna ny aretina sy nampiala ny fagnahy ratsy rehefa napetaka tamin’ny marary.
13 Nisy taminjareo Jiosy no nivezivezy nandroaka ny fagnahy ratsy. Nanandrana nampiasa ny agnaran’i Jesoa taminjareo izay nanagna ny fagnahy ratsy zareo ka nitarea hoe: Amin’ny agnaran’i Jesoa ilay torin’i Paoly no andidiako anareo, mialà! 14 Ireo fito lahy zanak’i Skeva lehiben’ny mpisorogna takeo amin’ny Jiosy no nagnano an’izany raha izany. 15 Indray andro dia namaly anjareo ny fagnahy ratsy hoe: Fantatro i Jesoa, ary haiko tsara koa i Paoly; fa mbô iza kosa ma ianareo? 16 Dia niantsambotra taminjareo ilay iraika lahy nanagna an’ilay fagnahy ratsy ka naharesy anjareo dahôlo satria natanjaka be; ary vaky lefa nivoaka ny tragno zareo, sady naratra no niboridana. 17 Ary nahafantatra an’izany dahôlo ny Jiosy sy ny Grika taigny Efesosy, dia ambory zareo dahôlo ka nankalaza ny agnaran’i Jesoa Tômpo.
18 Betsaka taminjareo nanjary mpino no tonga niaiky sy namosa tampahibemaso ny raha tsy manjary nataony. 19 Betsaka taminjareo mpagnano mazia koa no nitondra ny bokinjareo ka nandoro an’izany tamason’ny ôlona dahôlo. Rehefa natambatra ny tokony ho vidin’ireo boky ireo, dia nahatakatra volafotsy dimy alina izany. 20 Araka izany dia niparitaka tsy tana ny Teny, avy amin’ny herin’ny Tômpo.
Ny korontana taigny Efesosy sy ny fialan’i Paoly
21 Tafaran’izany raha dahôlo izany, dia nanapa-kevitra i Paoly fa handeha hankaigny Jerosalema ka hamakivaky an’i Makedonia sy Akaia malôha. Hozy izy: Rehefa tonga akaigny izaho, dia tokony mahita an’i Roma koa. 22 Dia nasain’i Paoly hankaigny Makedonia i Timoty sy Erasto, mpanampy ananjy; fa izy indray mbôla nanangana fotoana vitsivitsy takao Azia.
23 Tamin’izany fotoana izany dia nisy korontana be taigny Efesosy avy tamin’ny Lalan’ny Tômpo. 24 Nisy mpanefy firavaka iraika antsovina hoe Demetrio taigny. Nagnamboatra ny sarin’ny tempolin’ny Diana tamin’ny volafotsy izy ka nampidi-bola be ho an’ireo mpanefy niaraka niasa taminanjy. 25 Dia nampivorian’i Demetrio niaraka tamin’ny mpagnano asa tanana hafa sahala aminanjy zareo ka hozy: Ô raôlona! Fantatrareo fa izao asa tagnana izao no lôharanon-karenantsika. 26 Efa hitanareo sy regninareo koa ny raha ataon’io Paoly io, tsy aketo Efesosy foagnany fa eraky ny Azia. Mitaona sy manodina lôhan’olona betsaka izy ka milaza fa tsy andriamagnitra avy ny raha nataon’ny tagnan’ôlombelona. 27 Araka izany dia tsy izao asatsika izao foagnany no ho ratsy laza fa ny tempolin’i Diana, ilay andriamagnibavy geda koa, dia hataon’ny ôlona tsisy varany. Ary ho maty hasina ilay ivavahana eraky ny faritanin’i Azia sy erak’izao tontolo izao.
28 Rehefa regninjareo nivory takeo izany tarea izany, dia sosy be zareo ka nagnantsognantso hoe: Gedabe ny Dianan’ny Efesiana! 29 Nihitatra eraky ny tanàna ny korontana. Nosamborin’ny ôlona i Gaio sy Aristarko, lehilahy makedoniana niara-dia tamin’i Paoly. Avy takeo zareo dahôlo dia niaraka nirohotra nankaigny amin’ny kianja filalaovana. 30 Te hivoaka hankeo amin’ny vahoaka i Paoly, nefa nosakanan’ny mpianatra. 31 Nisy naman’i Paoly taminjareo lehiben’ny faritanin’i Azia, izay nanafatra ananjy mbô tsy hiditra aigny amin’ny kianja filalaovana. 32 Tamin’io fotoana io dia nikorontana ny ôlona: ny sanagny nagnantsognantso raha iraika, ny sanagny indray raha hafa ary ny ankamaroanjareo dia tsy nahafantatra avy izay antony nahatafavory anjareo takeo. 33 Nisy ôlona iraika antsovina hoe Aleksandra, izay natosiky ny Jiosy ho aigny alôha, mbô hagnazava ny raha nitranga tamin’ny ôlona. Dia nikopakopa-tagnana izy mbô hampangina ny vahoaka satria te hitarea taminjareo. 34 Kanefa rehefa fantatry ny ôlona fa Jiosy i Aleksandra, dia indray niredona zareo dahôlo ka nagnantsognantso nandritra ny adiny roay hoe: Gedabe ny Dianan’ny Efesiana!
35 Farany dia vitan’ny mpiandraikitra ny tanàna ny nampangina ny vahoaka, ka hozy: Ô ianareo vahoaka Efesiana! Iza ma no tsy mahafantatra fa ny tanànan’i Efesosy no mpiambina ny tempolin’i Diana gedabe sy ny sariny izay nilatsaka avy tan-dagnitra? 36 Tsisy afaka mandà an’izany ka tokony hilamina tsara ianareo fa tsy hagnanonano foagna. 37 Nindesinareo taketo ireto lehilahy ireto kanefa tsy nandrava tempoly na nagnasaha ny andriamagnitsika. 38 Ka raha te hiampanga ôlona i Demetrio sy ireo mpanefy namany dia misokatra ny fitsarana ary misy ny mpitsara ka afaka mametraka ny fitoriany zareo. 39 Fa raha managna fangatahana hafa kosa ianareo, dia hodinihina mandritra ny fivoriana ara-dalàna izany. 40 Mety ho hampangaina fa mpikomy atsika vokatry ny raha nitranga nigniany. Tsy managna antony hagnamarinana an’izao fivoriana izao mbôka atsika. Rehefa avy nitarea an’izany izy, dia noravany ny ôlona nivory takeo.