Niverigna taigny Makedonia sy Gresy i Paoly
20
Rehefa nilamina ny korontana, dia novorian’i Paoly ireo mpianatra ka nampahereziny. Avy takeo izy dia nagnano veloma anjareo ary lasana nankaigny Makedonia. 2 Nitety an’izany faritany izany izy ka nampahery ireo mpino tamin’ny tarea betsaka. Farany izy dia tonga taigny Gresy, ary nanangana telo volana takao. 3 Rehefa tonga ny fotoana handraisany sambo hankaigny Siria, dia nanapa-kevitra izy fa hiverina hamakivaky an’i Makedonia indray satria regniny fa nisy Jiosy nitetika hagnano ratsy ananjy. 4 Niaraka taminanjy koa i Sopatera, zanak’i Piro avy aigny Beria, Aristarko sy Sekondo avy akaigny Tesalonika, Gaio avy aigny Derbe, Timoty sy Tikiko ary Trofimo avy aigny Azia. 5 Nandeha talôhanay zareo ary nandigny anay taigny Troasy. 6 Rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsisy lalivaina dia nitikina sambo niala taigny Filipy izahay. Dimy andro tafaran’izay dia takatray taigny Troasy zareo. Ary nanangana takao herinandro izahay dahôlo.
Rasavolagna taigny Troasy
7 Rehefa tonga ny Alahady, dia niangona izahay mbô hiaraka handray ny mofo. Nieritreritra ny handeha kiakan’igny i Paoly ka nitoriteny tamin’ny mpiangona ary nahavita nitoriteny hatramin’ny sasakalina. 8 Nisy jiro betsaka takao amin’ny efitragno tambony rihana izay niangonanay. 9 Nisy gaogna antsovina hoe Eotika, nipetraka tam-baravarankely takao amin’ny rihana fahatelo. Sokointory izy mandritra ny toriteny lava be nataon’i Paoly ary latsaka avy aigny. Rehefa nobataina izy dia hita fa efa maty. 10 Dia nidigna Paoly, niondrika taminanjy ary nampiarina ananjy ka hozy: Aza mikoropaka avy ianareo, fa mbôla velona izy! 11 Avy takeo dia niakatra indray Paoly ka nizara ny mofo ary nihinana. Ary nanohy niresaka mandrampahakiakan’ny andro izy, dia lasana nandeha. 12 Ilay gaogna indray, velona soa amantsara ary faly be ny ôlona nitondra ananjy nody.
Avy taigny Troasy dia nankaigny Mileto
13 Nitikina sambo nandeha talôhan’i Paoly izahay hankaigny Aso, fa aigny izy no ho raisinay, araka ny fandaminana nataony, satria te handeha an-tongotra izy. 14 Rehefa hitanay takao Aso izy, dia noraisinay ka lasana nandeha ho aigny Mitilena izahay. 15 Kiakan’igny dia nitikina sambo niala takeo izahay ka tonga takeo amin’ny toerana manandrify an’i Kio. Afaka amarainan’igny, dia tonga takao Samo izahay, ary loakandron’ignya dia takao Mileto. 16 Nanapa-kevitra i Paoly fa tsy hanangana takao Efesosy mbô tsy handaniany andro aigny Azia. Maika ny ho tonga aigny Jerosalema mbôka izy, alohan’ny Pentekosta, raha tratra.
Nitarea tamin’ireo lohôlona taigny Efesosy i Paoly
17 Rehefa tonga takao Mileto i Paoly, dia nagniraka ôlona hankaigny Efesosy, nampagnantso an’ireo lohôlon’ny Fiangonana ho aigny aminanjy. 18 Rehefa tonga zareo, dia hozy Paoly:
Hainareo tsara ny fitondrantegnako tamin’ny fotoana dahôlo niarahako taminareo, hatramin’ny andro voalôhany nahatongavako taigny Azia. 19 Nanompo ny Tômpo sahala amin’ny andevo izaho, tamin’ny fagnetren-tegna sy tamin-dranomaso, ary tamin’ireo fitsapana avy tamin’ny fikasan-dratsin’ny Jiosy mbô hamelezany anahy. 20 Tsisy nasitriko taminareo izay raha dahôlo nahasoa anareo fa notaraviko sy nampianariko anareo, na tamasom-bahoaka na tan-dragno. 21 Nampirisihako koa ny Jiosy sy ny Grika mbô hitodika amin’Andriamagnitra ka hibebaka sy hino an’i Jesoa Tômpontsika.
22 Teren’ny Fagnahy Masina handeha hankaigny Jerosalema izaho izao. Tsy fantatro anefa izay raha hahazo anahy aigny. 23 Izao foagna ny raha fantatro: Milaza aminahy ny Fagnahy Masina fa isaky ny tanàna dia hisy figadrana sy fijaliana mandigny anahy. 24 Kanefa, ataoko tsisy dikany ny aignako mbô hahavitako hatramin’ny farany ny fihazakazahako sy ny asa napetrak’i Jesoa Tômpo taminahy, dia ny hagnambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamagnitra.
25 Fantatro izao fa tsy hahita anahy intsony ianareo, dia ianareo izay nandalovako ka nitoriako ny Fanjakan’Andriamagnitra. 26 Izany no antony itaravako aminareo nigniany, tsy tompon’andraikitra aminareo sy ny ôlona dahôlo izaho. 27 Notaraviko taminareo dahôlo mbôka fa tsisy nasitriko ny fikasan’Andriamagnitra. 28 Tandremo tsara ny tegnanareo sy ny ondry dahôlo nankinin’ny Fagnahy Masina taminareo mbô hambesanareo. Tandremo tsara koa ny Fiangonana izay efa novidin’Andriamagnitra tamin’ny rany. 29 Haiko fa rehefa lasana izaho, dia hisy amboadia masiaka ho avy akeo aminareo ka tsy hitsitsy ny ondry. 30 Ary hisy ôlona akeo aminareo akeo hitory raha tsy marina mbô hitaritany ny mpianatra hagnaraka ananjy. 31 Araka izany, mitandrema tsara ianareo. Tadidio fa nandritra ny telo taona izaho dia nampitandrina anareo tamin-dranomaso foagna magnalinandro makiak’andro.
32 Amin’izao dia ankiniko amin’Andriamagnitra sy amin’ny tenin’ny fahasoavany ianareo. Io teny io no afaka mampatanjaka ny finoanareo sy magname lova anareo akeo amin’ny ôlona dahôlo izay nohamasininy. 33 Tsy mbô nagniry volafotsy na volamena na akanjon’ôlona izaho. 34 Fantatrareo fa ireto tagnako ireto no niantoka an’izay raha nilaiko sy izay raha nilain’ireo niaraka taminahy. 35 Nampitoroko anareo foagna fa tokony hiasa sahala amin’izany koa ianareo mbô hagnampiana ny mahantra, ary hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tômpo hoe: Mahasambatra kokoa ny magname noho ny mandray.
36 Tafaran’ny toritenin’i Paoly, dia niandongalitra izy ka niaraka nivavaka taminjareo dahôlo. 37 Dia nitomany dahôlo zareo ary samby namihina ananjy. 38 Nalahelo be zareo satria notaravin’i Paoly fa tsy hahita ananjy intsony. Dia naterinjareo taigny amin’ny sambo izy.