Nankaigny Jerosalema i Paoly
21
Rehefa nisaraka taminjareo izahay, dia nitikina sambo ka namantagna taigny Kosy; ny amaraignan’igny izahay dia nanohy nankaigny Rodo ary avy takeo dia nankaigny Patara. 2 Nahita sambo hitsàka hankaigny Foinika izahay, dia niakatra tamin’io ary lasana nandeha ny sambo. 3 Nahatazagna an’i Sipra avy tatsimonjareo izahay fa mbôla nanohy nandeha nankaigny Siria satria ho aigny Tiro; takao mbôka no nametrahan’ny sambo ny entana nindesiny. 4 Nanangana herignandro takao izahay satria nahita ny mpianatra. Nasain’ny Fagnahy Masina hanakana an’i Paoly tsy hiakatra ho aigny Jerosalema ireo mpianatra ireo. 5 Rehefa tapitra ny fotoana nanangananay takao, dia lasana nanohy ny dianay izahay. Nagnatitra anay hatraigny ambelan’ny tanàna ireo mpianatra dahôlo ireo mbaraky ny vady aman-janagny; dia nandongalitra tamoron-dranomasina izahay ka niaraka nivavaka. 6 Rehefa vita ny veloma, dia niakatra tagnaty sambo izahay, fa zareo indray lasana nody.
7 Nanohy ny dianay izahay ka tonga ta-Ptolemaia rehefa avy taigny Tiro. Nitsidika ny rahalahy mpino takao izahay ary nanangana andro iraika taminjareo takeo. 8 Nandeha indray izahay ny amaraignan’igny ka tonga taigny Kaisaria. Dia nandroso tan-dragnon’i Filipo evanjelista izahay ka nipetraka takao aminanjy. Iraika tamin’ireo fito lahy voasafidy ta-Jerosalema io Filipo io. 9 Nanan-janaka efa-bavy mpagnazary mbôla tsy manambady izy.
10 Nanangana andro maromaro takeo izahay. Ary nisy mpagnazary iraika, antsovina hoe Agabo, nidigna avy ta-Jodia ary tonga taminay. 11 Dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongony sy ny tagnany sady hozy: Izao ny raha notaravin’ny Fagnahy Masina: Sahala amin’izao ny raha hataon’ny Jiosy aigny Jerosalema amin’ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity; ho fatoranjareo ny tagnany ary hatolony amin’ny Jentilisa izy. 12 Rehefa naharegny an’izany teny izany izahay, dia niangavinay sy ireo rahalahy mpino nipetraka takao Kaisaria i Paoly mbô tsy hiakatra aigny Jerosalema. 13 Kanefa hozy Paoly: Ino ma ny raha mampitomagny anareo? Magnino ma ianareo no magnano raha mampalahelo anahy? Vognona ny ho fatorana izaho ary vognona ny ho foaty aigny Jerosalema avy amin’ny agnaran’i Jesoa Tômpo. 14 Tsy naharesy lahatra ananjy izahay ka tsy nanery ananjy intsony ary nitarea hoe: Alay ny sitrapon’ny Tômpo no ho tanteraka!
Taigny Jerosalema i Paoly ary nandeha nitsidika an’i Jakoba
15 Tafaran’izay dia nangorogna entana izahay ka nandeha ho aigny Jerosalema. 16 Niaraka niakatra taminay handeha ho aigny koa ny mpianatra sasantsasany avy aigny Kaisaria. Zareo ireo no nitarika anay ho aigny amin’i Menasona avy aigny Sipra. Efa letry ny ela izy no mpianatra ary izy no nampandroso an-dragno anay. 17 Rehefa tonga ta-Jerosalema izahay, dia noraisinjareo rahalahy mpino tamin-kafaliana.
18 Amaraignan’igny i Paoly dia niaraka taminay nankaigny amin’i Jakoba, ary tafavory takao dahôlo ny lôholon’ny fiangonana. 19 Niarahaba anjareo dahôlo i Paoly ary nitantara tamin’ny antsipirihany ny raha nataon’Andriamagnitra taminanjy, taigny amin’ny Jentilisa, tamin’ny alalan’ny asa fanompoana.
20 Rehefa naharegny an’izany zareo dahôlo, dia nagname voninahitra an’Andriamagnitra. Dia hozy zareo tamin’i Paoly: Ô rahalahy! Hitanao fa amagn’alina ny Jiosy nanjary mpino ary tegna mitàna ny lalàna zareo dahôlo. 21 Regninjareo anefa fa ianao hono dia mampianatra an’ireo Jiosy mipetraka amin’ny Jentilisa mbô hiala amin’ny lalànan’i Mosesy, ary mitarea aminjareo mbô tsy hagnano hasoavana ny zanagny ary tsy hagnaraka ny fomban-drazagna. 22 Ino izany ny raha hatao? Tsy maintsy ho regninjareo fa tonga aketo ianao. 23 Araka izany, ataovy izao raha taravinay aminao izao: Misy efa-dahy aminay aketo nagnano voady 24 ka alaivo zareo dia magnadiova ny tegnanao miaraka aminjareo, ary aloavo ny vola lany dahôlo hagnasolaina ny lôhanjareo. Amin’izay dia ho fantatry ny ôlona dahôlo fa tsy marina izay notaravina mikasika anao satria ianao koa mbô magnaraka ny lalànan’i Mosesy. 25 Mikasika ny Jentilisa nanjary mpino indray, dia efa nandefasanay taratasy zareo ka nasainay nifady ny hena natao sorogna tamin’ny sampy, ny ra, ny biby nokendaina, ary ny fijangajangana.
26 Amaraignan’igny, dia nindesin’i Paoly zareo efa-dahy ka niaraka nagnadio ny tegnany taminjareo izy. Avy takeo dia niditra takao amin’ny tempoly i Paoly mbô hilaza ny andro hahataperan’ny fidiovana, izany hoe ny andro hahafahanjareo tsiraikaraika magnano fagnatitra.
Nosamborina takao amin’ny tempoly i Paoly
27 Rehefa akaiky hifaragna ny herinandro fidiovana, dia hitan’ireo Jiosy avy aigny amin’ny faritr’i Azia takao an-kianjan’ny tempoly i Paoly. Notaominjareo hikorontana ny vahoaka dahôlo ary nosamborinjareo izy. 28 Dia nagnantsognantso zareo hoe: Ô ianareo vahoakan’ny Israely! Hazolava e! Ity ilay lehilahy mampianatra ny ôlona dahôlo hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny lalànan’i Mosesy ary ity Tempoly ity. Nampidirany takato zareo Grika ka nandoto an’ity toerana masina ity. 29 Hitanjareo niaraka tamin’i Paoly takao an-tanàna mbôka i Trofimo avy aigny Efesosy ka noheverinjareo fa nindesin’i Paoly niditra takao an-tempoly izy. 30 Nisavoritaka sady nihazakazaka ny iray tanàna. Dia nosamborijareo i Paoly ka notaritiny ho aigny ambelan’ny tempoly, ary tonga dia nidinjareo ny vavahady.
31 Saika hovonoin’ny ôlona i Paoly kanefa tonga taigny amin’ny lehiben’ny tafika romana ny resaka fa mikorontagna i Jerosalema iray vohitra. 32 Tonga dia nialaka miaramila sy manamboninahitra izy ka nihazakazaka nankaigny amin’ny vahoaka zareo. Raha vao nahita an’ilay lehiben’ny tafika sy ny miaramila zareo dia nijanona tsy nitaroka an’i Paoly intsony. 33 Dia nagnatona an’i Paoly ilay lehiben’ny tafika ka nisambotra ananjy ary nasainy nofatorana tamin’ny rojo vy roay izy. Avy takeo dia nagnadina izy hoe: Iza ma ity lehilahy ity? Ary ino ny raha nataony? 34 Nagnantso mafy nitarea raha iraika ny sanagny tamin’ny ireo vahoaka ary ny sanagny kosa nitarea raha hafa. Tsisy azon’ilay lehiben’ny tafika ny raha notaravinjareo vokatr’ilay korontagna ka nagname baiko izy fa hindesina aigny amin’ny toby i Paoly. 35 Rehefa tonga takeo amin’ny tôtôhatra i Paoly, dia tsy maintsy nobatain’ny miaramila satria mifanisika be ny vahoaka. 36 Ôlona betsaka be mbôka no nagnaraka anjareo sady nihorakoraka hoe: Vonoy izy e!
Miaro tegna i Paoly
37 Tamin’ny fotoana hampidirana an’i Paoly takao amin’ny toby, dia nitarea tamin’ilay lehiben’ny miaramila izy hoe: Mbô manjary mitarea raha aminao ma izaho? Dia novaliany hoe: Mahay miteny grika angaha ianao? 38 Tsy ianao ma ilay Ejiptiana nampikomy ny vahoaka farany takeo ka nitarika mpikarama an’ady efatra arivo lahy taigny ankodahoda? 39 Kanefa hozy Paoly: Jiosy izaho, teraka taigny Tarsosy aigny Kilikia, tômpon-tany avy amin’ny tanàna iraika mbô malaza ihany. Avelao izaho mbô hitarea amin’ny vahoaka. 40 Dia navelany hitarea izy ka nitsangana takeo amin’ny tôtôhatra ary nikopakopaka mbô hampangina ny vahoaka. Rehefa nangina tsara ny ôlona dahôlo dia nitarea mafy taminjareo tamin’ny teny hebreo izy hoe: