22
Ô havako! Ô raiamandreniko! Tandrigneso ny raha ho taraviko aminareo mbô hiarovako tegna.
2 Raha vao regnin’ny ôlona fa nitarea taminjareo tamin’ny teny hebreo izy, dia vao mainka nangina zareo dahôlo. Ary hozy i Paoly:
3 Jiosy izaho, teraka takaigny Tarsosy aigny Kilikia, fa geda taketo Jerosalema. Gamaliela no mpampianatra anahy. Nampianatra anahy hagnaraka antsakany sy andavany ny Lalànan’ny razantsika izy. Tegna nafana fo tamin’ny fanompoana an’Andriamagnitra ôhatranareo dahôlo izaho. 4 Nenjehiko ho foaty izay ôlona nagnaraka an’izany fampianarana izany. Nosamboriko dahôlo na ny lehilahy na ny vehivavy ary nogadraiko. 5 Vavolombelona amin’izany raha izany ny Mpisorognabe sy ny lohôlona ary taminjareo no nahazoako ny taratasy hisamborana an’ireo rahalahy mpino taigny Damaskosy, mbô hindesina hofaizina atỳ Jerosalema.
Mitantara ny fiovam-pony i Paoly
6 Tamin’izaho tan-dalana takaikikaiky an’i Damaskosy igny, tokotokony tamin’ny roambinifolo atoandro tamin’izay, dia nisy hazavana be nanjelanjelatra tampoka avy tan-dagnitra nagnodidina anahy. 7 Lavo tamin’ny tany izaho ary naharegny feo nitarea taminahy hoe: Ô Saoly! Ô Saoly! Magnino ma ianao no magnenjika Anahy? 8 Dia hozy izaho: Iza ma Ianao, Tômpoko? Ary hozy ilay feo taminahy: Izaho no Jesoa, avy aigny Nazareta; Izaho Ilay enjehinao. 9 Nahita ilay mazava be ny ôlona niaraka taminahy kanefa tsy regninjareo ilay feo nitarea taminahy. 10 Dia hozy indray izaho: Ô Tômpo! Ino ma izany ny raha tokony hataoko? Dia hozy: Mitsangàna dia mandehana mankaigny Damaskosy. Rehefa tonga aigny ianao dia hotaravina aminao izay raha dahôlo asaina hataonao. 11 Tsy nahita ny masoko takatr’ilay hazavana be, ka dia notantanan’ireo ôlona niara-dalana taminahy izaho, mandrapahatonga takao Damaskosy.
12 Nisy lehilahy antsovina hoe Ananiasy takao Damaskosy. Tegna mpivavaka sady magnaja ny Lalàna izy ary tsara laza tamin’ny Jiosy dahôlo takao an-tanàna. 13 Tonga taigny amin’ny toerana nisy anahy izy ary nitarea taminahy hoe: Ô Saoly rahalahiko! Mahirata! Takeo no ho akeo dia nahiratra izaho ka nahita ananjy. 14 Dia hozy taminahy: Efa nosafidin’Ilay Andriamagnitry ny razambentsika ianao mbô hahafantatra ny sitrapony sy hahita Ilay Marina ary haharegny ny raha taraviny 15 satria ianao no ho vavolombelony akeo amin’ny ôlona dahôlo ka hagnambara izay raha hitanao sy regninao. 16 Ino ma no mbôla dignesana? Mitsangàna, dia alay ianao hatao batisa ary hosasana ho afaka amin’ny fahotanao ianao rehefa magnantso ny Agnarany.
Mitantara ny fagnirahana ananjy nankaigny amin’ny Jentilisa i Paoly
17 Rehefa tafaverina ta-Jerosalema izaho, ka nivavaka takao amin’ny tempoly, dia nahita fahitana. 18 Hitako ny Tômpo nitarea taminahy nagnano hoe: Maladiladia ianao, mialà malaky aketo Jerosalema, fa tsy hagnaiky ny fagnambaranao momba Anahy ny ôlona. 19 Dia hozy izaho Taminanjy: Ô Tômpoko! Fantanjareo tsara fa nitety sinagoga izaho ka nogadraiko sy nasaiko notaroana dahôlo izay ôlona mino Anao. 20 Tamin’ny fotoana namonoana an’i Stefana, ilay vavolombelonao, dia takeo koa izaho. Nankasitrahako ny ôlona namono ananjy, ary izaho mihitsy aza no niambina ny akanjonjareo dahôlo. 21 Dia hozy ny Tômpo taminahy: Mandehana fa hagniraka anao handeha lavitra, hankaigny amin’ny Jentilisa, Izaho.
Paoly sy ilay lehiben’ny miaramila romana
22 Nitaino an’i Paoly hatramin’ny farany ny ôlona izay vao nihorakoraka mafy hoe: Vonoy aigny ilay zalahy io fa tsy mendrika ny ho velona! 23 Dia nagnantsognantso ny ôlona sady nagnala akanjo ary namafy vovoka. 24 Dia nagname baiko hampidirana an’i Paoly akao amin’ny lapa ny lehiben’ny miaramila ary nasainy notarôhana izy mbô hamantarana ny antony hihorakorahan’ny ôlona ananjy. 25 Ary notadianjareo tamin’ny tady hoditra i Paoly mbô hotarôhana; dia hozy tamin’ilay kapiteny nitsangana takaikiny takeo: Manjary tarôhana ma ny ôlona romana mbôla tsy voatsara? 26 Rehefa naharegny an’izany ilay kapiteny, dia nitarea tamin’ny lehiben’ny miaramila hoe: Ino izany ny raha hataonao satria Romana io lehilahy io? 27 Dia nagnatona an’i Paoly ilay lehiben’ny miaramila ka nagnadina ananjy hoe: Taravo aminahy edy, tegna Romana marina ma ianao? Dia hozy: Ieny. 28 Ary hozy ilay lehiben’ny miaramila: Vola be no naloako mbô hahazoako ny zom-pirenena romana. Fa hozy Paoly: Letry izaho mbôla vao teraka dia efa Romana. 29 Tonga dia niala malady takeo ny ôlona saika hagnadina an’i Paoly; ary natahotra mbaraky ny lehiben’ny miaramila rehefa nahafantatra fa Romana izy satria efa notadiana i Paoly.
Tagnoloanan’ny Sinedriona i Paoly
30 Te hahafantatra ny antony nitorian’ny Jiosy an’i Paoly ilay lehiben’ny miaramila ka ny amaraignan’igny, dia nasainy novahana izy ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorogna sy ny Sinedriona. Dia nindesin’ilay lehiben’ny miaramila tagnoloananjareo i Paoly.