23
Nodinihin’i Paoly tsara zareo Sinedriona, dia hozy: Ô rahalahy! Mandrak’ity nigniany, izaho dia nanompo an’Andriamagnitra tamin’ny fo madio. 2 Kanefa nasain’i Ananiasy Mpisorognabe nitaroka ny vavan’i Paoly ireo ôlona takaikiny. 3 Dia hozy Paoly tamin’i Ananiasy: Mpihatsaravelatsihy! Andriamagnitra no hitaroka anao. Mipetraka mbô hitsara anahy araka ny Lalàna ianao, kanefa mandika ny Lalàna satria nasainao notarôhana izaho. 4 Dia hozy zareo nitsangana takaikin’i Paoly: Sahinao ma ny manivativa ny Mpisorognamben’Andriamagnitra? 5 Fa hozy Paoly: Ô rahalahy! Tsy fantatro hoe Mpisorognambe izy. Izao mbôka ny raha voasoratra: “Aza magnasaha ny mpitondra ny firenenareo” (Eks 22.27).6 Rehefa fantatr’i Paoly fa ny sanagny taminjareo takeo amin’ny Sinedriona dia Sadoseo, ary ny sanagny Fariseo, dia nagnantso mafy takeo agnivonjareo izy hoe: Ô rahalahy! Izaho dia Fariseo ary zanaka Fariseo. Mikasika ny fagnantenana sy ny fitsanganana amin’ny maty no antony hitsarana anahy. 7 Rehefa avy nitarea an’izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roay ny mpivory. 8 Lazain’ny Sadoseo mbôka fa tsisy ny fitsanganana amin’ny maty ary tsisy koa na ny anjely na ny fagnahy; nefa izany raha dahôlo izany dia eken’ny Fariseo. 9 Dia nisamariaka nikotaba takeo ny ôlona; ary nitsangana ny mpampiana-dàlana sanagny akao amin’ny antokon’ny Fariseo ka niadihevitra hoe: Tsy mahita fahadisoana amin’ity lehilahy ity izahay, fa sao dia fagnahy na anjely no nitarea taminanjy.
10 Nihamafy ny fifamaliana ka natahotra ny lehiben’ny miaramila sao dia hifampisintoman’olona i Paoly ka hisamatsamaka. Dia nameny baiko ny miaramila mbô hidigna hialaka an’i Paoly tagnivon’ny mpivory sy hitondra ananjy aigny amin’ny lapa. 11 Tamin’igny alina igny dia niboagna tamin’i Paoly ny Tômpo ka nitarea taminanjy hoe: Mahereza! Sahala amin’ny nagnambaranao Anahy ta-Jerosalema no tsy maintsy mbôla hagnambaranao Anahy koa aigny Rôma.
Ny teti-dratsy hamonoana an’i Paoly
12 Kiakan’igny, dia nifagnaraka ny Jiosy ka nifanta fa tsy hihinan-kanina na hisotro rano raha tsy efa mahafaty an’i Paoly. 13 Mahery ny efapolo ny isanjareo. 14 Dia nandeha nankaigny amin’ny lehiben’ny mpisorogna sy ny lohôlona zareo ka nitarea taminjareo hoe: Efa nifanta izahay fa tsy hihinan-kanina na hisotro rano raha tsy efa mahafaty an’i Paoly. 15 Taravo ary ny lehiben’ny miaramila sy ny Sinedriona izao mbô hitondra an’i Paoly hankatỳ aminareo ka mody ataovy hoe te hamotopototra tsara ny momba an’izay raha nataony ianareo. Fa izahay kosa dia efa vonona ny hamono ananjy alohan’ny hahatongavany atỳ.
16 Rehefa naharegny an’izany teti-dratsy izany ny zanak’anabavin’i Paoly, dia lasana nankaigny aminanjy, taigny amin’ny rova, ka nilaza an’izany taminanjy. 17 Dia nagnantso kapiteny iraika i Paoly ka nitarea taminanjy hoe: Mbô indeso aigny amin’ny lehiben’ny miaramila ity gaogna ity fa misy raha hotaraviny aminanjy. 18 Dia nindesin’ilay manamboninahitra nankaigny amin’ny lehiben’ny miaramila ilay gaogna ka nitarea taminanjy hoe: Nantsovin’i Paoly, ilay gadra, mbô ho aigny aminanjy izaho ka nangatahany hitondra an’ity gaogna ity hankatỳ aminao fa misy raha hotaraviny aminao izany hono. 19 Dia notantanan’ilay lehiben’ny miaramila ilay gaogna ka nindesiny nihatakataka kely ary nadigniny hoe: Inona ma izany raha hotaravinao aminahy izany? 20 Dia hozy ilay gaogna: Nifanaraka ny Jiosy fa hangataka aminao ny hitondrana an’i Paoly hankaigny amin’ny Sinedriona amaraina, mody atao hoe te hamotopototra tsara ny momba an’izay raha nataony. 21 Araka izany, aza magnaiky anjareo. Efapolo lahy mahery zareo no niray lôha hagnambotra an’i Paoly ka nifanta fa tsy hihinan-kanina na hisotro rano raha tsy efa mahafaty ananjy. Efa vonona zareo ireo izao fa mandigny ny valinteninao sisa. 22 Dia nasain’ilay lehiben’ny miaramila nandeha ilay gaogna sady nafaparany hoe: Aza lazaina amin’olona izany raha notaravinao taminahy izany.
Nafindra taigny Kaisara i Paoly
23 Dia nagnantso kapiteny roa lahy izy avy takeo ka nitarea taminjareo hoe: Manomàna miaramila roanjato lahy sy miaramila mpitikina soavaly fitopolo ary mpitandefona roanjato handeha hankaigny Kaisaria nigniany alina amin’ny sivy. 24 Hanomano soavaly koa hitikinan’i Paoly, mbô ho tonga soa aman-tsara aigny amin’i Feliksa governora izy. 25 Dia izao ny taratasy nosoratany:
26 Izaho Klaodio Lisia no manoratra ho an’Andriamatoa Feliksa, governora hajaina. Miarahaba anao tompoko. 27 Ity lehilahy ity dia nosamborin’ny Jiosy ary efa handeha hovonoinjareo. Rehefa fantatro fa Romana izy dia nitondra miaramila izaho hagnavotra ananjy. 28 Tiako ho fantatra ny antony itorian’ny Jiosy ananjy ka dia nindesiko takeo amin’ny Sinedriona izy. 29 Hitako fa adihevitra mikasika ny lalànanjareo no nitoriana ananjy, fa tsisy antony tokony hagnamelohana ananjy ho foaty na hanagadrana ananjy. 30 Rehefa notaravina taminahy fa managna teti-dratsy hamono ananjy ny Jiosy, tonga dia nalefako malady hankaty aminao izy; ary nasaiko nametraka fitoriana aigny aminao koa zareo mpitory ananjy.
31 Dia nindesin’ny miaramila ho aigny Antipatria i Paoly tamin’igny alina igny, araka ny baiko azonjareo. 32 Ny amarainan’igny, dia niverigna nankaigny amin’ny toby ny miaramila, fa zareo mpitikina soavaly no navelany hanohy ny dia miaraka amin’i Paoly. 33 Rehefa tonga taigny Kaisaria zareo, dia nameny ny governora ilay taratasy ary natolony ananjy koa i Paoly. 34 Rehefa avy namaky ny taratasy ny governora, dia nagnadina an’i Paoly ny amin’izay faritany niaviany. Rehefa fantany fa avy aigny Kilikia izy, 35 dia hozy: Ho tandrinesiko ny raha taravinao rehefa tonga ny mpitory anao. Dia nasain’ny governora nambesana takao an-dapan’i Heroda i Paoly.