Ny fitorian’ny Jiosy an’i Paoly
24
Dimy andro tafaran’izay, dia tonga takao Kaisaria i Ananiasy mpisorognabe, niaraka tamin’ny lohôlona vitsivitsy sy tamin’ny mpisolovava antsovina hoe Tertilo. Tonga takao amin’i Feliksa governera zareo dahôlo mbô hametraka fitaraignana mitory an’i Paoly. 2 Rehefa nampanantsovina i Paoly dia nampangain’i Tertilo an’izao: Ingahy governera hajaina, ianao no mampisy an’izao fandriampahalemana tonga lafatra hiadananay izao, ary ny fitondranao feno fahendrena no mampatonga an’ireo fivoarana mahasoa an’ity firenena ity. 3 Na akaiza na akaiza dia mankasitraka anao foagna izahay amin’ny raha dahôlo nataonao. 4 Tsy te hitana anao ela avy izaho fa miangavy ny fahatsoram-ponao mbô hitaino anay vetiketika foagna.
5 Hitanay fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: Mitarika ny Jiosy manerantany hikorontana. Izy dia mitarika ny antoko Nazareana. 6 Mbôla saika hanimbazimba ny Tempoly koa ary izy ka dia nosamborinay. Ary tianay hotsaraina araka ny lalànanay, 7 kanefa tonga i Lisia lehiben’ny miaramila nagnano bodongerona naka ananjy tam-pelatagnanay. 8 Ary dia nasain’i Lisia mankatỳ aminao ny mpitory ananjy. Rehefa magnano famotorana an’io lehilahy io ianao, dia hahita fa marina dahôlo ny raha hitorinay ananjy.
9 Nohamafisin’ny jiosy koa ny fitorina ka notaraviny fa tegna marina mihitsy izany.
Mandahatra ny fiarovan-tegnany tagnatrehan’i Feliksa governera i Paoly
10 Rehefa notondroin’ny governera hitarea i Paoly dia hozy: Fantatro fa efa mpitsara ny vahoaka aketo amin’ity firenena ity nandritra ny taona maro ianao ka amin’ny fahatokisana no hiarovako tegna magnoloana anao. 11 Azonao fantarina tsara fa tsy mbôla nihoatra ny roambinifolo andro no niakarako ta-Jerosalema mbô hivavaka. 12 Ireo ôlona mpitory anahy ireo dia tsisy nahita anahy niady hevitra tamin’ôlona takao an-kianjan’ny tempoly na nitaoma ny vahoaka tan-tanana na taigny amin’ny Sinagoga hikomy. 13 Araka izany, dia tsy afaka hagname porofo anao zareo ireo ny amin’izay raha hiampangany anahy. 14 Izaho dia miaiky aketo agnatrehanao fa manompo ny Andriamagnitry ny razagnay araka ny hanarahako ny Lalana izay antsovinjareo hoe antoko nosoritan’Andriamagnitra. Izaho koa dia mino izay raha dahôlo voasoratra akao amin’ny bokin’ny Lalàna sy ny mpagnazary. 15 Na izaho na zareo dia samby magnantena an’Andriamagnitra fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, na ny ôlona marina na ny ôlona meloka. 16 Araka izany, dia miezaka foagnany izaho mbô hanagna fisaignana madio akeo agnatrehan’Andriamagnitra sy ny ôlona. 17 Taona maro taty afara izay naha ta-Jerosalema anahy, dia niverigna indray izaho nitondra ny fagnampiana ho an’ny fireneko sady nagnano fagnatitra ho an’Andriamagnitra. 18 Efa voadio izaho tamin’izany no hitanjareo takao an-kianjan’ny tempoly; tsisy vahôaka vory takeo sady tsisy ôlona nisalahoaka. 19 Fa nisy Jiosy vitsivitsy avy amin’ny faritany Azia takao, ka zareo ireo no tokony hagnatrika anao aketo hitory anahy raha misy raha hiampanganjareo anahy. 20 Na avelay ireto ôlona ireto hagnambara ny fahadisoako izay hitanjareo rehefa nitsangana niatrika ny Sinedriona izaho, 21 afa-tsy ilay raha notaraviko tagnivonjareo dahôlo nagnano hoe: “Mikasika ny fitsanganana amin’ny maty no itsaranareo anahy aketo nigniany.”
22 I Feliksa dia mahafantatra tsara an’izany Lalana izany, dia nahemotrany amin’ny manaraka ny fitsarana sady noravany ny ôlona dia hozy: Rehefa tonga atỳ i Lisia lehiben’ny miaramila, dia hanapakevitra ny raharahanareo izaho. 23 Dia nobaikony ilay kapiteny hiambina an’i Paoly sy hagname fahafahana ananjy ary hamela an’ireo namany hamangy sy hikarakara ananjy.
Paoly tagnatrehan’i Feliksa sy Drosila
24 Andro vitsivitsy tafaran’izany, dia tonga i Feliksa niaraka tamin’i Drosila vadiny, izay vehivavy Jiosy. Dia nasainy nantsovina i Paoly mbô hitaino izay raha notaraviny momba ny finoana an’i Kristy Jesoa. 25 Rehefa niresaka momba ny fahamarinana sy ny fifehezan-tegna ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia natahotra i Feliksa ka nagnano hoe: Mandehana malôha ianao mandeha! Rehefa managna fotoana malalaka izaho dia hampanantsoviko ianao! 26 Nagnantegna mbôka i Feliksa fa hagname vola ananjy Paoly, ka nampanatsoviny matetika izy mbô hifampiresaka aminanjy.
27 Roa taona tafaran’igny, dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa ho governera. Ary satria te hahazo sitraka amin’ny Jiosy i Feliksa, dia tsy navoakany fa nogadrainy foagna i Paoly.