Nampiakatra ny fitsarana aigny amin’i Kaisaria i Paoly
25
Telo andro tafaran’ny nahatongavany takao amin’ny faritany, dia niainga avy takao Kaisaria i Festosy ka nankaigny Jerosalema. 2 Ireo lôhandôha-mpisorogna sy ny lohôlona jiosy dia nandeha taminanjy mbô hametraka fitoriana an’i Paoly, ary niangavy mafy tamin’i Festosy zareo 3 mbô havelany hafindra atỳ Jerosalema i Paoly; managna teti-dratsy hamono ananjy aigny an-dalana mbôka zareo. 4 Kanefa hozy Festosy: Migadra aigny Kaisaria i Paoly, ary tsy ho ela avy izaho dia hiverigna aigny 5 Dia hozy: Alay zareo manam-pahaizana aminareo no hiaraka hidigna aminahy ho aigny Kaisaria hiampanga an’izany lehilahy izany raha misy ratsy vitany.
6 Tsy nihoatra ny valo na folo andro no nananganan’i Festosy ta-Jerosalema dia niverigna taigny Kaisaria izy. Kiakan’igny, dia niantotra takeo amin’ny fitsarana izy ary nampanantsovina i Paoly. 7 Rehefa tonga Paoly, dia nitsangana nagnodidina ananjy ny Jiosy avy ta-Jerosalema. Taravinjareo fa nagnano fahadisoana betsaka sady henjakenjana izy, nefa tsy voaporofonjareo avy izany. 8 Kanefa niaro tegna i Paoly ka nagnano hoe: Tsisy fahotana vitako avy nanohitra ny lalànan’ny Jiosy na ny tempoly na i Kaisara.
9 Te hahazo sitraka amin’ny Jiosy anefa i Festosy ka nagnontany an’i Paoly hoe: Asa ma raha tianao ny hiakatra aigny Jerosalema ka hotsaraina akeo agnatrehako mikasika an’ireo raha iampangana anao ireo? 10 Dia hozy Paoly: Aketo amin’ny fitsaran’i Kaisara izay tokony hitsarana anahy no hitsanganako. Izaho dia tsy nagnano raha ratsy tamin’ny Jiosy, ary mahafantatra tsara an’izany ianao. 11 Raha nagnano raha ratsy izaho ka tokony helohina ho foaty dia magnaiky ny ho foaty izaho. Kanefa kosa raha tsy marina ny fiampangana ataonjareo anahy, dia tsisy ôlona na iza na iza afaka manolotra anahy aminjareo. Ary izaho dia hampakatra ny fitsarana aigny amin’i Kaisara. 12 Rehefa avy nifampidinika tamin’ny mpagnolotsaignany i Festosy dia nagnano hoe: Nakarinao aigny amin’i Kaisara ny raharaha, dia ho aigny amin’i Kaisara ianao!
Paoly tagnatrehan’i Agripa sy i Berenika
13 Andro vitsivitsy tafaran’igny, dia tonga ta-Kesaria hiarahaba an’i Festosy i Agripa mpanjaka sy i Berenika anabaviny. 14 Nanangana andro maromaro takao zareo, dia nazavazavain’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny raharaha momba an’i Paoly, dia hozy: Misy gadra iraika navelan’i Feliksa akao. 15 Tamin’izaho taigny Jerosalema, ny lôhandôha-mpisorogna sy ny lohôlona jiosy dia nitory ananjy ary niangavy anahy hagnameloka ananjy. 16 Dia novaliako zareo hoe: Tsy fataon’ny Romana ny magnameloka ôlona raha tsy efa nampifagnatrehina tamin’ny mpitory ny ôlona torina ary afaka miaro tegna hamaly ny fiampangana ananjy izy. 17 Tonga taketo aminahy zareo dia tsy nangataka andro izaho, fa kiakan’igny, dia niantotra tamin’ny fitsarana izaho ka nasaiko nalaina ilay iraikalahy. 18 Rehefa nitsangana nagnazava zareo mpitory, dia tsisy raha ratsy araka izay noeritreretiko niampanganjareo ananjy. 19 Fa ny niadivanjareo hevitra taminanjy foagnany dia momba ny fivavahany sy momba an’izany Jesoa efa maty izany kanefa i Paoly mitarea fa velona Izy. 20 Very hevitra izaho ary tsy hitako izay hatao amin’ny karazana raharaha sahala amin’izao. Dia nagnadina an’i Paoly izaho raha tiany na tsy tiany ny handehanany hotsaraina aigny Jerosalema mikasika an’ireo fiampangana ireo. 21 Kanefa nisafidy i Paoly hampakatra ny raharaha mbô hotsaraina aigny amin’i Kaisara. Dia nasaiko nambesana izy mandra-pandefasako ananjy aigny amin’ny Kaisara. 22 Dia hozy i Agripa tamin’i Festosy: Mbô te haharegny an’izany lehilahy izany koa izaho! Dia novalian’i Festosy hoe: Haharegny ananjy ianao amaraigna!
23 Amaraignan’igny, tonga tamboninahitra i Agripa sy i Berenika ary nagnotrogna anjareo ny lehiben’ny miaramila sy ny ôlona manan-kaja tan-tanàna rehefa niditra takao amin’ny efitragno fitsarana zareo. Dia nindesina takeo koa i Paoly araka ny baikon’ny Festosy. 24 Ary hozy i Festosy: Ô Agripa mpanjaka sy ianareo dahôlo magnatrika aketo! Betsaka ny Jiosy nitaraigna taminahy momba an’io iraikalahy hitanareo io, na ta-Jerosalema na taketo, ka notaravinjareo fa tsy mendrika ny ho velona intsony izy. 25 Fa raha momba anahy malôha dia tsy hitako avy izay raha ratsy vitany ka tokony hagnamelohana ananjy ho foaty. Kanefa ma dia izy foagna no nampakatra ny raharahany aigny amin’i Kaisara, dia tapa-kevitra izaho handefa ananjy aigny Roma! 26 Ô Agripa mpanjaka! Tsy managna raha mazava ho soratana momba ananjy alefa aigny amin’i Kaisara izaho; ka nindesiko aketo agnatrehanareo izy, mintsaka fa aketo agnatrehanao. Afaran’ny raha hagnadinanareo ananjy, dia mbô hahita raha hosoratana izaho. 27 Araka ny hevitro mbôka dia tsy mety ny mandefa gadra aigny amin’i Kaisara raha tsy mari-pototra tsara ny raha iampangana ananjy.