Ny fitsarana marina ataon’Andriamagnitra
2
Araka izany, ianao mitsaratsara ôlona io dia tsy afaka magnamarin-tegna, na iza ianao na iza; fa raha mitsara ny hafa ianao, dia magnameloka ny tegnanao koa satria ianao mitsara io ary mbôla magnano raha sahala amin’izany koa. 2 Fantatsika mbôka fa marina ny fitsaran’Andriamagnitra an’izay ôlona magnano raha ôhatra an’izany. 3 Ô raôlona! Ianao mitsaratsara ôlona io, heverinao ma fa ho afa-maigna amin’ny fitsaran’Andriamagnitra ianao, kanefa ianao magnano sahala amin’izany koa? 4 Tsotra be sady mandefitra ary maharitra Andriamagnitra. Izany ma no mahatonga anao tsy magnahoa? Tsy hainao ma fa ny fahatsorany no mitarika anao hibebaka? 5 Noho ny di-dôhanao sy ny tsy fagnekenao hibebaka no mahatonga an’Andriamagnitra ho tegna sosy aminao amin’ny andron’ny fitsarana, rehefa haboagna ny fahasoseny sy ny fitsarany marina. 6 Izy no hamaly ny ôlona tsiraikaraika araka ny raha nataony avy: 7 Fiaignana mandrakizay ho an’izay mahadigny magnano raha tsara sady mikaraka voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana; 8 fa asira sy fahasosena kosa indray ho an’izay ôlona mikaraka ny tombontsoany manokana sady tsy magneky ny marina, fa magnaraka ny tsy marina. 9 Fahoriana sy tebiteby no hahazo an’ny ôlona dahôlo izay magnano ratsy, ny Jiosy malôha, dia avy akeo ny Jentilisa; 10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa indraika ho an’ny ôlona dahôlo izay magnano ny tsara, ny Jiosy malôha, dia avy akeo ny jentilisa koa! 11 Fa Andriamagnitra tsy magnavakavaka.12 Izay ôlona dahôlo nanota tsy nahafantatra ny lalàna mbôka dia ho very na dia tsy hotsaraina araka ny lalàna aza. Fa izay ôlona nanota kanefa nahafantatra ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. 13 Tsy izay mitaino ny lalàna no marina amin’Andriamagnitra, fa izay magnatanteraka ny lalàna no hohamarinina; 14 kanefa raha ny Jentilisa tsy managna ny lalàna no magnaraka ho ananjy ny didy voasoratra amin’ny lalàna, dia sahala misy lalàna izany agnatinjareo akao na dia tsy magnana ny lalàna avy zareo. 15 Abaribarinjareo fa voasoratra agnatin’ny fonjareo akao ny asan’ny lalàna, sady vavolombelona amin’izany koa ny eritrerigny sy ny fisaignany ka indraindray mifagnameloka, indraindray mifampiaro. 16 Izany no raha hitranga amin’ny andro hitsaran’Andriamagnitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny raha asitrik’ôlona, araka ny Tarea Maharavo izay toriko.
Ny tsy fankatoavan’ny Israely
17 Milaza ny tegnanao ho Jiosy ianao sady miankina amin’ny lalàna no misekoseko fa managna an’Andriamagnitra; 18 fantatrao ny sitrapony satria efa nampianarina anao ny lalàna mbô hahaizanao magnavaka an’izay raha tegna tsara. 19 Ary matoky tegna ianao fa mpitarika ny jamba sy jiro magnazava ho an’izay akao amin’ny maizigna; 20 mpagnanatra ny adala sy mpampianatra ny gaogna madinika ianao satria managna ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana. 21 Araka izany, ianao mampianatra ny sanagny io, magnino ma izany no tsy ampianarinao ny vatantegnanao? Ianao mitory hoe: Aza mangalatra, magnino ma izany ianao no mangalatra? 22 Ianao mitarea hoe: Aza malanga, magnino ma izany ianao no malanga? Mamparikoriko anao ny sampy, magnino ma izany ianao no mangalatra raha agnatin’ireo tempoly? 23 Misekoseko ianao fa hoe managna ny lalàna kanefa magnala baraka an’Andriamagnitra amin’ny tsy fagnarahan-dalàna. 24 Voasoratra mbôka hoe: Ny raha ataonareo foagnany no nahatonga ny Jentilisa hagnevateva ny agnaran’Andriamagnitra.
25 Tsy iadivan-kevitra fa misy dikany ny vita hasoavana raha ôhatra ka magnaraka ny lalàna ianao; sahala amin’ny ôlona tsy vita hasoavana mbôkany ianao raha tsy magnaraka ny lalàna. 26 Araka izany, raha misy lehilahy iraika tsy vita hasoavana kanefa magnaraka ny lalàna, dia hampitovian’Andriamagnitra amin’ny ôlona vita hasoavana koa izy. 27 Ianao izay mandika ny lalàna kanefa sady vita hasoavana no managna ny lalàna dia hotsarain’ilay lehilahy tsy vita hasoavana izay magnaraka ny lalàna. 28 Tsy raha hita maso mbôka ny maha Jiosy na amin’ny nofo no itaravana fa vita hasoavana ny ôlona. 29 Ny toetra agnaty mbôka no maha Jiosy, ary ny vita hasoavana agnaty fo avy amin’ny Fagnahin’Andriamagnitra no tegna vita hasoavana fa tsy avy amin’ny lalàna voasoratra. Ny tegna Jiosy dia mahazo dera avy amin’Andriamagnitra fa tsy avy amin’ôlona.