Ny tsy fankatoavan’ny ôlombelona dahôlo
3
Ka ino ma izany no tombony amin’ny maha Jiosy, ary mbô ino ny ilaivana ny vita hasoavana? 2 Betsaka mihitsy amin’ny lafiny maro: Voalôhany, natolotr’Andriamagnitra ho andraikitry zareo ny tareany. 3 Tsy mivadi-pitokisana mihitsy Andriamagnitra na dia akeo aza ny sanagny mivadibadi-kevitra. 4 Tegna marina! Na dia mpandainga ary ny ôlona, Andriamagnitra tsy mbô mandainga izany; araka ilay voasoratra hoe:
“Mbô ho hita fa marina ianao rehefa mitarea,
Ary handresy ianao rehefa tsaraina” (Sal 51. 4).
5 Raha ôhatra ka ny raha ratsy ataontsika no mampibaribary ny fahamarinan’Andriamagnitra, dia manakôry? Dia diso izany Andriamagnitra raha sosy amintsika Izy? (Amin’ny maha ôlombelona anahy no itaravako an’izany). 6 Nofintaninao! Fa raha izany no izy, dia hataon’Andriamagnitra manakôry ma izany ny fitsarana an’izao tontolo izao? 7 Fa raha tamin’ny laingako no nampitombo ny voninahitry ny fahamarinan’Andriamagnitra, dia magnino ma izany izaho no tsaraina hoe mpanota indray koa? 8 Ary magnino ma raha tonga dia taravina hoe: Andao hagnano raha ratsy mbô hahatongavan’ny raha tsara amintsika? Ny sanagny mbôkany magnendrikendrika antsika hoe nilaza an’izany. Ho voaheloka zareo iregny ary fanaoka anjareo mihitsy izany.
9 Ka atsika Jiosy ma izany ambony raha mitaha amin’ny ôlon-kafa? Tsy izany mihitsy! Fa araka ilay efa notaravintsika igny fa samby andevon’ny ota dahôlo na ny Jiosy na ny Jentilisa; 10 araka ny voasoratra hoe:
Tsisy ôlona marina na dia iraika;
11 Tsisy ôlona mahazo ognon-draha,
Tsisy ôlona mikaraka an’Andriamagnitra.
12 Samby efa nibirioka zareo dahôlo,
ary samby tsisy ilaivana ananjy dahôlo avy zareo;
Tsisy ôlona na dia iraika mbô magnano raha tsara (Sal 14. 13).
13 Ny tendanjareo ma izany dia sahalan-draha fasagna misokatra;
ny lelanjareo koa dia ndesinjareo mamitaka;
sahalan-draha feno poizina bibilava izany ny vavanjareo (Sal 5. 9).
14 Feno ozogna sy teny tsy zaka ny vavanjareo;
15 Mailaka mihitsy ny tongonjareo rehefa handeha hamono ôlona;
16 Fandravana sy fampijaliana foagna no magnamarika ny dianjareo;
17 ary tsy mbô fantanjareo avy izany lalan’ny fiadanana izany;
18 Tsisy tahotra an’Andriamagnitra mihitsy aminjareo.
19 Fantatsika mbôka fa izay raha taravin’ny lalàna dia ampiharina amin’izay ambanin’ny lalàna, mbôry izay hikombom-bava ka tsy hagnamarin-tegna ary samby hagneky fa meloka akeo agnatrehan’Andriamagnitra izao tontolo izao, 20 satria tsisy ôlona lazaina hoe marina akeo agnatrehan’Andriamagnitra amin’ny fagnarahan-dalàna, ny lalàna mbôka dia mampibaribary amintsika fa mpanota atsika.
Ny fagnamarinana amin’ny finoana
21 Kanefa amin’izao dia efa nabaribarin’Andriamagnitra fa ny fahamarinana dia tsy avy amin’ny fagnarahan-dalàna; ary efa notaravin’ny lalàna sy ny mpagnazary izany fahamarinana izany. 22 Ny fahamarinan’Andriamagnitra mbôka dia avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny ôlona dahôlo izay mino tsisy ankagnavaka. 23 Fa samby efa nanota ka tsy managna ny voninahitra avy amin’Andriamagnitra zareo dahôlo, 24 kanefa nohamarinina maimaim-poagna noho ny fahasoavany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay nagnavotra tamin’ny ota. 25 Natolotr’Andriamagnitra atao sorogna Izy ho fagnavotana amin’ny fahotana mbô ho voavela ny otan’izay ôlona mino Ananjy. Aboagnan’Andriamagnitra amin’izany fa marina Izy satria tsy namaly ny fahotana vita taigny alôha 26 fa nandefitra. Araka izany, naboagnany ny fahamarinany amin’izao andro izao: Marina Izy sady magnamarina an’izay mino an’i Jesoa.
27 Araka izany, mbôla misy antony tokony hampisekoseko ma? Tsisy avy. Fa magnino? Tsy ny fagnarahan-dalàna mbôka no tegna ilaina fa ny finoana. 28 Mihevitra mbôka atsika fa izay managna finoana no ôlo-marina amin’Andriamagnitra fa tsy izay magnaraka ny lalàna. 29 Andriamagnitry ny Jiosy irerika ma izany Izy? Fa tsy mbô an’ny Jentilisa koa? Eny, an’ny Jentilisa koa Izy 30 satria iraika foagna Andriamagnitra, Izay hagnamarina ny Jiosy noho ny finoana, ary hagnamarina ny Jentilisa koa noho ny finoana. 31 Araka izany ny fampiasantsika ny finoana ma izany magnafoagna ny lalàna? Tsy izany mihitsy! Mintsaka magnamafy ny lalàna ary atsika.