Ny ôhatra namen’i Abrahama
4
Araka izany, ino ma izany ny raha hotaravintsika mikasika an’i Abrahama razambenay Jiosy? Ino ma izany ny raha efa azony? 2 Raha tamin’ny asa tsara vitan’i Abrahama no nagnamarinana ananjy dia manjary misekoseko izy, kanefa tsy akeo agnoloan’Andriamagnitra. 3 Fa izao no taravin’ny Soratra Masina: “Ôlo-marina no fandraisan’Andriamagnitra an’i Abrahama satria nino Ananjy izy” (Gen 15. 6). 4 Ny karama raisin’ny ôlona miasa mbôka dia tsy fahasoavana fa valin-kasasarany. 5 Fa ho an’ny ôlona tsy miasa kosa indray kanefa mino an’Ilay magnamarina ny ratsy fagnahy dia ny finoany no hagnamarinana ananjy. 6 Izany no nahatonga an’i Davida nitarea fa sambatra ny ôlona izay raisin’Andriamagnitra ho marina tsy noho ny asany. Dia hozy:
7 “Sambatra ny ôlona izay
voavela ny helogny
sy voafafa ny fahotany.
8 Sambatra ny ôlona izay
tsy isain’i Tômpo heloka” (Sal 32. 1-2).
9 Natao ho an’ny vita hasoavana irerika ma izany ny fahasambarana? Sa ho an’ny tsy vita hasoavana koa? Atsika mbôka efa nitarea fa noraisin’Andriamagnitra ho marina i Abrahama satria nino. 10 Tamin’ny oviana ma izany raha izany no niseho? Tamin’izy efa vita hasoavana sa talôhan’izany? Tsy tamin’izy efa vita hasoavana avy fa talôhan’izany. 11 Araka izany, natao hasoavana izy tatỳ afara mbô hagnaporofoany fa nohamarinin’Andriamagnitra tamin’ny finoany izy, talôhan’ny nagnanaovana hasoavana ananjy. Nanjary rain’ny ôlona dahôlo nino i Abrahama satria nohamarinin’Andriamagnitra zareo na dia tsy vita hasoavana aza. 12 Ary rain’izay vita hasoavana ka mino izy, dia ny ôlona izay magnara-dia an’i Abrahama amin’i finoana izay nanagnany talôhan’izy natao hasoavana.
Ny fampagnantegnan’Andriamagnitra azo avy amin’ny finoana
13 Nahazo ny fampagnantegnana ho mpandova an’izao tontolo izao Abrahama sy ny taranagny tsy noho ny lalàna fa noho ny finoany izay nahatonga an’Andriamagnitra handray ananjy ho marina. 14 Raha izay magnaraka ny lalàna irerika mbôka no mpandova dia foagna ny finoana ary tsisy varany ny fampagnantegnana. 15 Mahatonga hasosena mbôka ny lalàna fa raha tsisy lalàna dia tsisy ny fandikan-dalàna.
16 Araka izany, ny finoana no hahazoana mandova mbô ho araka ny fahasoavana ary mbô ho tanteraka amin’ny taranaka dahôlo ny fampagnantegnana, tsy ho an’izay mankatô ny lalàna irerika, fa ho an’izay managna ny finoan’i Abrahama razantsika dahôlo. 17 Araka ny voasoratra hoe: “Nataoko ho rain’ny firenena betsaka ianao” (Gen 17. 5). Raintsika izy takeo agnatrehan’Andriamagnitra, izay ninoany, ilay magname aigna ny maty sy mampatonga ny tsisy ho misy.
18 Na dia efa tsisy fagnantegnana avy, dia mbôla nagnantegna foagna i Abrahama ka nino ary nanjary rain’ny firenena betsaka izy. Araka ny raha notaravin’Andriamagnitra hoe: “Ho betsaka ny taranakao” (Gen 15. 5). 19 Tsy nihegna mihitsy ny finoan’i Abrahama na dia efa tokotokony ho zato taona aza izy ka nihevitra ny tegnany sahala amin’ny kakazo amoron-tevagna sady nahita an’i Saraha tsy namaitra mihitsy. 20 Tsy nisalasala izy fa natoky ny fampagnantegnan’Andriamagnitra; vao mainka ary nampahery ananjy ny finoany ka nagname voninahitra an’Andriamagnitra izy. 21 Ary natoky tanteraka izy fa hain’Andriamagnitra no magnatanteraka izay nampagnantegnainy 22 ka dia noraisin’Andriamagnitra ho marina izy. 23 Kanefa tsy ho ananjy irerika foagna no nanoratana hoe: Noraisin’Andriamagnitra ho marina izy. 24 Fa ho antsika koa no nanoratana an’izany, dia atsika izay mino an’Ilay nanangana an’i Jesoa Tômpontsika tamin’ny maty, 25 izay nafoiny ho foaty vokatry ny fahotantsika, ka natsangana tamin’ny maty mbô hagnamarinana antsika.