Ny fihavanana amin’Andriamagnitra
5
Rehefa nohamarinina tamin’ny finoana atsika dia nanjary magnana fihavanana amin’Andriamagnitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 2 Avy Taminanjy koa mbôka ny nahazoantsika fahafahana mbô hagnatogna amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana iaignantsika izao, ary hisekoseko atsika magnantegna ny voninahitr’Andriamagnitra. 3 Tsy izany irerika ihany fa misekoseko foagna atsika na dia mijaly aza satria fantatsika tsara fa rehefa avy nijaly dia lasa mahavita miaritra. 4 Ny ôlona mahavita miaritra mbôka dia mahavita mitôzo na dia amin’ny sarotra aza, ary rehefa mahavita mitôzo dia managna fagnantegnana; 5 ary tsy afa-baraka atsika managna an’izany fagnantegnana izany satria efa natobaka tam-pontsika ny fitiavan’Andriamagnitra tamin’ny alalan’ny Fagnahy Masina.6 Tamintsika mbôla tsy nahavita niady tamin’ny fahotana dia maty Kristy tamin’ny fotoana voatondron’Andriamagnitra mbô hamonjy ny mpanota. 7 Parazara raha misy ôlona magneky ho foaty hagnavotana ny ôlona marina kanefa mety hahasaky ho foaty ihany ny sanagny hamonjy an’izay ôlom-bantagna. 8 Kanefa abaribarin’Andriamagnitra amintsika ny fitiavany satria tamintsika mbôla mpanota dia maty Kristy hamonjy atsika. 9 Araka izany, noho ny ran’i Kristy nalatsaka dia efa nohamarinina atsika amin’izaoa ka azo antoka fa hovonjeny ho afaka amin’ny fahasosen’Andriamagnitra. 10 Tamintsika mbôla fahavalony ary dia efa nampihavanin’Andriamagnitra Taminanjy tamin’ny nahafatesan’ny Zanagny, mintsaka fa atsika efa vita fihavanana Taminanjy no tsy hovonjeny amin’ny alalan’ny fahaveloman’ny Zanagny. 11 Ary tsy izany irerika foagnany fa misekoseko amin’Andriamagnitra koa atsika fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika no nahazoantsika an’izao fihavanantsika amin’Andiamagnitra izao.
I Adama sy Jesoa Kristy
12 Araka izany, noho ny avy tamin’ny ôlona iraika dia niditra taketo amin’izao tontolo izao ny fahotana, ary ny fahotana no nahatonga ny fahafatesana ka nahazo ny ôlona dahôlo ny fahafatesana satria samby efa nanota dahôlo. 13 Talôhan’ny nagnamezan’Andriamagnitra ny lalàna an’i Mosesy dia efa nisy taketo amin’izao tontolo izao ny fahotana, kanefa tsy noraisina ho tsy fagnarahan-dalàna ny fahotana raha tsy efa nisy ny lalàna. 14 Kanefa niantena tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny andron’i Mosesy dia efa nahazo ny ôlona ny fahafatesana, na dia ny ôlona tsy nanota sahala amin’ny fahotana nataon’i Adama aza, tamin’ny izy tsy nankatô an’Andriamagnitra. Mitovitovy amin’ilay ho avy mbôka i Adama.
15 Fa samby hafa ny fagnamezam-pahasoavana sy ny fahadisoan’i Adama. Nahazo ny ôlona betsaka ny fahafatesana vokatry ny fahadisoan’i Adama irerika, kanefa matomboka be indray ny fahasoavan’Andriamagnitra sy ny fagnamezany maimaimpoagna ho an’ny ôlona betsaka avy amin’ny alalan’ny ôlona iraika dia Jesoa Kristy. 16 Samby hafa ny vokatry ny fahotana vitan’i Adama sy ny fagnamezam-pahasoavana namen’andriamagnitra. Ny fagnamelohana mbôka dia vokatry ny fitsarana ny fahadisoan’ôlona iraika; fa ny famelana tanteraka ny fahadisoan’ny ôlona betsaka kosa indray dia vokatry ny fagnamezam-pahasoavana avy tamin’Andriamagnitra. 17 Nahazo ny ôlona dahôlo ny fahafatesana vokatry fahadisoan’ny ôlona iraika; fa mitobaka indray ny fahasoavana sy ny fagnamarinana vokatry ny raha nataon’i Jesoa Kristy irerika. 18 Araka izany, nahazo fagnamelohana ny ôlona dahôlo vokatry ny fahadisoana iraika. Dia sahala amin’izany koa, nahazo fagnamarinana magname fiaignana ny ôlona dahôlo vokatry ny raha marina iraika vita.
19 Ôlona iraika no tsy nankatô an’Andriamagnitra dia nanjary mpanota ny ôlona betsaka, dia sahala amin’izany koa, ôlona iraika no nankatô an’Andriamagnitra dia nanjary marina ny ôlona betsaka. 20 Nagname ny lalàna Andriamagnitra mbô hahafantaran’ny ôlona fa mihabetsaka ny fahotana vitany. Rehefa fantany fa nihabetsaka kosany indray ny fahotana dia mbôla betsaka nandombolombo an’izany ny fahasoavan’Andriamagnitra. 21 Araka izany, dia nahazo ny ôlona dahôlo ny fahafatesana satria nanjaka ny fahotana, ary sahala amin’izany koa, nohamarinina sy nanjary velona mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika ny ôlona satria nanjaka ny fahasoavan’Andriamagnitra.