Maty raha resaka fahotana fa velona ho an’Andriamagnitra
6
Ino ary no dikan’izany? Mbôla hanohy hanota ihany ma izany atsika mbôry izay hitobaka ny fahasoavana? 2 Sagnatrian’ny vava! Raha resaka fahotana dia efa maty atsika, dia ataontsika manakôry indray koa ny hiaigna agnatin’ny fahotana? 3 Angaha ma tsy fantatrareo fa ny ôlona dahôlo efa natao batisa mbô ho tafaraika amin’i Jesoa Kristy dia natao batisa mbô hitambatra amin’ny fahafatesany? 4 Araka izany, tamin’ny alalan’ny batisa dia tafatambatra tamin’ny fahafatesany atsika ary niaraka nalevigna Taminanjy. Fa tamin’ny voninahitry ny Ray no nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, mbô ho sahala amin’izany koa ny hiaignantsika amin’ny fiaignana vaovao. 5 Efa tafatambatra amin’i Kristy mbôka atsika sy hitovy amin’ny fahafatesany dia ho tafatambatra Aminanjy koa atsika sy hitovy amin’ny fitsanganany. 6 Fantatsika fa ny fiaignantsika talôha dia efa niaraka nofantsihana Taminanjy tambony kakazo fijaliana, mbô hamotehana ny fiaignam-pahotana mbôry izay tsy andevon’ny fahotana intsony atsika. 7 Izay efa maty mbôka dia tsy andevozin’ny fahotana intsony. 8 Niaraka maty tamin’i Kristy mbôka atsika dia mino fa hiaraka velona Aminanjy koa. 9 Fantatsika fa tsy ho foaty intsony Kristy rehefa nitsangana tamin’ny maty satria tsy mandaitra Aminanjy intsony ny fahafatesana. 10 Raha resaka fahotana dia indraika tsy nagnindroay ny fahafatesan’i Jesoa Kristy, fa amin’izao velona Izy ary velona ho an’Andriamagnitra. 11 Ary sahala amin’izany koa ianareo: raha resaka fahotana dia hevero ôhatran’ny maty ny vatantegnanareo fa ho velona ho an’Andriamagnitra akao amin’ny Jesoa Kristy.12 Ka aza avela hibaiko ny vatantegnanareo mety maty ny fahotana ary aza magnaraka ny fagnirian-dratsiny. 13 Aza atolotra ho an’ny fahotana ny vatantegnanareo ho atao fitaovana hagnanaovana tsy fanjariana, avy maty mbôka ianareo kanefa velona indray amin’izao dia atolory ho an’Andriamagnitra ny vatantegnanareo ho atao fitaovana hagnanaovana raha marina. 14 Aza avela hibaiko anareo intsony ny fahotana satria tsy taritin’ny lalàna intsony ianareo fa taritin’ny fahasoavana.
Andevon’ny fahamarinana
15 Dia manakôry ma izany? Handeha hanota ma izany atsika ity satria tsy taritin’ny lalàna, fa taritin’ny fahasoavana? Sagnatrian’ny vava! 16 Tsy fantatrareo ma fa raha magneky ho andevon’ny ôlona ianareo, ka hagnaraka izay raha taraviny dia andevon’izay arahinareo teny ianareo: Na ny fahotana mitarika mankaigny amin’ny fahafatesana na ny fagnarahana an’Andriamagnitra mitarika mankaigny amin’ny fahamarinana? 17 Kanefa isaorana Andriamagnitra satria andevon’ny fahotana ianareo talôha fa ekesinareo antsitrapo ny fampianarana namena anareo amin’izao. 18 Ary afaka amin’ny fahotana ianareo amin’izao dia manjary andevon’ny fahamarinana.
19 Amin’ny maha ôlombelona anahy no hitaravako aminareo satria tsy mora mahazo ognon-draha ianareo. Ataovy sahala amin’ny nagnamezanareo ny vatantegnanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanjariana ka mitarika anareo hagnaram-po amin’ny fagnanaovana fahotana, ny fagnamezanareo ny vatantegnanareo ho andevon’ny fahamarinana amin’izao mbô ho masina ianareo. 20 Fa taminareo andevon’ny fahotana dia tsy voatery hagnano raha marina. 21 Tsisy tombotsoa azonareo amin’izany raha nataonareo izany avy, izay mahamegnatra anareo amin’izao satria fahafatesana no hiafaran’izany. 22 Efa afaka tamin’ny fahotana ianareo amin’izao dia nanjary gaognan’Andriamagnitra ka ny tombontsoa azonareo dia fiaignam-pahamasinana ary fiaignana mandrakizay no hiafaran’izany. 23 Fahafatesana mbôka no vokatry ny fahotana fa fiaignana mandrakizay miaraka amin’i Jesoa Kristy Tômpontsika kosa indray no fagnamezana maimaimpoagna avy amin’Andriamagnitra.