Tsy anagnan’ny lalàna fahefana intsony atsika
7
Ô raôlona! Hainareo tsara ity raha taraviko ity, ôlona mahay lalàna mbôka no iresahako: ny ôlona mbôla velona ihany no magnaraka ny lalàna. 2 Ohatra izao: Ny vehivavy manambady dia magnaraka ny lalànan’ny fanambadiana raha mbôla velona ilay lehilahy. Fa raha maty kosany ilay lehilahy dia afaka amin’ny lalàna izay namatotra ananjy tamin’ny vadiny izy. 3 Ka raha magnaraka lehilahy hafa ilay vehivavy kanefa mbôla velona ny vadiny, dia taravina hoe malanga izy. Fa raha ôhatra indray ka efa maty ny vadiny dia tsy voafatotry ny lalànan’ny fanambadiana intsony izy ary tsy manjary taravina hoe malanga na dia manambady lehilahy hafa aza izy.4 Araka izany raôlona, raha resaka lalàna dia karaha ôlona efa maty niaraka tamin’i Kristy ianareo. Dia efa an’ôlon-kafa izany ianareo, Ilay efa nitsangana tamin’ny maty, mbô hagnanaovantsika raha tsara ho an’Andriamagnitra. 5 Tamintsika mbôla nagnano izay danin’ny kibontsika amin’ny maha ôlombelona atsika, vao mainka nampitombo ny filan-dratsy tamintsika ny fisian’ny lalàna, mbô hagnanaovantsika raha ratsy izay nitondra antsika hankaigny amin’ny fahafatesana. 6 Fa amin’izao, efa afaka tamin’ny lalàna atsika satria maty tamin’izay namatotra antsika. Ka fomba vaovao araka ny Fagnahy Masina indray no anompoantsika an’Andriamagnitra fa tsy fomba talôha araka ny lalàna voasoratra.
Asan’ny lalàna
7 Ino ma ny raha hotaravintsika amin’izany? Fahotana ma izany ny lalàna? Sagnatrian’ny vava! Kanefa tsy fantatro avy ny fahotana raha tsy tamin’ny lalàna. Tsisy raha haiko avy ny fitsiriritana raha tsy ny lalàna no magnano hoe: “Aza mitsiriritra” (Eks 20. 17). 8 Zaran’ny fahotana aza nisy ny didy hanairana ny fitsiriritana samby hafa tagnatiko satria raha tsisy ny lalàna dia tsy manan-kery ny fahotana. 9 Tamin’izaho talôha, dia velona tsy nanagna ny lalàna, rehefa fantatro indray ny didy dia nahazo vahagna ny fahotana. 10 Ny didy izay natao hahazoana fiaignana, dia nanjary fahafatesana raha ho anahy. 11 Zaran’ny fahotana aza nisy ny didy nindesiny namitahana sy namonoana anahy. 12 Dia araka izany, masina ny lalàna ary ny didy koa dia masina, marina sady tsara.
13 Ny raha tsara indray ma izany no namono anahy? Sagnatrian’ny vava! Ny fahotana no namono anahy mbô hampibaribary ny faharatsiany. Araka izany, fantatsika fa ratsy tokoatrany ny fahotana ka nampiasainy ny didy izay tsara mbô hagnaboagnany ny herin’ny faharatsiany.
Voagadran’ny lalànan’ny fahotana
14 Fantatsika mbôka fa avy amin’ny fagnahin’Andriamagnitra ny lalàna kanefa izaho dia ôlombelona manam-pahalemena, ka lasa andevon’ny fahotana. 15 Tsy haiko lagny avy mbôka ny raha ataoko ity: tsy ny raha tiako no ataoko fa ny raha halako. 16 Fa raha ny raha tsy tiako no ataoko dia magneky izaho fa tsara ny lalàna. 17 Araka izany dia tsy izaho intsony no magnano an’izany fa ny fahotana izay mipetraka agnatiko akato.
18 Raha ny agnatiko akato amin’ny maha ôlombelona anahy, dia tsisy raha tsara vitako avy. Mbô magniry hagnano raha tsara ihany izaho fa tsy vitako. 19 Tsy ny raha tsara izay tiako mbôka no ataoko fa ny raha ratsy izay halako. 20 Rehefa ny raha tsy tiako mbôka no ataoko dia tsy izaho intsony no te hagnano an’izany fa ny fahotana izay mipetraka agnatiko akato. 21 Araka izany dia mahita lalàna sahala amin’izao izaho: Mbô te hagnano raha tsara izaho kanefa mahazo vahagna aminahy akato ny tsy fanjariana. 22 Raha ny agnatiko akato dia azoazoko ny lalànan’Andriamagnitra 23 kanefa mahatsapa lalàna hafa indray izaho akato agnatiko akato izay mifanipaka amin’ny lalàna agnatin’ny eritreritro. Gadrain’io lalàna io amin’ny lalànan’ny fahotana izay akato agnatiko akato izaho. 24 Ô Raoy! Maforaigna izaho! Iza ma ny hagnavotra anahy ho afaka amin’ity vatantegna mitondra mankaigny amin’ny fahafatesana ity? 25 Isaorako Andriamagnitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika.
Araka izany, raha momba anahy manokana dia eken’ny saignako ny lalànan’Andriamagnitra, fa andevozin’ny lalànan’ny fahotana izaho amin’ny maha ôlombelona anahy.