Miaigna mifagnaraka amin’ny Fagnahin’Andriamagnitra
8
Araka izany, amin’izao dia tsisy fagnamelohana ho an’ny ôlona izay miraika amin’i Kristy Jesoa. 2 Ny lalànan’ny Fagnahy izay magname aigna avy amin’ny firaisana amin’i Jesoa Kristy mbôka no nagnafaka anahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.3 Tsy efan’ny lalàna avy izany satria ny fahalemena amin’ny maha ôlombelona no mampatonga ananjy mora andairan’ny fahotana kanefa dia vitan’Andriamagnitra izany. Nalifany ny Zanagny niaka ny endrika sahala ny an’ny mpanota mbô hagnameloka ny fahotana akao amin’ny maha ôlombelona. 4 Nataon’Andriamagnitra izany mbô ho tanteraka ny raha takian’ny lalàna amintsika, atsika izay miaigna araka ny Fagnahy fa tsy araka ny maha ôlombelona mpanota. 5 Izay miaigna araka ny maha ôlombelona mpanota dia mirogna amin’izay raha tian’ny vatantegnany, fa izay miaigna araka ny Fagnahy kosa indray dia mirogna mankaigny amin’izay raha tian’ny Fagnahy. 6 Ny fironana amin’ny maha ôlombelona mpanota mbôka mitondra mankaigny amin’ny fahafatesana fa ny fironana mankaigny amin’ny Fagnahy kosa indray dia fiaignana mbaraky fiadanana. 7 Ny fironana amin’ny maha ôlombelona mpanota mbôka dia fandrafesana an’Andriamagnitra satria tsy magneky ny lalànan’Andriamagnitra sady tsy vitany avy anie izany. 8 Ireo izay mirogna amin’ny maha ôlombelona mpanota dia tsy afaka magnano ny sitrapon’Andriamagnitra.
9 Fa ianareo indray tsy baikon’ny fahalemen’ny vatantegnanareo fa taritin’ny Fagnahy satria agnatinareo akao tokoatrany ny Fagnahin’Andriamagnitra. Izay tsy managna ny Fagnahin’i Kristy mbôka dia tsy Ananjy. 10 Fa Kristy no agnatinareo akao, na dia tsy maintsy ho foaty aza ny vatantegna vokatry ny fahotana dia ny Fagnahy kosa no mamelona satria efa nohamarinina ianareo. 11 Ny Fagnahin’Ilay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty mbôka no agnatinareo akao, dia Ilay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty koa no hamelona ny vatantegnanareo mety maty amin’ny Fagnahiny izay agnatinareo akao.
12 Araka izany raôlona, izany no nampahatonga antsika anagnana laikany kanefa tsy laikany hagnarahana izay danin’ny kibontsika ka hagnanaovantsika ny sitrapony. 13 Ho foaty mbôka ianareo raha magnano izay danin’ny kibonareo, fa ho velona indray ianareo raha vonoinareo amin’ny Fagnahy ny raha ratsy ataonareo agnatin’ny vatantegnanareo akao. 14 Ny zanak’Andriamagnitra mbôka dia ny ôlona dahôlo taritin’ny Fagnahin’Andriamagnitra. 15 Tsy fagnahy nampahatonga anareo ho andevo sy hampatahotra anareo no noraisinareo, fa Fagnahin’ny fananganana anareo ho zanaka; avy amin’io Fagnahy io no mampatonga atsika hagnantso hoe: Ô Aba! Ô Daday! 16 Ny Fagnahy mihitsy no magnamarina amin’ny fagnahintsika fa zanak’Andriamagnitra atsika. 17 Zanagny mbôka atsika, dia mpandova: mpandova an’Andriamagnitra sady mpiray lova amin’i Kristy. Raha miara-mijaly Aminanjy atsika dia hahazo anjara amin’ny voninahiny koa.
Ny voninahitra izay ho avy
18 Azoko antoka fa ny fijaliana amin’izao fotoana izao dia tsy azo ampitovizina amin’ny voninahitra izay mbôla haboagna amintsika. 19 Ny zavaboahary mbôka magniry sy mandigny be ny hagnaboagnan’Andriamagnitra ny zanagny. 20 Ny zavaboahary dahôlo mbôka dia voaozogna ka tsy nahatanteraka ny tanjona efa napetrak’Andriamagnitra, tsy sitraponjareo avy izany fa noho ny fanapahan-kevitr’Andriamagnitra. Na dia izany aza dia mbôla misy fagnantegnana: 21 ny zavaboahary mbôka dia ho vahana amin’ny fagnandevozana mitarika ho amin’ny fahafatesana ka hanagna anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hanagnan’ireo zanak’Andriamagnitra. 22 Fantatsika nefa fa mandrak’ity nigniany, ny zavaboahary dahôlo dia miara-misento sy miara-mijaly sahala amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. 23 Tsy ny zavaboahary irerika ihany fa atsika izay nandray ny Fagnahy Masina ho santatry ny fagnamezan’Andriamagnitra dia misento laligna mandigny an’Andriamagnitra hanangana antsika ho zanaka sy hagnavotra ny vatantegnantsika. 24 Efa voavonjy mbôka atsika fa mbôla amin’ny fagnantegnana foagnany. Raha hita maso ny raha antegnaina dia tsy antsovina fagnantegnana intsony izany. Ka ino ma no mbôla antegnaina amin’ny raha efa hita? 25 Kanefa atsika raha magnantegna izay raha mbôla tsy hitantsika dia mandigny amin’ny faharetana.
26 Sahala amin’izany koa, ny Fagnahy no namonjy atsika tamin’ny fahalementsika. Tsy fantatsika avy ny vavaka tokony hatao, fa ny Fagnahy no mifona ho atsika amin’ny fitaraignana tsy azo tonognina. 27 Ary Andriamagnitra izay mandinika ny fo dia mahafantatra ny raha angatahin’ny Fagnahy satria mifagnaraka amin’ny sitrapon’Andriamagnitra ny fifonany ho an’ny ôlona masina.
28 Fantatsika fa ny raha dahôlo dia miara-miasa mbô hahasoa ny ôlona dahôlo izay tia an’Andriamagnitra, dia ireo ôlona izay voaantso araka ny fikasany. 29 Fantatr’Andriamagnitra mialôha mbôka ireo izay nofidiny mialôha hitovy endrika amin-Janagny, mbôry izay Izy no Lahimatoa amin’ny rahalahy betsaka. 30 Ireo ôlona izay nofidiny mialôha dia nantsoviny koa; izay nantsoviny dia nohamarininy koa ary izay nohamarininy dia nameny voninahitra koa.
Matomboka be ny fitiavan’Andriamagnitra
31 Ino koa ma ny raha hotaravintsika mihoatra an’izany? Tsisy maharesy atsika raha Andriamagnitra no miaraka amintsika. 32 Izy Ilay tsy niaro ny Zanagny lahy fa natologny ho antsika dahôlo. Araka izany, hameny antsika maimaimpoagna miaraka amin-Janagny koa ny raha dahôlo. 33 Iza no hahasahy hagnasoketa ny ôlomboafidin’Andriamagnitra? Tsisy! Andriamagnitra mihitsy no efa magnamarina anjareo. 34 Iza no hagnameloka antsika? Tsisy koa! Satria Jesoa Kristy dia efa maty sady efa nitsangana tamin’ny maty ary nentotra ankavagnan’Andriamagnitra ka mivavaka ho antsika. 35 Tsisy mihitsy afaka hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy na adin-tsaigna, na fitaintaignana, na fagnenjehana, na silaona, na fahantrana, na loza, na biriziny. 36 Araka ny voasoratra hoe:
“Avy aminao dia tandindognin’ny fahafatesana foagna izahay magnalinandro iraika izao;
atao sahala amin’ny ondry handeha hovonoina izahay” (Sal 44. 22).
37 Kanefa na dia izany aza ny raha mahazo antsika dia feno ny fandresena azontsika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. 38 Azoko antoka fa tsisy afaka mampisaraka antsika amin’ny fitiavana ampisehovin’Andriamagnitra amintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika: na fahafatesana, na fiaignana, na anjely, na fanjakazakana, na raha ankahitrio, na raha ho avy, na hasina 39 na raha aigny agnabakabaka aigny na raha aigny amin’ny laligna, na ino na ino amin’izao zavaboahary dahôlo izao, dia tsy afaka hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamagnitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa Tômpontsika.