Andriamagnitra sy ny vahoaka voafidiny
9
Kristy no vavolombeloko fa raha marina no taraviko fa tsy mandainga. Ny feon’ny fieritreretako sy ny Fagnahy Masina dia magnamafy an’izany, 2 fa tegna nalahelo be mihitsy ny agnatiko, ka nitohy tsy an-kijanona izany alaheloko izany. 3 Raha mety dia alaiko avy izaho no voaozogna sy tafasaraka amin’i Kristy raha izany no mahatsara ny rahalahiko sy ny mpiray fiaviana aminahy, 4 dia ny Isiraelita izay natsangan’Andriamagnitra ho zanagny, nampisehoany ny voninahiny, nagnanaovany ny fagnekena, nameny ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary mbôla nameny ny fampagnantegnana koa; 5 ny razambeny dia Abrahama, Isaka, ary Jakoba; amin’ny maha ôlombelona Ananjy dia avy amin’ny taranak’Israely no fiavian’i Kristy, izay manjaka amin’ny raha dahôlo, Izy koa dia Andriamagnitra ary deraina mandrakizay, Amena.6 Tsy raha hoe tsy nahavita ny fampagnantegnana notaraviny Andriamagnitra satria tsy izay ôlona dahôlo avy aigny Israely mbôka no tegna vahoakan’Andriamagnitraa. 7 Ary tsy voatery hoe tegna zanak’i Abrahama dahôlo koa ireo taranagny ireo fa Andriamagnitra nitarea hoe: avy amin’Isaka no hagnantsovana an’izay tegna taranao (Gen 21.12). 8 Dikan’izany dia hoe tsy izay taranak’i Abrahama amin’ny maha ôlombelona ananjy no zanak’Andriamagnitra fa raisin’Andriamagnitra ho taranak’i Abrahama ny zanaky ny fampagnantegnana. 9 Ôhatra an’izao mbôka ny fampagnantegnan’Andriamagnitra: Ho avy Izaho amin’ny herintaonan’izao ary hitera-dahy i Saraha (Gen 18.10).
10 Tsy vitan’izany mbôka fa lehilahy iraika no rain-janak’i Rebeka kambagna ireo, dia Isaka razambentsika izany; 11-12 mbôla tsy teraka avy ireo zaza ireo ary mbôla tsy nagnano raha tsara na raha ratsy avy dia efa notaravin’Andriamagnitra tamin’i Rebeka hoe: “Ho gaognan’ny zandriny ny zokiny” (Gen 25.23). Managna ny programany mbôka Andriamagnitra amin’ny fisafidianana ny ôlona; tsy miankina amin’ny asa ataon’ny ôlona mbôka izany fa miankina amin’ny fagnantsovan’Andriamagnitra anjareo mbô ho tanteraka ny programany, 13 izao mbôka no voasoratra: Tiako Jakoba, fa halako Esao (Mal 1.2-3).
14 Ino ma izany ny raha hotaravintsika? Tsy marina ma izany Andriamagnitra? Sagnatrian’ny vava! 15 Hozy mbôka tamin’ny Mosesy hoe:
“Hiforaigna an’izay ôlona tiako hiforaignana izaho,
ary hamindra fo amin’izay ôlona tiako hamindrana fo” (Eks 33.19).
16 Araka izany dia tsy miankina amin’ny fagniriana na ny ezaka ataon’ny ôlona izany raha izany, fa miankina amin’Andriamagnitra izay mamindra fo. 17 Fa hozy ny Soratra Masina tamin’i Faraob: “Izany no nampakarako anao ho mpanjaka, mbô ho avy aminao no hagnaboagnako ny heriko, ary mbô halaza eraky tany dahôlo koa ny agnarako” (Eks 9.16). 18 Araka izany, izay tian’Andriamagnitra hamindrana fo no hamindrany fo, ary izay tiany hamafisina fo no hamafisiny fo.
Ny fahasosen’Andriamagnitra sy ny famindrampony
19 Hitarea aminahy angamba ianao hoe: Nagnino ma Andriamagnitra no magname tsigny foagna? Tsisy ôlona mahavita manohitra ny sitrapony izany mihitsy. 20 Ôlona iza ma izany ianao no mahasaky mifamaly amin’Andriamagnitra? Ny raha namboarina indray ma izany no hitarea amin’ny mpagnamboatra ananjy hoe: Magnino izaho namboarinao ôhatr’izao? 21 Ny mpagnano vilagny tany dia afaka magnano karazagna raha samihafa araka izay paozy tiany amin’ny bolongana taniditra iraika: Afaka magnamboatra raha tsotra izy sady afaka magnamboatra raha mihaja koa.
22 Na dia te hamoaka ny asirany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamagnitra dia nahavita nandefitra tamin’ny fahatsorana tamin’ireo ôlona tokony hiharan’ny fahasoseny sy tokony haripaka. 23 Kanefa te hagnaboagna ny harenan’ny voninahiny amin’ireo ôlona namindrany fo izay efa nomagniny mialôha mbô hahazo voninahitra mbôka Izy, 24 dia atsika izay nantsoviny, tsy ny avy amin’ny Jiosy irerika fa ny avy amin’ny Jentilisa koa. 25 Araka izay raha notaravina akao amin’ny Hosea:
“Ny tsy ôloko dia hantsoviko hoe: Ôloko,
ary ny tsy tiako dia hantsoviko hoe: malala” (Hos 2.25).
26 “Ary akaigny amin’ny tany nitaravana taminjareo hoe:
Tsy ôloko ianareo,
dia akaigny no hagnantsovana anjareo hoe:
Zanak’Andriamagnitra velona ianareo” (Hos 2.1).
27 Ary Isaia nilelalela mahakasika an’Israely hoe:
“Na dia betsaka sahala amin’ny fasika amoron-dranomasina aza ny isan’ny zanak’Israely
dia ny sasantsasagny ihany no hovonjena;
28 fa ny Tômpo mbôka hagnatanteraka malaky sy hatramin’ny farany ny raha notaraviny tatỳ ambonin’ny tany” (Isa 10.22-23).
29 Ary araka ny raha notaravin’i Isaia mialôha hoe:
“Raha tsy Andriamagnitra Tômpon’ny raha dahôlo
no namela taranaka ho antsika
dia efa nanjary sahala amin’ny Sodoma
sy sahala amin’ny Gomora atsika ôhatra izay” (Isa 1.9).
Israely sy ny fahamarinana: Misy fifandisoan-kevitra
30 Dia ino ma izany ny raha hotaravintsika? Ny Jentilisa izay tsy mikaraka fahamarinana indray no nahazo fahamarinana noho ny finoana. 31 Fa ny Israely izay nagnaraka ny lalàna mbô hahazoana fahamarinana dia tsy tody tamin’izay nokendren’ny lalàna. 32 Fa nagnino? Satria tsy nikaraka ny fahamarinana tamin’ny finoana zareo fa tamin’ny asa ka voatsintohina tamin’ny vato mahavoatsintohina; 33 araka ny voasoratra hoe:
“Hametraka vato mahavoatsintohina
dia vatolampy mandavo a-Ziona akao Izaho;
kanefa tsy ho megnatra izay mino Ananjy” (Isa 8. 14; 28.16).