1 Korintiana
Fiarahabana
1
Avy aminahy Paoly, izay voaantso ho apostolin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamagnitra sy Sostena rahalahintsika ity taratasy ity.
2 Ho an’ny fiangonan’Andriamagnitra aigny Korinto, izay voatokana akao amin’i Kristy Jesoa, sady voaantso ho masina mbaraky ny ôlona dahôlo magnantso ny agnaran’i Jesoa Kristy Tômpontsika aigny amin’ny tany dahôlo. Sady Tômponjareo Izy no Tômpontsika koa.
3 Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo.
Ny fahasoavana raisina amin’i Kristy
4 Velom-pisaorana an’Andriamagnitro foagna izaho ny aminareo noho ny fahasoavan’Andriamagnitra izay namena anareo satria tafiraika amin’i Kristy Jesoa ianareo. 5 Izy mbôka no nampanan-karena anareo amin’ny fagnamezana isan-karazagny, na tamin’ny teny na tamin’ny fahaizana. 6 Izany dia magnamafy aminareo fa marina ny fagnambarana an’i Kristy. 7 Araka izany dia tsisy tsy mahazo fagnamezam-pahasoavana ianareo dahôlo izay mandigny ny fisehovan’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 8 Izy no hampiorina anareo hatramin’ny farany mbôry izay tsisy kianina ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 9 Azo atokisana Andriamagnitra izay nagnantso anareo hikambagna amin’ny Zanagny dia Jesoa Kristy Tômpontsika.
Fisaratsarahana tagnatin’ny fiangonana taigny Korinto
10 Ô raôlona! Magnanatra anareo amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy Tômpontsika izaho, mbô hifagnaraka ianareo dahôlo, mbôry izay tsy hisy fisaratsarahana aminareo, fa mbô ho hifagnaraka tsara ka hiray lôha sy hitovy hevitra ianareo. 11 Nitarea taminahy mbôka raôlona ny tropin’i Kloa fa misy fifandrafesana aminareo akao. 12 Ny tiako hahatongavana amin’izany dia izao: Misy aminareo mitarea hoe: Izaho magnaraka an’i Paoly, hozy ny sanagny: Izaho magnaraka an’i Apolosy, hozy koa ny hafa: Izaho magnaraka an’i Kefasy, ary misy magnano hoe: Izaho magnaraka an’i Kristy. 13 Voazarazara ma i Kristy? Paoly ma no nofantsihina tamin’ny kakazo fijalena hamonjy anareo? Sa tamin’ny agnaran’i Paoly no nagnanaovana batisa anareo? 14 Misaotra an’Andriamagnitra izaho, fa tsisy nataoko batisa ianareo afa-tsy i Krispo sy Gaio, 15 sandray mbôka misy mitarea fa natao batisa tamin’ny agnarako ianareo. 16 Hay ma izaho efa nagnano batisa ny tariky Stefanasy; tsy hitako angamba izay ôlona nataoko batisa ankoatra an’ireo. 17 Tsy nagniraka anahy hagnano batisa mbôka i Kristy fa ny hitory ny Tarea Maharavo; tsy tamin’ny fahendren’ôlombelona mbô tsy ho lasa tsisy dikany ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny kakazo fijalena.
Jesoa Kristy, herin’Andriamagnitra sy fahendreny
18 Ny teny momba ny kakazo fijalena mbôka dia hafokana amin’izay an-dalam-pahaverezana, fa herin’Andriamagnitra indray amintsika izay an-dalam-pamonjena. 19 Fa izao ny voasoratra:
“Hopotehiko ny fahendren’ny hendry,
Ary ho ataoko tsisy dikany ny fahaizan’ny manam-pahaizana’’ (Isa 29.14).
20 Aiza ny ôlona hendry? Aiza ny mpampiana-dalàna? Aiza ma ny ôlona tia miady hevitra amin’izao tontolo izao? Tsy efa navadik’Andriamagnitra ho hafokana ma ny fahendren’izao tontolo izao? 21 Fa ny fahendrena dia tsy nahafantaran’ny ôlona an’Andriamagnitra. Izany no fampisehovan’Andriamagnitra ny fahendreny. Araka izany, tian’Andriamagnitra ny hamonjy an’izay mino amin’ny fahadalan’ny fitorian-teny. 22 Ny Jiosy mila marika hamantarana, ny Jentilisa mikaraka fahendrena. 23 Izahay kosany indray mitory an’i Kristy nofantsihina tamin’ny kakazo fijalena, izay tambagna amin’ny Jiosy ary hafokana amin’ny Jentilisa. 24 Fa amin’izay voaantso kosany, na Jiosy na Jentilisa, Kristy dia herin’Andriamagnitra sy fahendreny. 25 Fa ny hafokan’Andriamagnitra dia manam-pagnahy mandombolombo ny fahendren’ôlombelona; ary ny fahosan’Andriamagnitra dia matanjaka be raha mitaha amin’ny herin’ny ôlona.
Ireo nosafidin’Andriamagnitra
26 Ô raôlona! Mbô alao ognona ma ny nagnantsovan’Andriamagnitra anareo, tsy firy avy ny manam-pagnahy amin’ny fomba fijerin’ôlombelona, tsy firy ny mahavita mitarika ôlona ary tsy firy ny andriana. 27 Fa ny sagnagna amin’izao tontolo izao no nosafidin’Andriamagnitra hampamegnatra ny magnam-pagnahy, dia ny ôlona mavozo amin’izao tontolo izao koa nosafidin’Andriamagnitra hampamegnatra ny matanjaka. 28 Ary ny ôlona izay heverin’izao tontolo izao fa ambany sy tsisy mpagnahoa no nosafidin’Andriamagnitra, na dia izay taravina fa tsisy dikany mbô hahafoagna ny ôlona manankaja 29 mbô tsisy ôlona afaka miendaenda akeo agnatrehan’Andriamagnitra. 30 Fa avy Aminanjy no nagnakambagnana anareo amin’i Kristy Jesoa, Izay nanjary fahendren’Andriamagnitra ho antsika dia fahamarinana, fahamasinana ary fagnavotana, 31 mbô araka ny voasoratra hoe: “Izay misekoseko, dia alay NY TÔMPO no hampisekoseko ananjy” (Jer 9.23).