2 Korintiana
Fiarahabana
1
Avy amin’i Paoly, izay nosafidian’Andriamagnitra ho Apostolin’i Jesoa Kristy, sy Timoty rahalahintsika ity taratasy ity.
Ho an’ny fiangonan’Andriamagnitra akaigny Korinto mbaraky ny ôlona masina dahôlo eraky ny faritra Akaia.
2 Mivavaka amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo izaho mbô hagnomezany fahasoavana sy fiadanana ho anareo.
Ampaherezina mbô hahaizana mampahery
3 Andao atsika hisaotra an’Andriamagnitra Rain’i Jesoa Kristy Tômpontsika. Izy no Rain’ny famindrampo sady Andriamagnitra izay mampahery foagnany. 4 Mbôla Izy koa no nampahery anay tamin’ny raha dahôlo nanahirana anay, ka ny fampaherezana azonay avy tamin’Andriamagnitra no hampaherezanay izay ôlona managna raha manahirana. 5 Sahala amin’ny hagedan’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay mbôka no hagedan’ny fampaherezana anay amin’ny alalan’i Kristy. 6 Isak’izay mandalo raha manahirana izahay, dia ho fampaherezana sy famonjena anareo izany; isak’izay ampaherezina izahay dia mbô ho fampaherezana anareo koa izany ka hampatonga anareo hahazaka fijaliana sahala amin’izay nindesinay. 7 Tsy azo ozongozognina ny tokinay ny aminareo satria fantatray fa niara-nijaly taminay ianareo ary hiaraka hampaherezina aminay koa.
8 Ô raôlona! Tegna tianay ho fantatrareo ny lozalozan-draha nahazo anay taigny Azia, fa mavesatra be mandombolombo ny raha tokony ho zakan’ny aignanay izany, ka dia efa tsy nagnategna ny ho velona izahay. 9 Noeritreretinay fa ho foaty aiky izahay, ka izany no nampatonga anay tsy hitoky amin’ny tegnanay fa hitoky amin’Andriamagnitra izay manangana ny maty. 10 Izy no nagnavotra anay tamin’izany lozalozan-draha mahafaty izany, ary mbôla hagnavotra anay amin’izany koa. Ieny, Izy no antenainay fa mbôla hagnavotra anay, 11 ianareo mbôka no magnampy anay amin’ny vavaka ataonareo. Araka izany, ho maro ny ôlona hisaotra an’Andriamagnitra noho ny valim-bavaka azonay satria maro ianareo no nivavaka ho anay.
Nahemotr’i Paoly ny famangiany
12 Izao mbôka ny raha mampisekoseko anay ary vavolombelon’izany ny feon’ny fieritreretanay magnambara fa tamin’ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamagnitra no niaignanay na tamin’izao tontolo izao, mintsaka fa tagnatrehanareo, tsy tamin’ny fahendren’ôlombelona, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamagnitra. 13 Izahay mbôka tsy manoratra taratasy hafa aminareo afa-tsy ity vakianareo ity na izay mazava aminareo ary magnantegna izaho fa mbôla hazava tsara aminareo izany, 14 dia sahala amin’ny efa fantapantatrareo fa reharehanareo izahay, dia sahala amin’izany koa, reharehanay ianareo amin’ny andron’i Jesoa Tômpontsika.
15 Tamin’izany fahatokisana izany no nagniriako handeha ho aigny aminareo mialôha mbô handraisanareo fahasoavana fagnindroany. 16 Rehefa avy aigny aminareo izaho dia ho aigny Makedonia ary rehefa avy aigny dia hiverigna aminareo indray, dia mbô hamenareo vatsy izaho amin’ny dia ombako ho aigny Jodia. 17 Sao dia lazainareo tsy nandinika ary izaho nandray an’izany fanapahan-kevitra izany? Sa lazainareo amin’ny maha ôlombelona anahy ma no hanapahako hevitra ka mampivadibadika anahy, indraindray izaho magneky, indraindray izaho mandà? 18 Fa azo antoka Andriamagnitra: Ny raha taravinay taminareo dia tsy teny roay ka sady magneky no mandà. 19 Fa Jesoa Kristy, zanak’Andriamagnitra izay notorinay sy Silasy ary Timoty tagnatrehanareo dia tsy teny roay ka sady magneky no mandà fa ny Aminanjy dia ieny foagnany. 20 Ny teny fampagnantegnan’Andriamagnitra dahôlo dia ieny. Izany no mampatonga antsika hitarea ieny sy Amena mbô ho voninahitr’Andriamagnitra. 21 Fa Andriamagnitra no mampiorina anay miaraka aminareo akao amin’i Kristy sady Izy koa no magnosotra antsika. 22 Mbôla Izy no magnisy fitomboka antsika ka magnome ny Fagnahy Masina ho voalôham-bokatra agnatin’ny fontsika.
23 Raha aminahy manokana malôha dia Andriamagnitra mihitsy no vavolombelona ny amin’ny fagnahiko, fa ny fialako nenina aminareo foagnany no tsy nandehanako taigny Korinto. 24 Kanefa tsy hanjakazaka amin’ny finoanareo izahay, mafy orina mbôka ny finoanareo; fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo izahay.