Galatiana
Fiarahabana
1
Izaho Paoly no manoratra an’ity taratasy ity. Izaho dia apostoly tsy nirahin’ôlona na notendren’ôlona fa notendren’i Jesoa Kristy sy Andriamagnitra Ray izay nanangana Ananjy tamin’ny maty. 2 Mamangy ny fiangonana a-Galatia izaho sy ny rahalahy dahôlo izay miaraka aminahy. 3 Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Tômpontsika, 4 Izay nanolotra ny aignany noho ny fahotantsika, mbô hagnafahany antsika amin’izao vanim-potoana ratsy izao, araka ny sitrapon’Andriamagnitra Raintsika. 5 Enga anie ho Ananjy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Misy mampiala ny Galatiana amin’ilay Tarea Maharavo iraika aman-tany
6 Gaga Izaho amin’ny raha nataonareo: Andriamagnitra nagnantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy, ianareo indray malaky mivily amin’ny tarea maharavo hafa 7 izay tsy izy avy. Misy ôlona magnadala anareo ka te hagnova ny Tarea Maharavon’i Kristy. 8 Raha ôhatra ka misy mitory tarea maharavo hafa aminareo, afa-tsy izay efa nitorianay taminareo na izahay, na anjely avy aigny an-dagnitra aza, dia ho voaozogna. 9 Efa notaraviko taminareo ary averiko indray fa raha misy ôlona mitory tarea maharavo hafa aminareo afa-tsy izay efa noraisinareo dia ho voaozogna.
10 Amin’izao, mila sitraka amin’ôlona ma izaho sa amin’Andriamagnitra? Ôlona ma no ilàko sitraka? Raha mbôla mila sitraka amin’ôlona izaho dia tsy gaognan’i Kristy.
Ny fomba nandraisan’i Paoly sy ny nampitany ny Tarea Maharavo
11 Tiako ho fantatrareo raôlona fa tsy noforognin’ôlona ny Tarea Maharavo izay notoriko 12 satria tsy noraisiko tamin’ôlona izany no sady tsy nampianarina anahy fa noraisiko tamin’ny fagnambaran’i Jesoa Kristy irerika.
13 Efa regninareo ny raha nataoko talôha, tamin’izaho mbôla takao amin’ny fivavahan’ny Jiosy: Nagnenjika mafy ny Fiangonan’Andriamagnitra izaho satria te hamotika ananjy. 14 Lasa lavitra tamin’ny fivavahan’ny Jiosy izaho raha ampitahaina amin’ireo niarakaraka taminahy tamin’ny fireneko ary nazoto nitana ny fomba fataon’ny razako.
15 Natokan’Andriamagnitra letry tan-kibon’ny niny izaho ary nantsoviny tamin’ny fahasoavany 16 ka nambarany takato agnatiko ny Zanagny mbô hitoriako Ananjy aigny amin’ny Jentilisa, tsy nila hevitr’ôlona izaho tamin’izany. 17 Ary tsy niakatra ta-Jerosalema ho aigny amin’ireo Apostoly talôhako izaho, fa lasana nankaigny Arabia ary niverigna ta-Damaskosy avy takeo.
18 Telo taona tafaran’izay dia niakatra ta-Jerosalema izaho mbô hihaona tamin’i Peteraa ka nipetraka takao aminanjy nandritra ny tapabolana. 19 Kanefa Jakoba rahalahin’ny Tômpo foagna no hitako fa tsy nahita Apostoly hafa izaho. 20 Ambarako akeo agnatrehan’Andriamagnitra fa tsy lainga ny raha soratako aminareo izao.
21 Tafaran’izany dia lasana nankaigny amin’ny faritanin’ny Siria sy Kilikia izaho. 22 Tsy mbôla nahita ny endriko ny Fiangonan’i Kristy aigny Jodia, 23 fa efa naharegny zareo hoe: Ilay ôlona nagnenjika antsika talôha igny, amin’izao nanjary nitory ny finoana noravany talôha. 24 Dia nankalaza an’Andriamagnitra zareo noho ny Aminahy.