Fifanarahan’i Paoly sy ny apostoly hafa
2
Efatra ambin’ny folo taona tatỳ afara dia niakatra ta-Jerosalema indray izahay sy Barnabasy; nindesiko niaraka taminahy koa Titosy. 2 Niakatra taigny izaho rehefa nahazo fanambarana avy tamin’Andriamagnitra. Nihaogna manokana tamin’ireo ôlona manan-kaja izaho ka nohazavaiko taminjareo dahôlo ny Tarea Maharavo izay toriako aigny amin’ny Jentilisa, sao dia tsisy varany ny asa ataoko sy izay efa nataoko. 3 Kanefa Titosy izay niaraka taminahy na dia Grika aza izy, dia tsy noterena hoforàna 4 na dia takeo aza ny rahalahy sandoka te hamora ananjy. Tafiditra an-tsokosoko tamintsika zareo ireo mbô hitsikilo ny fahafahantsika akao amin’i Kristy Jesoa sy mbô hagnandevozany antsika amin’ny lalàna indray. 5 Kanefa tsy nagnaiky anjareo mihitsy izahay, mbô ho voatàna ho anareo ny fahamarinan’ny Tarea Maharavo.
6 Fa tsy mampagnino anahy avy ny ôlona izay eritreretina ho manan-kaja na manakôry izy na manakôry satria Andriamagnitra tsy mizaha tavan’ôlona. Ary tsy nagnampy na ino na ino tamin’izay notoriako avy zareo. 7 Kanefa hitany fa izaho no asain’Andriamagnitra mitory ny Tarea Maharavo amin’ny Jentilisa, ôhatra an’i Petera amin’i Jiosy; 8 satria Andriamagnitra izay nagniraka an’i Petera ho apostoly ho an’ny Jiosy no nagniraka anahy koa ho an’ny Jentilisa. 9 Rehefa hain’i Jakoba izin’ny Petera sy Jaona, izay natao ho andry akeo amin’ny fiangonana, ny fahasoavana namena anahy dia nanolo-tagnana anay zareo ho mariky ny fiombonana. Nifagnaraka izahay fa zareo mandeha mitory aigny amin’ny Jiosy, ary izahay sy Barnabasy indray hankaigny amin’ny Jentilisa. 10 Ny raha iraika nangatahanjareo taminay dia ny mbô hahatsiarovanay ny ôlona mahaforaigna, ary efa nampahazoto anahy lasiteo ny hagnano an’izany.
Nanohitra an’i Petera i Paoly
11 Rehefa tonga taigny Antiokia i Peteraa dia nanohitra ananjy tamason’ôlona izaho satria tsy manjary ny raha nataony. 12 Talôhan’ny nahatongavan’ny ôlona nalifan’i Jakoba mbôka, dia niaraka nihinana tamin’ireo rahalahy Jentilisa izy; fa rehefa tonga ireo, dia nihatakataka izy satria natahotra an’ireo ôlona vita hasoavana ireo. 13 Nihatsaravelatsihy niaraka taminanjy ny Jiosy sanagny ka na Barnabasy aza dia voasariky ny fihatsarambelatsihinjareo dahôlo. 14 Rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Tarea Maharavo zareo dia hozy izaho tamin’i Petera tamason’ôlona dahôlo: Ianao Jiosy aza magnano ny raha fataon’ny Jentilisa, fa tsy ny raha fataon’ny Jiosy, dia magnino ma izany ny Jentilisa no terenao hagnano ny raha fataon’ny Jiosy?
Ny finoana no mahavonjy
15 Tamingana Jiosy atsika fa tsy avy amin’ny Jentilisa mpanota. 16 Kanefa rehefa fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny ôlona, fa amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nino an’i Jesoa Kristy koa atsika mbô hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy fa tsy amin’ny asan’ny lalàna satria tsisy ôlona hamarinin’ny lalàna.
17 Raha te hohamarinina akao amin’i Kristy atsika kanefa hita fa mpanota, dia ho mpanompon’ny ota ma izany Kristy? Sagnatria! 18 Fa raha ny raha efa narodako no atsangako indray koa, dia magnambara izany fa diso izaho. 19 Raha mikasika ny lalàna, dia maty noho ny lalàna izaho mbô ho velona ho an’Andriamagnitra. Voafantsika niaraka tamin’i Kristy takeo amin’ny kakazo fijaliana izaho, 20 ka tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona agnatiko akato. Ary ny fiaignako amin’ny maha ôlombelona dia indesiko amin’ny finoana ny Zanak’Andriamagnitra Izay tia anahy sy nanolotra ny aignany hamonjy anahy. 21 Tsy magnilika ny fahasoavan’Andriamagnitra izaho satria raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana dia tsisy varany ny nahafatesan’i Kristy.