Efesiana
Fiarahabana
1
Izaho Paoly, apostolin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamagnitra, manoratra an’ity taratasy ity ho an’ny ôlona masina aigny Efesosy, izay atokisana akao amin’i Kristy Jesoa. 2 Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo.
Fitahiana feno akao amin’i Kristy
3 Isaorana Andriamagnitra, Rain’i Jesoa Kristy Tômpontsika, izay nitahy antsika takao amin’i Kristy tamin’ny fitahiam-pagnahy dahôlo aigny an-dagnitra. 4 Talôhan’ny namorognana an’izao tontolo izao dia nifidy antsika takao amin’i Kristy Izy mbô ho masina sady tsy hanan-kilema akeo agnatrehany atsika. 5 Efa letry ny ela no nanokanan’Andriamagnitra antsika tamin’ny fitiavana mbô ho an’Ananjy, tamin’ny fananganana antsika ho zanagny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy satria izany no sitraky ny fony. 6 Nataony izany mbô hiderantsika ny voninahitry ny fahasoavany, izay nameny antsika bôjo tamin’ny alalan’ilay Tiany.
7 Amin’i Kristy akao no nagnavotany antsika tamin’ny ràny mbô hahazoantsika famelan-keloka mifagnaraka amin’ny harenan’ny fahasoavany, 8 izay natosagny tamintsika tamin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaigna feno. 9 Nampahafantariny antsika ny tsiambaratelon’ny sitrapony araka ny safidiny izay novinavinainy akao amin’i Kristy. 10 Efainy aigny amin’ny andro farany aigny io fikasana io, mbô hagnandrohany ny raha dahôlo, na ny raha aigny an-dagnitra na ny raha atỳ an-tany mbô ho ambanin’ny fahefan’ny sefo iraika dia i Kristy.
11 Aminanjy akao no nandrambesantsika ny anjara lovantsika satria nosafidian’Andriamagnitra letry ny ela atsika araka izay novinavinain’Ilay mpagnefa ny raha dahôlo, mifagnaraka amin’ny sitrapony 12 mbô ho fiderana ny voninahiny atsika izay voalôhany managna fagnantegnana akao amin’i Kristy.
13 Aminanjy akao koa ianareo rehefa naharegny ny tenin’ny fahamarinana dia ny Tarea Maharavo izay mamonjy anareo. Iainy, Aminanjy akao koa ianareo rehefa nino dia naseny fitomboka tamin’ny Fagnahy Masina araka ny fampagnantegnana. 14 Izany Fagnahy izany no antoky ny lovantsika ho amin’ny fagnavotana ny ôlona izay nalainy ho Ananjy, mbô ho fiderana ny voninahiny.
Vavaka fangatahana
15 Araka izany, rehefa naharegny ny finoanareo an’i Jesoa Tômpo sy ny fitiavanareo ny ôlona masina dahôlo koa izaho, 16 dia tsy mijanona misaotra an’Andriamagnitra noho ny aminareo sady mahatsiaro anareo amin’ny vavaka ataoko, 17 mbô hamen’Andriamagnitr’i Jesoa Kristy Tômpontsika, Ray be voninahitra ho anareo ny fagnahin’ny fahendrena sy ny fagnambarana mbô hahaizanareo tsara Ananjy. 18 Dia mbô hosokafana ny mason’ny saignanareo ka ho hainareo ny fagnantegnana nagnantsovana anareo sy ny harena feno voninahitra akao amin’ny lovany ameny anareo miaraka amin’ny ôlona masina, 19 ary mbô hainareo fa geda sy tsisy lalohaniny ny heriny izay naboagnany antsika mpino. Io tanjaky ny heriny io 20 no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nampiantorany Ananjy akeo an-kavagnany aigny an-dagnitra, 21 izay agnambo be noho ny fanapahana dahôlo, ny fahefana, ny hery, ny fanjakana ary ny agnarana dahôlo manjary tonognina, tsy amin’izao fiaignana izao foagnany, fa amin’ny ho avy koa. 22 Nampagneky ny raha dahôlo ho ambanin’ny tongotr’i Kristy Andriamagnitra ka nagnano Ananjy ho agnambon’ny raha dahôlo sady Lôhan’ny fiangonana. 23 Aignan’i Kristy ny Fiangonana sady rakotry ny fahafenoany, ary Izy no mameno ny raha dahôlo.