Filipiana
Fiarahabana
1
Izahay, Paoly sy Timoty, gaognan’i Kristy Jesoa no manoratra ity taratasy ity.
Ho an’ny ôlona masina dahôlo akao amin’i Jesoa Kristy izay miaraka miasa amin’ery mpitandrina sy ny diakona avy akaigny Filipy.
2 Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo.
Vavaka fisaorana sy fangatahana
3 Misaotra an’Andriamagnitra foagna izaho isaky ny mahatsiaro anareo, 4 ary rehefa mivavaka ho anareo izaho dia amin-kafaliana no agnanaovako an’izany 5 satria nandray anjara tamin’ny Tarea Maharavo ianareo hatramin’ny voalôhany ka mandraka ity nigniany. 6 Matoky mihitsy izaho fa hanohy ny asa tsara izay efa natombony takao aminareo Andriamagnitra mandrapiavian’ny andron’i Jesoa Kristy.
7 Marina mihitsy ny eritreritro ny aminareo dahôlo satria tegna tiako ianareo sady mpiombona amin’ny fahasoavana anagnako, na tamin’ny figadrako, na tamin’ny fiarovako sy fagnamafisako orina ny Tarea Maharavo. 8 Andriamagnitra no vavolombeloko fa tiako amin’ny fitiavan’i Kristy Jesoa anareo dahôlo.
9 Mivavaka ho anareo izaho mbô hitomboan’ny fitiavanareo foagna amin’ny fahalalana tsara sy tena fahaizana mamanta-draha dahôlo, 10 mbô hahaizanareo mifidy izay raha tsara. Amin’izay dia hadio sady tsy hanan-tsigny ianareo amin’ny andron’i Kristy, 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy ho fiderana an’ Andriamagnitra.
Ny fandrosoan’ny Tarea Maharavo
12 Tiako ho hainareo raôlona fa vao maika nampandroso ny Tarea Maharavon’i Kristy ny raha nahazo anahy. 13 Satria nanjary nahay dahôlo ny ôlona takao amin’ny toby sy ny ôlon-kafa dahôlo fa migadra noho ny amin’i Kristy izaho, 14 ka vao mainka nahasahy nitory ny Tenin’Andriamagnitra tsisy tahotra ny ankabeazan’ireo rahalahy takao amin’ny Tômpo satria hery be ho anjareo ny figadrako. 15 Fialonana sy filambaniny no nindesin’ny ôlona sanagny mitory an’i Kristy, kanefa misy ny mitory amin-kitsimpo, 16 amim-pitiavana no itoriany an’i Kristy satria hainjareo fa nofidiana hiaro ny Tarea Maharavo izaho. 17 Fa ireo sanagny koa dia filambaniny no itoriany an’i Kristy fa tsy mbô misy fahadiovampo ary mihevitra ny hagnampy trotraka an’izao fijaliako akato am-ponja izao zareo.
18 Dia mampagnino ma izany? Kristy foagna no toriana na amin’ny fihatsaram-belatsihy na amin’ny hitsimpo. Mahafaly anahy izany sady mbôla hahafaly anahy foagna.
19 Fantatro fa ny fivavahana ataonareo sy ny fagnampian’ny Fagnahin’i Jesoa Kristy dia hitondra fahafahana ho anahy. 20 Miandry sy magnantegna mafy izaho fa tsy ho megnatra na amin’ino na amin’ino. Kanefa managna fahasahiana feno izaho izao, sahalan’ny hatramin’izay, fa hiboagna amin’ny aignako ny voninahitr’i Kristy, na ho velona izaho na ho faty.
21 Fa raha izaho dia i Kristy no antony ahavelomako, ary tombony ho anahy ny fahafatesana. 22 Kanefa raha ny fahavelomako no hitondra vokatra amin’ny asako dia tsy haiko izay hofidiko, 23 fa sanganehana be akeo agnivon’izy roa akeo izaho: Tiako hilaosana ity fiaignana ity mbô hiarahako amin’i Kristy satria izay no farany tsara, 24 kanefa tegna mahatsara anareo ny hahavelomako. 25 Resy lahatra ny amin’izany izaho ary haiko fa mbôla hiara-hipetraka aminareo dahôlo mbô hagnampy anareo hiroso sy ho faly amin’ny finoana. 26 Amin’izay, rehefa miverina aigny aminareo izaho dia ho geda ny fireharehanareo noho ny aminahy akao amin’i Kristy Jesoa.
Fiaignana mifagnaraka amin’ny Tarea Maharavo
27 Dia izao, ataovy mendrika ny Tarea Maharavon’i Kristy ny fitondrantegnanareo. Ka na ho tonga aigny aminareo izaho na tsia, dia haharegny ny momba anareo fa miorina tsara amin’ny fagnahy iraika ianareo, miray lôha hiara-miezaka hampandroso ny finoanan’ny Tarea Maharavo, 28 ka tsy ho azon’ny fahavalo hampitahorina ianareo na amin’ino na amin’ino; mariky ny faharesena izany aminjareo fa aminareo indray dia mariky ny famonjena. Ary avy amin’Andriamagnitra izany. 29 Noho ny amin’i Kristy dia namena fahasoavana ianareo, sady hino Azy no hijaly ho Azy koa. 30 Miara-miatrika ady atsika. Hitanareo ny natrehako talôha ary mbôla akao agnatin’izay izaho izao.