Ny ray aman-dreny sy ny zanaka
6
Ianareo zanaka, magnaraka ny Tômpo mbôka ianareo, dia magnekesa ny daday sy nininareo, fa izany no tokony hatao. 2 “Hajao ny daday sy nininao” satria izany no didy voalôhany miaraka amin’ny fampagnantegnana hoe: 3 “Mbô hiadana sady ho lava andro iaignana ianao atỳ ambonin’ny tany” (Deo 5. 16).
4 Ianareo ray, aza mampasosy ny zanakareo, fa taizao tsara izy ka anaro araka ny sitrapon’ny Tômpo.
Ny gaogna sy ny patirô
5 Ianareo gaogna, magnekesa ny patirônareo amin’ny fahatahorana sy ny fagnajana ary ny fahatsorana sahala amin’ny agnekesanareo an’i Kristy, 6 tsy hoe rehefa akeo amasony foagnany, sahala amin’ny mpisolelaka amin’ny ôlona, fa sahala amin’ny gaognan’i Kristy magnano izay sitrapon’Andriamagnitra amin’ny fo. 7 Ataovo amin’ny fo sahala amin’ny ho an’ny Tômpo fa tsy ho an’ny ôlona ny fanompoana ataonareo. 8 Hainareo mbôka fa ny ôlona tsiraikaraika, dia samby hahazo valisoa avy amin’ny Tômpo dahôlo, amin’izay raha tsara nataony, na gaognan’ôlona izy na tsy gaognan’ôlona.
9 Ianareo patirô, magnanaova sahala amin’izany koa amin’ny gaognanareo. Ajanony ny fandrahognana ananjy satria hainareo fa na ianareo na ny gaognanareo dia samby gaognan’Ilay Tômpo aigny an-dagnitra izay tsy mbô magnavakavaka ôlona.
Ny fitaovam-piadian’Andriamagnitra
10 Farany satria ianareo tafiraika amin’ny Tômpo, dia matanjaha amin’ny tanjaky ny heriny. 11 Asarogno dahôlo ny fitaovam-piadiana namen’Andriamagnitra mbôry izay ianareo afaka miatrika ny teti-dratsin’ny devoly. 12 Tsy nofo aman-dra mbôka no iadivantsika fa ny fanjakana sy ny fahefana ary ny tômpon’izao fahamaizignana izao, dia ny fagnahy ratsy aigny amin’ny habakabaka. 13 Araka izany, raiso dahôlo ny fitaovam-piadian’Andriamagnitra mbô hahavita hiatrika ianareo amin’ny andro sarotra. Ary rehefa vitanareo izany raha dahôlo izany dia hahavita hitsangana foagna ianareo. 14 Mitsangàna dia misikìna fahamarinana, misarògna ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ataovy sahala amin’ny kiraro ny fahavonognam-pagnahy hitory ny Tarea Maharavon’ny fihavanana. 16 Tano ho ampinga amin’ny fotoana dahôlo ny finoana fa izany no hahavitanareo mamono ny filesidaoro mirehitra alifan’ilay ratsy. 17 Raiso ny famonjena ho fiarovan-dôha ary ny Tarean’Andriamagnitra ho birizinin’ny Fagnahy.
18 Amin’ny fotoana dahôlo, dia ataovy ny fivavahana dahôlo sy ny fitalahoana araka ny fitarihan’ny Fagnahy Masina. Miambesa amin’izany ka manàgna faharetana amin’ny fivavahana ho an’ny ôlona masina dahôlo. 19 Mivavaha koa ho anahy, mbô hamen’Andriamagnitra anahy ny teny amin’ny fotoana hitaravako ary mbô amin’ny fahasahiana no hagnazavako ny tsiambaratelon’ny Tarea Maharavo. 20 Iraka mitondra an’izany Tarea Maharavo izany izaho na dia migadra aza. Mivavaha ho anahy mbô hitory an’izany amin’ny fahasahiana izaho, araka izay tokony taraviko.
Rasa vôlagna
21 I Tikiko dia rahalahy tiantsika sady gaogna azo atokisana tamin’ny asan’ny Tômpo. Hitarea aminareo ny raha dahôlo izy, mbô ho fantatrareo ny mikasika anahy sy ny raha ataoko. 22 Nasaiko nankaigny aminareo izy hitarea an’izany raha izany mbôry izay fantatrareo ny raha mahazo anay ary mbô hampahereziny koa ianareo.
23 Enga anie ho an’ny rahalahy ny fiadanana sy ny fitiavana mbaraky ny finoana avy amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Tômpo. 24 Enga anie ho an’ny ôlona dahôlo, izay tia an’i Jesoa Kristy Tômpontsika amin’ny fitiavana tsisy lalohaniny, ny fahasoavana.