5
Araka izany, tahafo Andriamagnitra satria zanaka tiany ianareo. 2 Ataovy heniky ny fitiavana ny fiaignanareo, ôhatran’ny nitiavan’i Kristy antsika ka nagnamezany antsika ny aignany ho fagnatitra sy ho sorogna magnitra ankasitrahan’Andriamagnitra.
3 Efa an’Andriamagnitra ianareo ka tsy mendrika anareo ny ho malanga, ny fahalotoana isan-karazagny ary ny fitiavan-karena. 4 Tsy manjary koa ny magnano resaka tsy fanjarianaa sy kivalavala ary magnasaha fa magnanaova teny fisaorana ho an’Andriamagnitra. 5 Fantaro tsara fa samby tsy mandova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamagnitra ny ôlona malanga sy tia fahalotoana isan-karazagny ary ny matin-karena (mpanompo sampy mbôka ny ôlona matin-karena).
Maizigna ianareo talôha fa amin’izao dia efa mazava
6 Aza magneky fitahin’ny ôlona amin’ny resaka tsisy dikany ianareo, fa izany raha izany no mahatonga ny fahasosen’Andriamagnitra amin’ny ôlona tsy mankatô, 7 ka aza miaraka aminjareo. 8 Fa tagnaty maizigna ianareo talôha ary amin’izao indray dia efa tafiditra amin’ny mazava satria miaraka amin’ny Tômpo. Mahaiza miaigna sahala amin’ny zanaky ny mazava, 9 satria ny fahazavana dia miteraka fahatsorana, fahamarinana ary fahitsiana. 10 Fantaro tsara ny raha ankasitrahin’ny Tômpo. 11 Ary aza miaro amin’ny asan’ny maizigna fa tsy mitondra soa avy izany, fa alay habaribary ny faharatsiany. 12 Mahamegnatra mbôka na dia hikoragna an’izay raha ataonjareo misitrika akao. 13 Rehefa aboagna amin’ny mazava ny raha dahôlo dia hita mibaribary; 14 ny raha dahôlo habaribary amin’ny mazava mbôka dia mazava, ka izany no itaravany hoe:
Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna amin’ny maty
dia hampahazava anao i Kristy.
15 Araka izany, tandremo tsara ny fomba fiaignanareo, aza miaigna sahala amin’ny adala fa magnanaova sahala amin’ny hendry. 16 Ratsy izao andro izao ka araraoty ny fotoana hagnanaovanareo raha tsara. 17 Araka izany, aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tômpo. 18 Aza magnano mamon-divay ianareo satria mitarika anareo hagnaram-po amin’ny fiaignan-dratsy izany. Fa ataovy feno ny Fagnahy ianareo; 19 mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira fiderana ary ny tononkiran’ny Fagnahy, ary mihirà sy magnanaova osika amin’ny fo ho an’ny Tômpo. 20 Misaora foagna an’Andriamagnitra Ray amin’ny raha dahôlo amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy Tômpontsika.
Ny mpivady
21 Noho ny fagnajana an’i Kristy dia mifagneke ianareo. 22 Ianareo vehivavy, magnekesa ny fanambadianareo sahala amin’ny hagnekesanareo ny Tômpo 23 satria ny lehilahy no lôhan’ny vehivavy, sahala amin’i Kristy izay Lôhan’ny Fiangonana; Izy mbôka no Mpamonjy ny fiangonana izay vatagny. 24 Sahala amin’ny hagnekesan’ny fiangonana an’i Kristy no tokony hagnekesan’ny vehivavy ny fanambadiany amin’ny raha dahôlo.
25 Ianareo lehilahy, tiavo ny fanambadianareo sahala amin’ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nagnolorany ny aignany hamonjy ananjy, 26 mbô hahamasina ananjy tamin’ny nagnadiovana ananjy tamin’ny rano sy ny tenin’Andriamagnitra. 27 Tanjony amin’izany ny hampiseho agnatrehany ny Fiangonana feno hatsarana, tsisy pentina na kentrogna, na raha sahala amin’izany, fa mbô ho masina sady tsisy kilema. 28 Dia sahala amin’izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny fanambadiany sahala amin’ny itiavany ny tegnany. Izay tia ny fanambadiany dia tia ny tegnany.
29 Tsisy ôlona tsy tia ny vatagny izany mbôka; ny mifanohitra amin’izany aza no ataony, velominy sy karakarainy ny vatagny sahala amin’ny ataon’i Kristy amin’ny Fiangonana, 30 satria agnisan’ny vatagn’i Kristy atsika. 31 “Araka izany, ny lehilahy dia hiala amin’ny dadainy sy nininy ka hitambatra amin’ny fanambadiany, dia hanjary iraika zareo nihindroay” (Gen 2. 24). 32 Raha matomboka be tsy takatry ny saigna izy io; fa izaho kosa dia mitarea mikasika an’i Kristy sy ny Fiangonana. 33 Na dia izany aza, tokony samby tia ny fanambadiany sahala amin’ny itiavany ny tegnany ny lehilahy, ary tokony hagnaja ny fanambadiany ny vehivavy.