Anatra mbô hiray lôha sy hifankatia akao amin’i Kristy
4
Araka izany dia miangavy anareo izaho, izay migadra noho ny amin’ny Tômpo, mbô hiaigna mendrika ny fagnantsovana izay nagnantsovana anareo ianareo, 2 ka magnetre tegna foagna ary mbô tsotra; ary manàgna faharetana ka mahaiza mifandefitra amin’ny fitiavana. 3 Miezaha mitàna ny firaisana avy amin’ny Fagnahy amin’ny fihavanana izay hifamatoranareo. 4 Iraika ny vatagna, ary iraika ny Fagnahy, dia araka ny nagnantsovana anareo ho amin’ny fagnantegnana iraika;
5 iraika ny Tômpo, iraika ny finoana, iraika ny batisa,
6 iraika Andriamagnitra sady Rain’ny dahôlobe,
manjaka amin’ny ôlona dahôlo, miasa amin’ny alalan’ny ôlona dahôlo ary manangana amin’ôlona dahôlo.
7 Kanefa atsika tsiraikaraika dia samby nandray ny fahasoavana araka izay namen’i Kristy. 8 Ka izany no itaravany hoe:
“Raha niakatra taigny agnambo Izy,
dia nitondra ôlona babo betsaka,
ka nagname fagnamezana ho an’ny ôlona” (Sal 68. 18).
9 Ino ma izany ny dikan’ny hoe niakatra Izy, afa-tsy hoe: Efa nidigna taigny amin’ny farany laligna amin’ny tany Izy. 10 Ilay nidigna ihany no niakatra aigny amin’ny lagnitra farany agnambo mbô hagnenika an’izao tontolo izao.
11 Izy no nagname fagnamezana, ny sanagny ho lasana Apostoly, ny sanagny ho lasana mpagnazary, ny sanagny ho lasana evanjelisita ary ny sanagny ho lasana mpiandry sy mpampianatra, 12 mbô hagnofanana ny ôlona masina ho amin’ny asa fagnompoana, ho amin’ny fandrafetana ny vatagn’i Kristy 13 izany no hahatongavantsika dahôlo ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahaizana tsara an’ilay Zanak’Andriamagnitra; ka ho ôlona geda matotra isehoan’ny fahafenoan’i Kristy. 14 Dia tsy sahala amin’ny gaogna madinika intsony atsika ka ahilangilagn’ny onja sy havezivezin’ny rivotry ny fampianarana isan-karazagny ataon’ny ôlona amin’ny hafetsena sy ny fitaka hitarika ho amin’ny fahadisoana. 15 Fa amim-pitiavana kosa no hitaravantsika ny marina ka hitomboantsika amin’ny raha dahôlo mifagnaraka amin’i Kristy izay Lôhan’ny fiangonana. 16 Izy no mampiraika sy mampitambatra tsara ny vatagna dahôlo amin’ny vanin-taolagna. Rehefa miasa araka ny anjarany avy ny ôlona tsiraikaraika dia hitombo dahôlo ny vatagna ka handroso amin’ny fitiavana.
Ny ôlona talôha sy ny ôlona vaovao
17 Ka izao ny raha iangaviako anareo amin’ny agnaran’ny Tômpo: Aza magnaraka ny fomba fiaignan’ny Jentilisa amin’ny tsi-fisian-dôhany intsony; 18 izay sady maizin-tsaigna no tsy managna anjara amin’ny fiaignan’Andriamagnitra satria tsisy raha hay izy sady mafy lôha. 19 Ôlona tsisy hegna-maso intsony zareo, mivarilavo amin’ny halangana sy magnaram-po amin’ny fahalotoana isan-karazagny.
20 Tsy mbô ôhatr’izany mbôka ny raha nianaranareo momba an’i Kristy. 21 Fa efa naharegny mikasika Ananjy tokoatrany ianareo ary efa namena fampianarana mifagnaraka amin’ny fahamarinana akao amin’i Jesoa. 22 Ialao ny fomba fiaignanareo hatramin’izay. Fa talôha mbôka feno filana mamitaka ny tegnanareo izay namotika anareo; 23 ekeo mbô ho havaozin’ny Fagnahy ny saignanareo, 24 ka sarògno ny toetra vaovao izay noforognina mifagnaraka amin’Andriamagnitra mbô hahatonga anareo ho mahitsy sy masina araka ny fahamarinana.
25 Ka aza mandainga fa sambia mitarea ny marina amin’ny namany avy ianareo satria atsika dahôlo dia efa tafatambatra vatagna iraika. 26 Rehefa sosy, dia aza manota, ary aza andrasana takatry ny maty masoandro ny fahasosenareo. 27 Aza amena hirika ny devoly. 28 Izay nangalatra dia aza mangalatra intsony, fa mila mifofotra miasà mafy izy mbôry izay hisy hagnamezany ny sahirana. 29 Aza asena teny ratsy am-bavanareo fa mbô teny tsara mampandroso araka izay ilain’ny hafa, dia hahatsara an’izay mitaino anareo izany. 30 Aza mampalahelo ny Fagnahy Masin’Andriamagnitra ianareo satria ny Fagnahy Masina no fitomboka manamarika anareo amin’ny andro fagnavotana. 31 Alao lavitra anareo ny lolompo dahôlo, ny asira, ny fahasosena, ny filelalelana, ny asaha ary ny haratsiam-pagnahy isan-karazagny, 32 sambia tsotra sy foraigna amin’ny namanareo avy ianareo; mifamelà heloka sahala amin’ny namelan’Andriamagnitra ny helokareo tamin’i Kristy.