Ny tsiambaratelo mikasika an’i Kristy
3
Izany no mahatonga anahy, Paoly, migadra noho ny amin’i Kristy Jesoa, noho ny aminareo Jentilisa. 2 Fantatrareo tsara fa Andriamagnitra dia nagname andraikitra anahy ny amin’ny fahasoavany ho anareo. 3 Tamin’ny fagnambarana no nampahafantarany anahy ny tsiambaratelo izay efa nofintiniko taminareo. 4 Rehefa mamaky an’ity ianareo dia ho azonareo an-tsaigna ny fahafantarako ny tsiambaratelon’i Kristy. 5 Tsy nampahafantarina an’io tsiambaratelo io ny ôlona talôha, fa amin’izao noho ny asan’ny Fagnahy Masina dia nambara tamin’ireo Apostoly masina sy tamin’ireo mpagnazary izany. 6 Izany tsiambaratelo izany dia mbô hahatonga ny Jentilisa hiray lova amin’ny Jiosy sy hiray aigna ary ho mpikambagna amin’ny fampagnantegnana akao amin’i Kristy Jesoa noho ny Tarea Maharavo, 7 izay nagnanaovana anahy ho gaogna noho ny fahasoavan’Andriamagnitra nameny anahy araka ny fiasan’ny heriny.
8 Izaho izay farany kitika amin’ny ôlona masina dahôlo, no namena izao fahasoavana izao, dia ny hitory ny harenan’i Kristy tsisy lalohaniny amin’ny Jentilisa, 9 ary hagnazava amin’ny ôlona dahôlo ny fomba hagnatanterahan’Andriamagnitra ny tsiambaratelony. Nasitrik’Andriamagnitra, ilay Mpamorogna ny raha dahôlo, izany tsiambaratelo izany letry izay. 10 Izany dia mbô hampahafantarin’ny fiangonana an’ireo fanjakana sy fahefana aigny an-dagnitra ny fahendren’Andriamagnitra isan-karazagny, 11 araka ny fikasana mandrakizay izay nataon’Andriamagnitra takao amin’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 12 Aminanjy akao no hanagnantsika fahasahiana hagnatogna Ananjy amin’ny fahatokisana, noho ny finoana Ananjy. 13 Araka izany dia miangavy anareo izaho mbô tsy ho kivy amin’ny fijaleko noho ny aminareo satria voninahitrareo izany.
Tokony hanangana am-ponareo i Kristy
14 Izany no mahatonga anahy handongalika akeo agnoloan’ny Ray, 15 Izay nampisy aigna ny fianakaviana dahôlo aigny an-dagnitra sy atỳ an-tany; 16 mbô hameny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hery sy ny tanjaka akao agnaty amin’ny alalan’ny Fagnahiny, 17 ary mbô hananganan’i Kristy am-ponareo akao amin’ny finoana ka hamaka sy hifototra tsara amin’ny fitiavana ianareo, 18 ka ho azonareo tsara miaraka amin’ny ôlona masina dahôlo ny sakany sy ny andavany ary ny ambosany sy ny halalign’izany fitiavana izany, 19 ary hahay ny fitiavan’i Kristy izay mandombolombo noho ny fahaizana dahôlo ianareo, ka ho feno ny fahafenoan’Andriamagnitra dahôlo.
20 Ary ho an’Ilay mahavita mandombolombo noho izay dahôlo hangatahintsika na heverintsika, araka ny hery izay miasa agnatintsika, 21 enga anie ho Ananjy ny voninahitra akao amin’ny Fiangonana sy akao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka dahôlo mifandimby mandrakizay. Amena.