Avy amin’ny fahafatesana mankaigny amin’ny fiaignana
2
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay niaignanareo talôha, araka ny fataon’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana aigny amin’ny rivotra, dia ny fagnahy izay miasa amin’izao andro izao agnatin’ireo ôlona tsy mankatò. 3 Ôhatra anjareo dahôlo koa atsika talôha: nagnaraka ny fagnirian’ny nofontsika ka nagnano izay tagnatin’ny lôhantsika sy izay danin’ny kibontsika; ary araka izany toetrantsika izany dia mendrika ny fahasoseny sahala amin’ny hafa koa atsika. 4 Kanefa manan-karena famindrampo Andriamagnitra ary noho ny hagedazan’ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 letry atsika maty noho ny raha tsy manjary nataontsika, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy atsika. Fahasoavana no namonjena anareo. 6 Natsangan’Andriamagnitra niaraka tamin’i Kristy Jesoa atsika ka nampiantoriny niaraka Taminanjy aigny an-dagnitra, 7 mbô haboagnany amin’ny andro ho avy ny hagedazan’ny harem-pahasoavany amin’ny fahamoram-pagnahiny amintsika akao amin’i Kristy Jesoa. 8 Fahasoavana mbôka no namonjena anareo tamin’ny finoana; fagnamezana avy tamin’Andriamagnitra izany fa tsy avy taminareo; 9 tsy avy amin’ny raha atao, fa sao dia hisy hiendaenda akeo. 10 Asan’Andriamagnitra mbôka atsika, noforogniny takao amin’i Kristy Jesoa mbô hagnano raha tsara izay efa nomagniny hataontsika.
Mitambatra akao amin’i Kristy ny Jiosy sy ny Jentilisa
11 Ianareo Jentilisa, ianareo dia antsovin’i Jiosy hoe tsy vita hasoavana, fa zareo magnano ny tegnanjareo hoe vita hasoavana nataon’ôlombelona, ataovy an-dôhanareo ny nahazo anareo talôha: 12 lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany fotoana izany sady tsy agnisan’ny vahoakan’Israely; vahiny tamin’ireo fampagnantegnana ka tsy nanagna fagnantegnana sady tsy nanagna an’Andriamagnitra takeo amin’izao tontolo izao. 13 Fa amin’izao, dia akao amin’i Kristy Jesoa ianareo; ianareo izay lavitra talôha, dia nanjary akaiky noho ny ràn’i Kristy.
14 Izy no nampihavana antsika ka nahatonga ny Jiosy sy ny Jentilisa ho iraika ary tamin’ny alalan’ny aignany no nandravany ilay rindrigna nagnasaraka sy nampifandrafy antsika. 15 Nofoagnany ny lalàna izay nisy didy natao ho tandremana mbô hampitambarany antsika roay tonta akao amin’ny aignany ka hanjary ôlom-baovao iraika atsika. Izany no nagnanaovany fampihavanana. 16 Tamin’Izy maty takeo amin’ny kakazo fijalena no namotehany ny fifandrafiana ary mbô hampihavanany antsika amin’Andriamagnitra ka hanjary vatagna iraika atsika. 17 Nitory ny Tarea Maharavon’ny fihavanana taminareo izay lavitra sy ireo akaiky no niaven’i Kristy 18 Noho ny Aminanjy no ahafahantsika roay tonta magnatogna ny Ray amin’ny Fagnahy iraika.
19 Araka izany dia tsy vahiny sy mpandalo intsony ianareo fa tômpon-tany, mpiray fanjakana amin’ny ôlona masina sady fianakavian’Andriamagnitra, 20 naorina takeo ambonin’ny fototry ny Apostoly sy ny mpagnazary ary Kristy Jesoa no vato fototra. 21 Aminanjy akao no irafetan’ny rafitra dahôlo, mitombo tsara ho tempoly masina akao amin’ny Tômpo. 22 Aminanjy akao koa ianareo no miaraka arafitra aminjareo mbô ho toerana hipetrahan’Andriamagnitra akao amin’ny Fagnahy.