Kolosiana
Fiarahabana ny Kolosiana sy ny fisaorana an’Andriamagnitra noho ny toetr’ireo
1
1-2 Izaho Paoly, apostolin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamagnitra miaraka amin’i Timoty rahalahy, no manoratra ity taratasy ity. Mamangy ny ôlona masina dahôlo aigny Kolosia izahay dia ireo rahalahy mahatoky akao amin’i Kristy.Enga anie ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika.
Fisaorana an’ Andriamagnitra avy amin’ny toetranjareo Kolosiana
3 Mivavaka ho anareo izahay sady velom-pisaorana foagna an’Andriamagnitra Rain’i Jesoa Kristy Tômpontsika 4 satria regninay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny ôlona masina dahôlo, 5 avy amin’ny fanantenana izay nakajiana aigny an-dagnitra ho anareo dia izay efa regninareo talôha tamin’ny tarean’ny fahamarinana dia ny Tarea Maharavo. 6 Efa tonga aminareo io Tarea Maharavo io, ohatra ny niparitahany sy ny nitondrany vokatra takeo amin’izao tontolo izao dia ohatra an’izany koa takeo aminareo, letry tamin’ny andro naharignesana sy nahaizanareo ny marina momba ny fahasoavan’Andriamagnitra. 7 Efa nampianatra an’izany anareo Epafra, ilay mpanompo namanay sady tianay. Izy dia mpanompo mahatoky an’i Kristy akeo aminareo. 8 Izy koa no nagnambara taminay ny fitiavana izay asesiky ny Fagnahy akao agnatinareo.
Vavaka fangatahan’i Paoly ho an’ny Kolosiana
9 Izany no magnesika anay tsy mijanona mivavaka sy mangataka ho anareo nanomboka tamin’ny andro naharegnesanay ny momba anareo. Mangataka amin’Andriamagnitra izahay ho anareo mbô hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina avy amin’ny Fagnahy, 10 mbô hitondranareo tegna mendrika ny Tômpo, ary magnano ny sitrapony amin’ny raha dahôlo, mahavokatra amin’ny asa tsara dahôlo, sady mandroso amin’ny fahalalana tsara an’Andriamagnitra. Mangataka Aminy koa izahay mbô 11 hatanjahina amin’ny hasin’ny vogninahiny ianareo ka hanagnanareo faharetana sy fandeferana amin’ny raha dahôlo.
Endrik’Andriamagnitra tsy hita i Kristy
12 Misaora ny Ray amin’ny fifaliana, Izy no nahatonga anareo hanagna anjara amin’ny lovan’ny ôlona masina akao amin’ny mazava. 13 Izy no nangala antsika takao amin’ny fanapahan’ny aizigna sy namindra antsika akao amin’ny fanjakan’ny Zanagny malalany. 14 Tao Aminanjy no nanafahana antsika sy namelana ny helotsika.
15 Kristy no endrik’Andriamagnitra tsy hita maso,
Izy no Lahimatoan’izao raha ary dahôlo izao
16 satria nohariana takao Aminanjy ny raha dahôlo
aigny an-dagnitra sy atỳ ambonin’ny tany, ny hita sy ny tsy hita, ny fiandrianana, ny fanjakana, ny fanapahana ary ny fahefana.
Tamin’ny alalany ary ho Ananjy no namorognana ny raha dahôlo.
17 Efa nisy talôhan’ny raha dahôlo Izy, sady akao Aminanjy no itanana ny raha dahôlo amin ‘ny toerany.
18 Izy no Lôhan’ny aigna dia ny Fiangonana izany,
Izy no voalôhany, ny Lahimatoan’izay natsangana tamin’ny maty, mbô hahatonga Ananjy ho lôhalaharana amin’ny raha dahôlo
19 satria tian’ny Ray hipetraka akao Aminazy ny fahafenoana dahôlo
20 ary tamin’ny alalan’i Kristy no namitranany ny fihavanana tamin’ny raha dahôlo na ny etỳ ambonin’ny tany na ny aigny an-dagnitra
ary ny rany takeo amin’ny kakazo fijaliana no nagnanaovany an’izany fampihavanana izany.
21 Sady lavitra an’Andriamagnitra no fahavalony ianareo talôha noho ny fisainanareo sy ny asa ratsinareo. 22 Fa amin’izao dia efa nampihavaniny Taminanjy ianareo, tamin’ny alalan’ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny nofo, mbô ho masina sady tsy misy hokianina akeo agnatrehany. 23 Kanefa tsy maintsy mahadigny amin’ny finoana ianareo, mitombina sy mafy orina amin’izany, tsy manjary halana amin’ny fanantenana avy amin’ny Tarea Maharavo izay efa regninareo sady notorina tambanin’ny lagnitra. Nanjary mpanompon’io Tarea Maharavo io izaho Paoly.
Fiaretan’i Paoly
24 Miravoravo izaho izao noho ny fiaretako ho anareo satria ny nofoko mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy ho an’ny aignany, dia ny Fiangonana izany. 25 Ny Fiangonana no nahatonga anahy ho mpanompo araka ny andraikitra nankinin’Andriamagnitra taminahy ho anareo, dia ny hagnatanteraka ny tareany 26 izay raha misitrika nasitrika hatry ny talôhabe sy nasitrika tamin’ny taranaka mifandimby, kanefa amin’izao dia aboagna amin’ny ôlona masina 27 izay tian’Andriamagnitra ampahafantarina ny haren’ny vogninahitry ny raha misitrika aigny amin’ny Jentilisa, dia i Kristy akao agnatinareo, Ilay fagnatenana ny vogninahitra. 28 Izy no torinay. Mampitandrina sy mampianatra ny ôlona dahôlo amin’ny fahendrena dahôlo izahay mbô hahatanteraka anjareo akao amin ‘i Kristy. 29 Izany no amonoako tegna sy iezahako mafy miaraka amin’ny herin’Ilay miasa mafy akato agnatiko.