4
Noho izany raôlona tiako, izay iriko ho hita indray, fifaliako sy satroboninahitro, mipetraha tsara akao amin’ny Tômpo ianareo raôlona.
Miravoravoa akao amin’ny Tômpo
2 Mampirisika an’i Eodia sy i Sintike izaho mbô hiray lôha akao amin’ny Tômpo zareo. 3 Miangavy anao koa izaho ry mpiara-miasa akaiky aminahy: Tahio zareo roavavy satria nanagno vy very ny aigny niaraka taminahy tamin’ny fagnambarana ny Tarea Maharavo zareo, mbarik’i Klemanta sy ny mpiara-miasa aminahy hafa, izay voasoratra agnarana akao amin’ny bokin’ny fiaignana.
4 Miravoravoa foagna amin’ny Tômpo; averiko indray: Miravoravoa. 5 Ataovy hain’ny ôlona dahôlo ny fahatsoranareo. Efa akaiky ny Tômpo. 6 Aza magnahy na amin’ino na amin’ino fa angataho amin’Andriamagnitra amin’ny vavaka sy fifonana ary fisaorana izay raha dahôlo ilainareo. 7 Ary ny fiadanan’Andriamagnitra izay mandombolombon’ny fahalalana dahôlo, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo akao amin’i Kristy Jesoa.
8 Farany raôlona, na ino marina, na ino hajaina, na ino rariny, na ino madio, na ino mahatehotia, na ino mahatehidera, raha misy hatsaran-toetra, raha misy mendrika hoderaina, dia hevero izany. 9 Ataovy izay efa nianaranareo, efa noraisinareo, efa regninareo ary efa hitanareo taminahy. Enga anie ho aminareo ny Andriamagnitry ny fiadanana.
Sorogna ankasitrahan’Andriamagnitra ny fagnamezana natolotry ny Filipiana
10 Tena ravoravo akao amin’ny Tômpo izaho satria nohavaozinareo indray ny fiheverana ny momba anahy; efa noeritreretinareo mbôka izany fa mbôla tsisy fotoana hagnaovanareo an’izany. 11 Tsy fahasahiranana no hitaravako an’izany satria efa nianatra ny mifaly amin’izay raha anagnako izaho. 12 Haiko ny miaigna tsara akao agnatin’ny fahantrana sy miaigna akao agnatin’ny fanagnan-karena. Amin’ny raha dahôlo dia efa nianarako ny ho voky sy ny ho noana ary ny hanagna sy ny ho sahirana. 13 Mahay ny raha dahôlo izaho akao amin’Ilay magnome hery anahy.
14 Kanefa nanjary ny raha nataonareo niara-ory taminahy. 15 Ary hainareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Tarea Maharavo, rehefa niala taigny Makedonia izaho, dia tsisy fiangonana nandray anjara tamin’ny fanohagnana anahy afa-tsy ianareo foagnany. 16 Tamin’izaho mbôla taigny Tesalonika koa aza dia nandefa fanohagnana ho anahy ianareo tsy indray mandeha foagna. 17 Kanefa tsy ny fanomezana avy aminareo no ilaiko fa ny fagniriako dia ny hitomboan’ny vokatra amin’ny agnaranareo. 18 Managna ny raha dahôlo izaho sady managna mihoatra aza; ampy anahy izay raha dahôlo azoko rehefa nandray tamin’ny Epafrodito ny raha nampitondrainareo izaho: Zava-magnitra, sorogna tian’Andriamagnitra sady ankasitrahany izany. 19 Ary Andriamagnitro hagnome izay raha dahôlo tokony ho anareo araka ny hagedan’ny voninahiny akao amin’i Kristy Jesoa. 20 Enga anie ho an’Andriamagnitra Raintsika ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
Rasa vôlagna
21 Veloma amin’ny ôlona masina dahôlo akao amin’i Kristy Jesoa. Veloma koa ianareo hozy ny rahalahy miaraka aminahy akato. 22 Veloma ianareo hozy ny ôlona masina dahôlo, indrindra fa zareo iray tragno amin’i Kaisara.
23 Enga anie ho amin’ny fagnahinareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpo.