Ny fahamarinana amen’Andriamagnitra
3
Farany raôlona, miravoravoa akao amin’ny Tômpo. Tsy mampanahirana anahy ny manoratra indray mandeha aminareo, fa mahatsara anareo izany.
2 Mitandrema amin’ny amboa, mitandrema amin’ny mpagnano ratsy, mitandrema amin’ny mpomba ny hasoavana tsy izy. 3 Fa atsika no tena vita hasoavana. Manompo an’Andriamagnitra amin’ny Fagnahiny atsika, magnano an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika ary tsy mitoky amin’ny nofo; 4 kanefa mbô managna izay hitokiako amin’ny nofo ihany koa izaho.
Raha misy ôlona mieritreritra fa mitoky amin’ny nofo dia mandombolombon’izany izaho: 5 Vita hasoavana tamin’ny andro fahavalo izaho, tamingan’Israely izaho, avy amin’ny fokon’ny Benjamina ary Hebreo ray sy reny. Fariseo izaho araka ny lalàna; 6 nagnenjika ny Fiangonana izaho araka ny hafagnampo ary tsisy kianina izaho araka ny fitsaran’ny lalàna.
7 Izay raha dahôlo noheveriko ho tombony dia nataoko ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy. 8 Fa ataoko ho fatiantoka ny raha dahôlo noho ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tômpoko izay agnambo lavitra mandombolombon’izany raha dahôlo izany. Noho ny Aminanjy dia nataoko ho fatiantoka ny raha dahôlo, nataoko sahala amin’ny fako iregny mbô hahazoako an’i Kristy; 9 ary mbô ho hita marina akao Aminanjy izaho, tsy avy amin’ny fahamarinana izay azoko avy amin’ny fankatoavana ny lalàna fa avy amin’ny finoana an’i Kristy, ilay fahamarinana avy amin’Andriamagnitra izay mifototra amin’ny finoana; 10 mbô ho haiko Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hitovako Aminanjy amin’ny fahafatesany, 11 raha manjary koa ny hitsanganako amin’ny maty.
Manakatra ny tanjona
12 Tsy miambo ho efa nahatakatra ny tanjona na ny farany tsara izaho; fa miezaka izaho mbô hitana izay nitanan’i Kristy Jesoa anahy. 13 Ô raôlona! Tsy nihevitra hoe efa nahazo izaho. Raha iraika foagna no ataoko: Magnadino izay raha avy aigny afara fa miezaka hanakatra izay raha avy aigny alôha. 14 Ary miezaka hanakatra ny tanjona izaho hahazoako ny lokan’ny fagnantsovan’Andriamagnitra avy aigny agnambo, akao amin’i Kristy Jesoa akao. 15 Tokony hanagna izany eritreritra izany atsika dahôlo izay matotra fa raha misy managna eritreritra hafa dia hohazavain’Andriamagnitra aminareo izany. 16 Tokony hotohizantsika ny lalana izay efa nombantsika.
17 O raôlona! Tahafonareo izaho ka jerevo izay ôlona mangala-tahaka ny fitondrantegnanay. 18 Efa notaraviko taminareo matetika, ary dia mbôla hotaraviko amin-dranomaso indray izao fa betsaka ny miaigna manohitra ny kakazo fijalianan’i Kristy. 19 Fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamagniny, ny fahamenarany no voninahiny ary tsisy raha agnatin’ny lôhany afa-tsy ny raha amin’izao tontolo izao. 20 Fa atsika kosa dia ôlon’ny lagnitra ary avy aigny no andignesantsika ny Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tômpo. 21 Izy no hagnova ny aignantsika mety maty hitovy amin’ny aignany be voninahitra, amin’ny alalan’ny hery, izay mampagnaiky ny raha dahôlo ny fahefany.