Ny fanetrentegnan’i Kristy sy ny fahagedany
2
Raha misy fampirisihana akao amin’i Kristy, raha misy fampaherezana ateraky ny fitiavana, raha misy firaisana akao amin’ny Fagnahy, raha misy famindrampo sy fiantrana. 2 Ataovy izay hahafeno ny fifaliako: miraisa saigna, mifankatiava, miraisa lôha ary miraisa hevitra. 3 Aza magnano na ino na ino amin’ny filambaniny na amin’ny filandera, fa amin’ny fagnetretegna dia mihevera ny hafa ho mandombolombo ny aigna. 4 Aza mihevitra ny an’ny aignany irerika fa mihevera koa ny hafa.
5 Manàgna fomba fisaignana sahala ny an’i Kristy Jesoa:
6 Na dia nanagna ny toetra maha Andriamagnitra aza Izy,
dia tsy mbô notampikiriny ny fitoviany amin’Andriamagnitra,
7 fa nampandeferiny ny Aignany
tamin’ny nangalany ny toetra maha mpanompo
ka nampanjary Ananjy hitovy amin’ny ôlona.
8 Rehefa hita fa tena ôlona Izy,
dia nanetry tegna
ka nagnaiky hatramin’ny fahafatesana
dia ilay fahafatesana takeo amin’ny kakazo fijaliana.
9 Izany no antony nagnamezan’Andriamagnitra Ananjy ny toeram-bohinahitra farany agnambo,
sy nagnomezany Ananjy ny agnarana faratampony amin’ny agnarana dahôlo,
10 mbô ho amin’ny agnaran’i Jesoa no handongalehan’ny lohalitra dahôlo,
na ny aigny an-dagnitra, na ny etỳ an-tany, na ny aigny ambanin’ny tany,
11 ary mbô hagneken’ny lela dahôlo fa Jesoa Kristy no Tômpo,
ho voninahitr’Andriamagnitra Ray.
Mamirapiratra sahala amin’ny fahazavana
12 Ô raôlona! Ôhatra ny nagnekenareo foagna takeo imasoko, dia magnanaova mandombolombon’izany na dia tsy aigny aza izaho, ampiasao amin’ny tahotra sy ny fangovitana ny famonjena anareo 13 satria Andriamagnitra no miasa akao agnatinareo izay manome anareo ny fagniriana sy ny fikasana hagnanaovana ny sitrapony.
14 Izay raha dahôlo ataonareo dia aza asiana fimonomonomana na adi-hevitra 15 mbô tsisy hokiagnina sy madio ianareo, zanak’Andriamagnitra tsisy kilema agnivon’ny taranaka meloka sy tia ratsy, izay amirapirataonareo sahala ny hazavana akeo amin’izao tontolo izao, 16 mitana ny tarean’ny fiaignana. Ho reharehako izany amin’ny andron’i Kristy, ka tsy ho vaky tratra foagna izaho ary tsy ho very maigna ny ezaka nataoko. 17 Na dia amena ho fanampin’ny fagnatitra ataonareo ho an’Andriamagnitra sy fisorognan’ny finoanareo aza izaho, dia ravoravo amin’izany sy miara-miravoravo aminareo dahôlo. 18 Sahala amin’izay koa, miravoravoa anareo ary miaraha miravoravo aminahy.
Ny iraka nampanaovina an’i Timoty sy Epafrodito
19 Magnantegna akao amin’i Jesoa Tômpo izaho fa tsy ho ela dia hagniraka an’i Timoty handeha hankaty aminareo satria hampahery anahy ny maharegny vaovao momba anareo. 20 Tsisy ôlona mitovy fijery aminahy mbôka na dia iraika aza amin’ny fahazotoana mikarakara anareo. 21 Samby mikaraka ny ho ananjy zareo dahôlo fa tsy ny an’i Jesoa Kristy. 22 Kanefa hainareo fa i Timoty dia efa za-draha; niara-nanompo ny Tarea Maharavo taminahy izy, sahala ny zanaka miaraka amin’ny rainy. 23 Magnategna ny hagniraka ananjy atỳ aminareo izaho rehefa mazava aminahy ny momba anahy. 24 Kanefa matoky akao amin’ny Tômpo izaho fa tsy ho ela dia ho avy hamangy anareo.
25 Heveriko koa fa manjary ny handefasako atỳ aminareo an’i Epafrodito rahalahiko, mpiara-miasa aminahy, mpiray tafika aminahy ary irakareo mbô hitondra izay raha ilaiko. 26 Mahatsiaro anareo dahôlo izy sady sahiran-tsaigna noho ny naharegnesanareo fa narary izy. 27 Narary saika maty tokoatra mbôka izy nefa Andriamagnitra namindra fo taminanjy ary tsy taminanjy irerika fa taminahy koa mbô tsy hifanosogna ny alaheloko. 28 Maika hagniraka ananjy ho aigny aminareo izaho mbô ho faly ianareo rehefa mifankahita aminanjy ary mbô ho maivagna ny alaheloko. 29 Raiso akao amin’ny Tômpo amin-karavoagna izy, ka hajao ny ôlona sahala aminanjy; 30 saika maty izy noho ny asan’i Kristy, nagnao vy very ny aignany mbô hamita izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana anahy.