1 Tesaloniana
Fiarahabana
1
Ho an’ny fiangonan’ny Tesaloniana, akao amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Tômpo.Mamangy anareo izahay: Paoly sy Silasy ary Timoty. Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2 Rehefa mivavaka ho anareo izahay dia misaotra an’Andriamagnitra fôgna noho ny aminareo. 3 Tsaroanay fôgna koa amason’Andriamagnitra Raintsika ny asa avy tamin’ny finoanareo, ny fitiavana manesika anareo ary ny fahadignesanareo mitavandra an’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 4 Fantatray raolona malalan’Andriamagnitra fa nosafidiany ho Ananjy ianareo. 5 Fa tsy tamina taria fôgnany ny nitondranay ny Tarea Maharavo taminareo, fa tamin’ny hery koa niampy ny asan’ny Fagnahy Masina sy ny fahatokisana tanteraka. Fantatrareo tsara koa fa avy taminareo izany satria hitanareo ny fomba fitondrantegnanay takeo aminareo.
6 Efa nagnaraka ny raha nataonay sy ny raha nataon’ny Tômpo ianareo satria na dia azom-pahorena mafy aza ianareo dia nandray ny taria tamin’ny fifaliana avy tamin’ny Fagnahy Masina, 7 dia nanjary nagnaraka ny raha nataonareo koa ny ôlona mino dahôlo aigny Makedonia sy Akaia. 8 Fa avy taminareo no nandrignesan’ôlona ny tarian’ny Tômpo; nalaza tamin’ny tany dahôlo ny finoanareo an’Andriamagnitra fa tsy taigny Makedonia sy Akaia fôgna, ka dia tsisy azonay ambara intsony. 9 Fa zareo dahôlo mitantara ny momba anay sy ny nahatongavanay taty aminareo ary ny nialanareo tamin’ny fanompoana Andriamagnitra hafaa ka niveregnanareo tamin’Andriamagnitra mba hanompoanareo an’Ilay Andriamagnitra velona sy marina, 10 ary mba handignesanareo ny fiaven’ny Zanagny avy akaigny an-dagnitra, dia i Jesoa Izay natsangany tamin’ny maty, Izay Mpagnafaka antsika amin’ny fahasosen’Andriamagnitra ho avy.