2
Fa fantatrareo raolona fa ny fahatongavanay taty aminareo dia nisy dikany. 2 Ary mbôla fantatrareo koa fa talohan’ny nahatongavanay taty dia nampijaliana sy nafokafokaina takaigny Filipy izahay, kanefa sakinay takao amin’Andriamagnitray ny nikoragna taminareo ny Tarea Maharavo avy Taminazy, na dia betsaka aza ny sakantsakana.
3 Safe izany tsy avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky ny fagnanarana ataonay. 4 Ary hitan’Andriamagnitra fa azony nankinina taminay ny Tarea Maharavo, ka dia araka izany koa no itenenanay, tsy mila vogninahitra avy amin’ôlona fa avy amin’Andriamagnitra, Izay mahita ny agnaty fonay. 5 Fantatrareo tsara mihitsy fa tsy nandokadoka n’iza n’iza izahay, na nihatsaravelatsihy hitavandra raha amin’ôlona: vavolombelona amin’izany Andriamagnitra. 6 Ary tsy nikaraka vogninahitra tamin’ôlona izahay, na taminareo na tamin’ny sanagny, na dia nanjary nagnararaotra anareo ary, amin’ny maha apostolin’i Kristy anay.
7 Fa tsotra taminareo izahay ohatran’ny reny mitaiza ny zanagny, 8 avy amin’ny fitiavanay anareo mihitsy no namporisika anay hagnome anareo ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra, dia tsy izany fôgnany fa ny aignanay koa satria faran’izay tianay ianareo. 9 Tadidinareo raolona ny famonoanay tegna sy ny aignanay trotraka. Mba tsy hampanahirana na dia ôlona iraika taminareo dia niasa magnalina andro sy mahakeka andro izahay sady nitory ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra taminareo.
10 Samby vavolombelona dahôlo na anareo na Andriamagnitra fa madio, marina sady tsisy tsigny ny fitondran-tegnanay tamasonareo ize mino. 11 Fantatratreo fa ohatran’ny fitaizan’ny ray ny zanagny no nitaizanay anareo tsiraikaraika; 12 nampaherezinay sy namenay lôha anareo dia nasainay nitondra tegna mendrika an’Andriamagnitra, Ilay magnantso anareo hiditra amin’ny fanjakany sy ny vogninahiny.
13 Araka izany, dia tsy mijanona misaotra an’Andriamagnitra izahay satria rehefa nandray ny tenin’Andriamagnitra izay notorianay anareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ôlona izany fa araka izay tegna izy, dia ny tenin’Andriamagnitra, izay miasa akao agnatinareo izay mino koa. 14 Fa anareo raolona, dia nagnaraka ny Fiangonan’Andriamagnitra tafatambatra amin’i Kristy Jesoa, izay akaigny Jodia; fa ohatran’ny nataon’ny Jiosy taminjareo ny nahazo anareo tamin’ny nataon’ny mpiray firenena aminareo. 15 Novonoinjareo Jesoa Tômpo sy ireo mpaminagny ary nenjehinjareo koa izahay. Tsy mahazo sitraka amin’Andriamagnitra zareo sady fahavalon’ôlona dahôlo, 16 sakananjareo tsy hitory amin’ny tsy Jiosy izahay mba tsy hahavoavonjy an’iregny ka mitombo magnalin’andro ny fahotanjareo. Ary farany dia sosy mafy taminjareo Jiosy Andriamagnitra.
Te hiaona amin’ny Tesaloniana i Paoly
17 Tagnatin’ny fonay fôgna anareo raolona na dia tafisaraka kely aza antsika. Vao mainka ary izahay ngôma anareo dia ataonay izay azonay atao mba hifankahitantsika. 18 Tsy indraika tsy indroa izahay no nagniry handeha hankaigny aminareo, indrindra fa izaho Paoly, fa voasakan’i Satana fôgna. 19 Ino ma ny fanantenanay na ny hafalianay na ny satroboninahitra reharehanay? Ka tsy anareo agnatrehan’i Jesoa Tômpontsika amin’ny fiaviany? 20 Anareo edy anie no voninahitray sy fifalianay.