2 Tesaloniana
Fiarahabana
1
Ho an’ny fiangonan’ny Tesaloniana, akao amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Tômpo.Mamangy anareo izahay: Paoly sy Silasy ary Timoty.
2 Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Tômpo.
Ny fitsarana amin’ny andro hiaven’i Kristy
3 Tsy maintsy misaotra an’Andriamagnitra fôgnany izahay noho ny aminareo, fa mendrika hatao izany satria nandroso be ny finoanareo sy ny fifankatiavanareo. 4 Anareo mbôkany no tabiha sy reharehanay aigny amin’ireo fiangonan’Andriamagnitra. Ny faharetanareo sy ny finoanareo tamin’iregny fanenjehana sy fahoriana nahazo anareo iregny no anton’izany. 5 Iregny fahoriana iregny dia mampiboagna ny fahamarinan’ny fitsaran’Andriamagnitra mbô ho mendrika ny fanjakan’Andriamagnitra izay hizakanareo fahoriana anareo. 6 Marina Andriamagnitra: hampijaly izay mampijaly anareo Izy, 7 ary hagnome tsiatsiaka anareo nampijalena sy anay koa, amin’ny fiaven’i Jesoa Tômpo avy aigny an-dagnitra miaraka amin’ny anjeliny mahery. 8 Hagnasazy amin’ny afo mandevona ny ôlona tsy mahafantatra an’Andriamagnitra sy tsy mankatôritra ny Tarea Maharavon’i Jesoa Tômpontsika Izy. 9 Antambon-draha mandrakizay, lavitra ny fagnatrehan’ny Tômpo sy ny voninahitry ny heriny no sazinjareo 10 amin’ny andro hahatongavany mbô hagnome voninahitra Ananjy ny ôlony masina sy hankalazana Ananjy izay mino. Agnisan’izany koa anareo satria nino ny fijoroanay vavolombelona taminareo.
11 Mahatonga anay mivavaka fôgna ho anareo izany. Mangataka amin’Andriamangitsika izahay mbô ho mendrika an’ilay antso nagnantsovany anareo ny fiaignanareo, hahatanterahany amin’ny heriny ny fanirianareo hagnano ny tsara sy ny asan’ny finoanareo. 12 Amizay mba hamena voninahitra akeo aminareo ny agnaran’i Jesoa Tômpontsika ary anareo akao Aminanjy noho ny fahasoavan’Andriamangitsika sy Jesoa Kristy Tômpo.