5
Fa tsy misy tokony hosoratako aminareo raolona ny amin’ny andro sy ny fotoana hipoiran’izany raha dahôlo izany, 2 satria fantatrareo tsara fa ho avy ohatra ny mpangalatra amin’ny alina iregny ny andron’ny Tômpo. 3 Raha misy ôlona magnano hoe miadana sy milamin-tsaigna, dia ho rava tampoka izy, ohatra ny vehivavy mijaly rehefa miteraka, ka dia tsy ho afaka milefa izy.4 Fa ianareo raolona tsy agnaty maizigna ka tsy ho tampoka aminareo hoatra ny mpangalatra izany andro izany. 5 Fa zanaky ny mazava sy zanaky ny andro anareo dahôlo; fa atsika tsy an’ny alina na an’ny maizigna. 6 Ka dia aza matory sahala amin’ny sanagny fa mifantoha dia sambe mailo. 7 Fa izay matory dia matory amin’ny alina ary izay mamo dia mamo amin’ny alina. 8 Ary satria an’ny andro atsika, dia tokony samby hifantoka: raiso ny finoana sy ny fitiavana mba ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-dôha. 9 Fa Andriamagnitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahasoseny fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’ny Jesoa Kristy Tômpontsika, 10 izay maty hamonjy antsika mba hiara-belona aminazy, na mahatsiaro atsika na matory. 11 Ka mifampirisiha sy mifampahereza fôgna sahala amin’ilay fataonareo.
Fagnanarana sy fanaovam-beloma
12 Mangataka aminareo izahay raolona, mba hajainareo izay miasa mandany ny aignany akeo aminareo sy izay mitondra anareo akao amin’ny Tômpo ary izay magnanatra anareo. 13 Hajao amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara dahôlo anareo. 14 Mamporisika anareo izahay raolona: anaro izay kamokamo, ampeherezo ny kivy, tohagno ny reraka, mandefera amin’ny ôlona dahôlo. 15 Tandremo mba tsy hamaly ratsy an’izay ôlona magnano ratsy aminareo, fa magnanaova ny tsara fôgna, na amin’ny namanareo, na amin’ny ôlona dahôlo.
16 Mifalia fôgna. 17 Aza mijanona mivavaka. 18 Misaora an’Andriamagnitra amin’ny raha dahôlo; fa sitrapony ho anareo akao amin’ny Kristy Jesoa izany.
19 Aza sakanana ny asan’ny Fagnahy. 20 Aza magnambanimbany ny tenin’ny mpagnazary. 21 Diniho ny raha dahôlo, tano mafy izay tsara. 22 Fadeo dahôlo ny raha tsy manjary.
23 Enga anie Andriamangitry ny fiadanana hagnamasina tanteraka anareo sady hiaro ny fagnahinareo sy ny aignanareo ary ny tegnanareo mba tsy hisy tsigny amin’ny fiaven’ny Jesoa Kristy Tômpontsika. 24 Manjary itokisana Ilay magnantso anareo, sady Izy ihany no hagnefa an’izany raha dahôlo izany.
25 Mivavaha koa ho anay raolona a! 26 Mifagnanaova veloma amin’ny fagnorohana masina. 27 Miangavy anareo amin’ny agnaran’ny Tômpo izaho: vakio amin’ny ôlona dahôlo ity epistily ity.
28 Enga anie mba ho aminareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpontsika.