1 Timoty
Fiarahabana.
1
Izaho Paoly, Apostolin’i Kristy Jesoa araka ny didin’Andriamagnitra Mpamonjy antsika sy Kristy Jesoa fagnantegnantsika, 2 no manoratra an’ity taratasy ity ho an’i Timoty, ilay tegna zanako amin’ny finoana:Enga anie ho aminao ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Ray sy Kristy Jesoa Tômpontsika.
Anatra ny amin’ny mpampianatra sandoka
3 Tamin’izaho nandeha taigny Makedonia dia niangavy anao mbô hanangana aigny Efesosy satria misy ôlona sanagny mampianatra raha diso ka ianao no hanakana anjareo tsy hagnano an’izany 4 na hino ny honohonondraha sy hifikitra amin’ny tantaram-pirazagnana tsisy farany izay nampifamaka kanefa tsy mampandroso ny asan’Andriamagnitra izay inoantsika. 5 Ny anton’izany fanakanana izany mbôka dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana milamina ary ny finoana tsisy fihatsarambelatsihy. 6 Nivoagna ny sanagny takatry ny fihatsarambelatsihy, ka nibirioka nankaigny amin’ny adihevitra tsisy dikany. 7 Te ho mpampianatra ny lalàna zareo, kanefa tsy hainy avy izay raha taraviny na izay raha mampidrikina ananjy.
Ny asan’ny lalàna
8 Haintsika nefa fa tsara ny lalàna, raha ampiasaina araka izay tokony ho izy. 9 Haintsika koa fa tsy ny ôlona marina no nagnanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny ôlona tsy matahotra an’Andriamagnitra, ny mpanota, ny mpanimbazimba, ny mpaniratsira, ny mpamono ray sy reny, ny mpamono ôlona, 10 ny malanga, ny lehilahy samby lehilahy mifanambady na ny vehivavy samby vehivavy, ny mpivarotra ôlona, ny mpandainga, ny tsy mitana ny teny nameny, ary izay ôlona dahôlo magnano raha mifanipaka amin’ny fampianarana marina. 11 Izany fampianarana izany dia araka ny Tarea Maharavo milaza ny voninahitr’Andriamagnitra lôharanom-pahasambarana, Izay nagnankina an’izany taminahy.
Ny fahasoavan’Andriamagnitra tamin’i Paoly.
12 Misaotra an’i Kristy Jesoa Tômpontsika izaho fa nameny hery ary natokisany sady nasainy hanompo Ananjy, 13 na dia nagnasaha Ananjy aza izaho talôha sady nanenjika sy nampijaly Ananjy. Kanefa namindra fo taminahy Andriamagnitra satria izaho mbôla tsy nino sady tsy nahay izay raha nataoko. 14 Tegna betsaka be ny fahasoavan’ny Tômpontsika taminahy. Nameny anahy koa ny finoana sy ny fitiavana izay avy amin’i Kristy Jesoa. 15 Azo antoka sady tegna tokony ho ekena izao teny izao: Tonga tatỳ ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no talabeny. 16 Kanefa namindra fo taminahy Andriamagnitra mbô ho hitan’ny ôlona fa nahatsindry fo taminahy ilay talaben’ny mpanota, Jesoa Kristy, mbô ho fitaratra ho an’izay hino Ananjy aigny afara ka hahazoanjareo ny fiaignana mandrakizay. 17 Enga anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay ho an’Ilay Mpanjaka mandrakizay, tsy mety maty, tsy hita maso, dia Ilay Andriamagnitra tokana. Amena.
18 Ô Timoty zanako, izao ny raha taraviko aminao, araka ireo faminaniana talôha mikasika anao, mbô indesinao miady ny ady tsara: 19 Tano ny finoana sy ny fieritreretana milamina; ny sagnany mbôka efa nagnary an’ireo ka nahatonga ny finoanjareo rendrika, 20 agnatin’iregny i Himeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’i Satana mbô hofaizina tsy hagnasaha an’Andriamagnitra intsony.