2 Timoty
Ny fahatsiarovan’i Paoly an’i Timoty sy ny fitiavany ananjy
1
Izaho Paoly, apostolin’i Jesoa Kristy avy amin’ny sitrapon’Andriamagnitra, mbô ho mpitory ny teny fampagnantenana milaza ny fiaignana izay akao amin’i Kristy Jesoa, 2 no mamangy an’i Timoty, zanako malala, amin’ny alalan’ity taratasy ity. Enga anie ho aminao ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Daday sy Kristy Jesoa Tômpontsika.
Fankasitrahana an’Andriamagnitra
3 Velom-pisaorana an’Andriamagnitra izay tompoiko amin’ny fieritreretana madio sahala ny nataon’ny razako izaho, ary mahatadidy anao foagna amin’ny vavaka ataoko na andro na alina. 4 Magniry ny hahita anao izaho mbô ho feno ny hafaliako satria tadidiko ny ranomasonao. 5 Tsarôvako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay akao agnatinao, dia ilay finoana nanagnan’i Loisa babainao sy i Eonika nininao, ary azoko antoka fa anagnanao koa izany.
Mitondra fahoriana miaraka aminahy noho ny Tarea Maharavo
6 Izany no antony mampatonga anahy hampatsiaro anao mbô hamelomanao indray ny fagnamezam-pahasoavana avy amin’Andriamagnitra, izay noraisinao tamin’ny fametrahan-tagnana nataoko taminao. 7 Fa tsy fagnahy koseka no namen’Andriamagnitra antsika, fa fagnahy mahery sy be fitiavana ary mahay mifehy tegna. 8 Araka izany dia aza megnatra ny ho vavolombelon’ny Tômpontsika; ary aza megnatra ny aminahy izay migadra avy Aminanjy. Fa miareta fijalena miaraka aminahy avy amin’ny Tarea Maharavo, araka ny herin’Andriamagnitra.
9 Andriamagnitra no namonjy antsika
sy nagnantso antsika ho ôlony,
tsy avy amin’ny asa vitantsika
fa avy amin’ny fikasany sy ny fahasoavany
izay nameny antsika takao amin’i Kristy Jesoa, letry ny ela.
10 Nabaribary izany amin’izao,
tamin’ny niboagnan’i Kristy Jesoa, Mpamonjy antsika,
izay nagnafoagna ny herin’ny fahafatesana,
ka ny Tarea Maharavo no nampisehoany mazava ny fiaignana
sy ny tsy fahafatesana mandrakizay.
11 Hagnambara an’io Tarea Maharavo io no nagnasan’ Andriamagnitra anahy mbô ho mpitory sy ho Apostoly ary ho mpampianatra ny Jentilisa. 12 Izany koa no iaretako an’izao raha dahôlo izao, kanefa tsy megnatra izaho satria haiko Izay inoako ary azoko antoka fa mandra-piaven’izany andro izany dia afaka mitahiry izay raha napetragny taminahy Izy.
13 Ataovy fitaratra, amin’ny finoana sy ny fitiavana amin’i Kristy Jesoa akao, ny tarea tsisy tsigniny izay efa regninao taminahy. 14 Tahirizo tsara amin’ny fankaherezan’ny Fagnahy Masina, izay akao agnatintsika, ny raha tsara napetraka taminao.
Azo atokisana ery Onesiforosy sy ny ôlona an-dragnony
15 Hainao fa efa niala taminahy ny ôlona dahôlo aigny Azia, agnisan’iregny i Figelo sy i Herimogena. 16 Hamindra fo amin’ny ôlona iray tragno amin’i Onesiforosy anie ny Tômpo satria nampahery anahy matetika izy sady tsy nahamegnatra ananjy izaho nigadra. 17 Nikaraka anahy mafy izy tamin’izy tatỳ Roma ka hitany izaho. 18 Enga anie ny Tômpo hamindra fo aminanjy amin’izay andro izay. Ary hainao tsara fa betsaka be ny fikarakarana nataony taminay taigny Efesosy.