Miaramila tsaran’i Kristy
2
Ianao anaka! Mitomboa hery amin’ny fahasoavana izay amin’ny Kristy Jesoa. 2 Izay raha efa regninao taminahy tamason’ny vavolombelona betsaka, dia ampitao amin’izay ôlona azoko antoka fa mahavita mampianatra an’izany amin’ôlona hafa koa. 3 Miareta fijalena miaraka aminahy, sahala amin’ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa. 4 Tsy mbô miasa lôha amin’ny raha mikasika an’izao fiaignana izao ny miaramila am-perinasa te ho ankasitrahan’ny sefony izay nifidy ananjy. 5 Sahala amin’izany koa, ny mpifandinaka amin’ny hazakazaka dia tsy mahazo kopy raha tsy magnaraka ny fitsipi-dalao. 6 Ny mpamboly izay niasa mafy no tokony handray voalôhany ny anjarany amin’ny vokatra. 7 Eritrereto tsara ny raha taraviko, fa hamen’ny Tômpo fahazavan-tsaigna ianao hahazoanao an’izany.Tsarôvy Jesoa kristy izay natsangana tamin’ny maty
8 Tsarôvy Jesoa Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, araka ilay Tarea Maharavo notoriako. 9 Izany Tarea Maharavo izany no mampatonga anahy miaritra fijalena sy migadra sahala amin’ny ôlona tsy manjary. Kanefa ny tenin’Andriamagnitra tsy manjary gadraina. 10 Avy amin’izany no mampatonga anahy mahavita miharitra ny fijalena dahôlo ho an’ny ôlom-boafidin’Andriamagnitra, mbô hahazoanjareo ny famonjena sy voninahitra mandrakizay akao amin’i Kristy Jesoa.
11 Azo antoka izao tarea izao:
Raha miaraka maty amin’i Kristy atsika,
dia hiaraka velona Aminanjy koa;
12 Raha mahatôzo atsika,
dia hiaraka manjaka Aminanjy;
Raha mandà Ananjy atsika,
dia ho laviny koa;
13 Kanefa na dia tsy manjary atokisana aza atsika,
dia manjary atokisantsika foagnany Izy
satria Izy tsy afaka magnano raha mifanohitra amin’ny maha Izy Ananjy.
Mpiasa tsy megnatra
14 Ampatsiahivo ny kristiana izany raha dahôlo izany. Anaro mafy amason’ny Tômpo akeo zareo mbô tsy hifampidohìka momba ny teny satria tsy mahasoa avy izany fa mandratra an’izay ôlona maharegny an’izany. 15 Mazotoa manolotra ny tegnanao ho an’Andriamagnitra, sahala amin’ny ôlona voatsapa fagnahy, dia mpiasa tsy megnatra amin’ny asany ary mampianatra tsara ny tenin’ny fahamarinana. 16 Ialao ny resaka tsisy dikany fa miha manalavitra an’Andriamagnitra foagna ny ôlona magnano an’izany 17 ary sahala amin’ny fery manonitra ny raha taravinjareo, agnatin’izany ery Himeneo sy Fileto: 18 Niala tamin’ny fahamarinana zareo ka nitarea hoe: Efa vita ny fitsanganana amin’ny maty. Ary nandratra ny finoan’ny ôlona sanagny izany.
Ny fananganana nataon’Andriamagnitra
19 Na dia izany aza, ny fototra nataon’Andriamagnitra dia mafy orina tsara sady misy fitomboka hoe: Ny Tômpo mahafantatra izay ananjy; ary koa: Ny ôlona dahôlo izay manognona ny agnaran’ny Tômpo dia tokony hiala amin’ny ratsy. 20 Kanefa tsy dia hoe fanaka volamena sy volafotsy foagna ny misy akao amin’ny tragno geda iraika fa misy fanaka vita amin’ny kakazo sy taniditra koa akao. Ny sanagny dia ampiasaina amin’ny fotoana manokana, fa ny sanagny ampiasaina andavanandro. 21 Raha misy ôlona magnadio ny tegnany miala amin’ny ratsy dia hanjary fanaka ampiasaina amin’ny fotoana manokana izy, voatokana, ilain’ny Tômpo, ary vognona hampiasaina amin’ny asa tsara.
Ny gaognan’ny Tômpo
22 Ilefaso ny filàn-dratsin’ny fahatanorana. Miezaha mikaraka fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ireo izay magnantso an’ny Tômpo amin’ny fo madio. 23 Aza magneky an’izay ady hevitra tsisy dikany satria fantatrao fa mampatonga ady ireny. 24 Ny gaognan’ny Tômpo mbôka dia tsy tokony hiady fa tokony ho tsotra amin’ny ôlona dahôlo, hahay mampianatra, hahazaka tsikera, 25 hananatra am-pahatsorana izay manohitra ananjy; sao dia mbô hamen’Andriamagnitra irika hibebahana zareo hahafantarany ny marina, 26 dia ho tonga saigna izy ka hiala amin’ny fandriky ny devoly, izay nagnano sambo-belona ananjy hagnaraka ny sitrapony.