Titosy
Fiarahabana
1
Izaho Paoly no manoratra an’ity taratasy ity. Gaognan’Andriamagnitra sady Apostolin’i Jesoa Kristy izaho mbô hampandroso ny finoan’ny ôlona nofidin’Andriamagnitra sy mbô hampahafantatra anjareo ny raha marina mifandraika amin’ny fahatahorana an’Andriamagnitra 2 amin’ny fagnantegnana ny fiaignana mandrakizay izay nampagnantegnain’Andriamagnitra letry talôha; tsy mandainga mbôka Izy. 3 Tamin’ny fotoana voatendrin’Andriamagnitra Mpamonjy antsika dia nabaribariny ny tareany izay nankininy taminahy ary nasainy notoriko.
4 Ho an’i Titosy, izay tegna zanako amin’ny finoana itambarantsika.
Enga anie ho aminao ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Daday sy Kristy Jesoa, Mpamonjy antsika.
Momba ny loholona
5 Najanoko taigny Kreta ianao mbô handamina ny raha dahôlo izay mbôla tsy vita aigny, ary mbô hanendry lohôlona isan-tanàna, araka ny raha nasaiko nataonao: 6 Ny lohôlona dia tokony ho lehilahy tsisy tsigny, tsy mampirafy, mpino dahôlo ny zanagny izay tsy azon’ny ôlona soketaina ho mpagnaram-po amin’ny ratsy na maditra. 7 Fa ny mpitondra fiangonana satria mpikarakara ny raha dahôlon’Andriamagnitra izy, dia tokony ho tsisy tsigny, tsy miziriziry amin’ny heviny, tsy mora sosy, tsy mamolava sy be bagara, tsy mahery setra, tsy tia harena maloto; 8 fa mampandroso an-dragno vahiny, tia ny tsara, mahafehy tegna, marina, masina, mahonon-tegna, 9 mifikitra mafy amin’ny fampianarana marina namena ananjy mbô hahaizany mampahery ny sanagny amin’ny fampianarana tsisy kilema sy mbô handreseny lahatra an’ireo mpanohitra.
Ireo mpagnely ny fampianaran-diso
10 Betsaka ny maditra, miteniteny foagna sy mikatramo, mintsaka fa amin’ireo vita hasoavana. 11 Tsy maintsy akombona ny vavanjareo satria betsaka ny fianakaviana voakorontagna vokatry ny fampianarana diso hataonjareo mbô hahazoany harena maloto. 12 Hozy ny iraika amin’ny mpagnazary izay taminjareo takeo:
“Ôlona foatindainga ny Kretana, biby masiaka, kamo be tenda.”
13 Marina ireo raha notaraviny ireo ka anaro mafy zareo dahôlo mbô hatanjaka amin’ny finoana, 14 sy tsy hitana ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didy nataon’ôlona izay miala amin’ny fahamarinana. 15 Madio avy ny raha dahôlo amin’ny ôlona madio; fa tsisy madio kosa na ino na ino amin’ny ôlona tsy madio sy tsy mino satria samby efa voaloto dahôlo na ny saignany na ny fieritreretany. 16 Magneky zareo fa mahafantatra an’Andriamagnitra, nefa tsy mifagnaraka amin’izany ny raha hataony. Ôlona mafadendena, tsy magnaraka ny raha taravina aminanjy ary tsy mahavita raha tsara mihitsy zareo.