Ny ôlona antitra, ny tanora ary ny gaogna
2
Fa ianao kosa, ny raha marina no ampianaro. 2 Anaro ny antilahy mbô hahalala ognona, ho maontina, hahafehy tegna, ary hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana sy amin’ny faharetana.
3 Anaro koa ny antibavy mbô hanagna fitondrantegna masina, tsy ho mpagnendrikendrika, tsy ho mpigoka divay, fa ho mpampianatra raha tsara, 4 mbô hahafahany mampianatra ny vehivavy ho tia ny vadiny sy ny zanagny, 5 hahafehy tegna, ho madio fitondrantegna, hahakarakara tokantrano, ho tsara fagnahy, hagneky ny vadiny, mbô tsy hagnasaha ny tenin’Andriamagnitra.
6 Anaro koa ny lehilahy mbô hahafehy tegna. 7 Ataovy tsara ny raha dahôlo mbô ho modely ho ananjy ianao; ataovy tegna izy sady matotra ny fampianaranao, 8 marina, tsy azo kianina mbô ho megnatra izay manohitra anao satria tsisy ratsy itaravany antsika.
9 Anaro koa ny gaogna mbô hagneky ny mpampiasa ananjy ka hagnano izay tian’ilay mpampiasa amin’ny raha dahôlo fa tsy ho be famaliana, 10 tsy hangalangalatra fa tegna azo atokisana, mbô hagnamezana voninahitra amin’ny raha dahôlo ny fampianaran’Andriamagnitra Mpamonjy atsika.
Ny ôlona an’i Jesoa Kristy
11 Fa efa nabaribarin’Andriamagnitra ny fahasoavany izay famonjena ny ôlona dahôlo. 12 Izany dia mampianatra antsika handà ny toetra ratsy sy ny filàn’izao tontolo izao, fa hahafehy tegna sy ho marina ary hanagna fitondrantegna araka an’Andriamagnitra amin’izao fiaignana izao, 13 akeo am-piandrasana ny fagnantenagna mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamagnitra gedabe sady Mpamonjy antsika dia Jesoa Kristy izany. 14 Nanolotra ny tegnany ho antsika Izy mbô hagnavotany antsika ho afaka amin’ny raha tsy manjary dahôlo, sy hanadiovany antsika hanjary ho ôlony sady hafana fo amin’ny tabaha tsara.
15 Izany no taravo sy ananaro ary anakano amin’ny fahefana dahôlo. Aza avela hisy ôlona hagnano anao ho tsisy fotony.